Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fitaoman’ny Namana Misaotra betsaka tamin’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe . . . Tena Mahery Tokoa ve ny Fitaoman’ny Namana?” (8 Desambra 2002) Tsy nihevitra mihitsy aho hoe misy heriny eo amiko ny fitaoman’ny namana. Mbola kely ny olona atỳ aminay dia efa manambady. Efa hatramin’izay aho no naniry hijanona ho mpitovo aloha, ary hiezaka hanatsara ny ara-panahiko. Matetika anefa ny olona no manatona ahy ary manontany hoe: “Rahoviana ianao no hanambady e?” (Vao 16 taona monja aho.) Nanomboka nieritreritra aho hoe tsy mety amiko angamba ny mijanona ho mpitovo! Nanampy ahy io lahatsoratra io hahatakatra fa tena mahery tokoa ny fitaoman’ny namana.

E. A., Etazonia

Mpifofo Ain’olona Nampihetsi-po ahy ny zavatra niainan’i Toshiaki Niwa, voatantara ao amin’ilay lahatsoratra hoe: “Mpifofo Ain’olona Lasa Mpikatsaka Fiadanana.” (8 Desambra 2002) Teraka tany Philippines aho, taona vitsivitsy taorian’ny Ady Lehibe II. Matetika ny fianakaviako no niresaka momba ny herisetran’ny miaramila, rehefa nitantara ny ady. Nanontany matetika toy izao aho, fony mbola kely: “Ahoana no nahafahan-dry zareo nanao izany?” Nanampy ahy hahafantatra bebe kokoa ny valin’izany fanontaniana izany ny zavatra niainan’ny Rahalahy Niwa. Misaotra anareo mamoaka lahatsoratra toy ireny. Ny fiovana toy izany eo amin’ny fiainan’ny olona, dia manaporofo fa mahatalanjona tokoa ny herin’i Jehovah.

A. C., Etazonia

Vavaka Misaotra indrindra tamin’ilay lahatsoratra hoe: “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Vavaka Henoin’Andriamanitra.” (8 Septambra 2002) Tena ketraka mihitsy aho, tamin’ilay andro namakiako azy io. Tena nampahery ahy mihitsy ny namaky ilay teny ao amin’ny Isaia 41:10. Tena faly aho satria nampahery ahy sy ny hafa i Jehovah, sady mihaino ny vavaka rehetra ataontsika, na dia ny eritreritsika aza! Niaina tao amin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana aho nandritra ny 20 taona. Tsy mora izany, satria efa nijaly noho ny aretina mitaiza nandritra ny 30 taona mahery koa aho. Misaotra betsaka noho ireo gazety tena mahafinaritra ireo. Mampahery ahy hatrany izy ireny.

D. G., Alemaina

Dadabe sy Bebe Folo taona izay no nisarahan’ny ray aman-dreniko. Naleoko niaraka tamin-dreniko ka tsy nifandray tamin’ny fianakavian-draiko intsony aho. Tsapako anefa fa zava-dehibe sy mahasoa ny mifandray tsara amin’ny raibeko sy renibeko avy amin-draiko, rehefa voavakiko ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe . . . Nahoana Aho no Tokony Hifankahalala Tsara Amin’i Dadabe sy i Bebe?” (8 Mey 2001) Manome ahy soso-kevitra ara-baiboly ankehitriny ireny lahatsoratra ireny, mba hifandraisako tsara amin’izy ireo.

G. V., Etazonia

Mifandray tsara amin’ny raibeko sy renibeko efatra aho, na dia tsy Kristianina aza izy ireo. Manana “Bebe” koa aho eo anivon’ny fiangonana, dia rahavavy kristianina mananika ny faha-70 taonany. Sady vakiny amiko ny Baiboly no ampahereziny aho, rehefa manana olana. Misy fotoana itazonany fotsiny ny tanako na isakambinany ahy. Toy ny hoe mitovy taona izahay indraindray.

M. K., Japon

Manontany ny Tanora Vao avy novakiko ilay lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe . . . Ahoana Raha Hitan’ny Mpiara-mianatra Amiko Aho?” (8 Martsa 2002) Mpianatra any amin’ny lise aho sady mpitory ny vaovao tsara manontolo andro. Matetika aho no manao toa an’i Simon, ilay ankizy voalaza ao amin’ilay lahatsoratra. Tsy tiako mihitsy koa ny mifanena amin’ny mpiara-mianatra eny amin’ny saha fanompoana. Fampahatsiahivana avy amin’i Jehovah iny lahatsoratra tena tsara iny. Misaotra azy aho.

S. S., Etazonia

Efatra ambin’ny folo taona aho, ary natahotra sao hitan’ny mpiara-mianatra teny amin’ny faritany nitoriako. Mampahery ny mahafantatra fa manampy ahy i Jehovah rehefa mampaneno lakolosim-baravarana aho. Nanatanjaka ahy iny lahatsoratra iny.

M. L., Italia