Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Mikraoba Mahery Nahaliana be ahy ny namaky ny gazetinareo. Ny tena tiako indrindra, dia ilay andian-dahatsoratra hoe “Mandrahona Antsika Rehetra ny Mikraoba Mahery.” (8 Novambra 2003) Mbola maniry mafy ny hahazo ny gazetinareo aho, no sady te hianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Y. G., Rosia

Mitovy Amin’ny Ray Aman-dreny Misaotra indrindra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Tsy Maintsy Mitovy Amin’ny Ray Aman-dreniko Foana ve Aho?” (8 Novambra 2003) Anti-panahin’ny fiangonana iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny raiko, ary nihevitra ahy ho modely tokony hotahafina foana ny rehetra. Saika hikomy àry aho mba hiavahako tamin’ny ray aman-dreniko. Misaotra fa nanampy ahy iny lahatsoratra iny, satria fantatro fa hanenina aho raha nanao an’izany. Izay vao tsapako fa izaho mihitsy no tsy maintsy manao izay hananako laza tsara eo anivon’ny fiangonana, ary hampiseho ny maha izy ahy.

L. D., Frantsa

Azoko tsara ny fihetseham-pon’ireo tanora voaresaka ao amin’ilay lahatsoratra. Tsapako mihitsy fa nanantena zavatra be tamiko ny olona teo anivon’ny fiangonana, satria be mpahafantatra ny raiko sy ny dadatoako. Tsara laza ny fianakaviako, ka na taiza na taiza nalehako dia fantatry ny olona ny anaran’ny fianakavianay. Kivy aho rehefa tsy nahavita izay nantenain’ny olona tamiko. Fantatro anefa izao, fa ny fomba fijerin’i Jehovah antsika no zava-dehibe indrindra.

S. S., Japon

Misionera any Afrika Tena tiako ilay tantaram-piainan’i Ernest Pandachuk hoe “Nobeazina mba Hanana Fiainana Misy Tanjona Aho.” (8 Novambra 2003) Niatrika karazan’olana maro mantsy aho, anisan’izany ny fitaizana irery ny zanako lahy sy ny tsy fahasalamana. Tsy sarotra noho izay nanjo an’ireo rahalahintsika Kristianina tany Afrika anefa izany. Nanohina ny foko ilay lahatsoratra ary nampirisika ahy hisaintsaina ny fampanantenan’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33. Milaza izy io fa hikarakara ny olona manao ho loha laharana ny fikatsahana ilay Fanjakana i Jehovah.

M. C., Rosia

Filana Tsy Araka ny Natiora Misaotra anareo tamin’ilay lahatsoratra hoe: “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Eken’Andriamanitra ve ny Filana Tsy Araka ny Natiora?” (8 Novambra 2003) Fito ambin’ny folo taona aho ary notezaina tao amin’ny tokantrano kristianina. Mbola kely anefa aho dia efa naniry hanana firaisana tamin-dehilahy toa ahy. Tsy azoko mihitsy hoe nahoana aho no manana izany faniriana izany. Mampahery ahy anefa ny mahafantatra fa tsapan’i Jehovah ny ady mafy ataoko anoherana an’ilay izy. Izao no teniko amin’ireo miady mafy amin’izany filana izany: “Aza manaiky ho resy mihitsy!”

J. M., Etazonia

Nijaly noho ny filana tsy araka ny natiora aho nandritra ny fiainako manontolo. Izay manjo ahy mihitsy no resahin’ilay lahatsoratrareo. Tena mbola kely aho dia efa nijery sary mamoafady sady novetavetaina, ka nisy vokany nahatsiravina teo amiko izany. Izao vao azoko tsara ny antony mahatonga ahy hanana izany filana izany. Misaotra tamin’ny fanampianareo.

J.B.M., Etazonia

Tsara homarihina fa manan-kery eo amin’ny karazana firaisana tian’ny olona atao ny fototarazo, ny hormonina, ny fanabeazana, ary ny antony maro hafa. Afaka mahazo fanampiana avy amin’ny fiangonana kristianina anefa, ireo olona miady amin’ny faniriana hiray amin’ny lehilahy na vehivavy tahaka azy.

D. L., Grande-Bretagne

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tena mahatsapa ny manjo an’ireo miady amin’ny filana tsy araka ny natiora izahay. Mety ho maro ny antony mahatonga izany, araka ilay lahatsoratra. Afaka ny hitoetra ho madio eo anatrehan’i Jehovah anefa ny olona iray, raha tsy minia manolokolo na manatanteraka ny fanirian-dratsiny izy. Matokia fa faly i Jehovah Andriamanitra rehefa miezaka hadio fitondran-tena toy izany ny olona iray.—Ohabolana 27:11.