Fidorohana Zava-mahadomelina—Misy Vahaolana!
Fidorohana Zava-mahadomelina—Misy Vahaolana!
“KÔKAININA Maro Be Naondrana An-tsokosoko tao Anaty Tavoahangin-divay”. Nasehon’io lahatsoratra an-gazety io ny fomba nahatratraran’ny polisin’i Johannesburg, Afrika Atsimo, kesika nisy tavoahangin-divay 11 600 avy any Amerika Atsimo. Nafangaro tao anaty divay ny kôkainina 150 ka hatramin’ny 180 kilaograma. Io angamba no kôkainina betsaka indrindra naondrana an-tsokosoko tany hatramin’izao.
Na dia toa mampahery aza izany, dia ny 10 ka hatramin’ny 15 isan-jaton’ny zava-mahadomelina maneran-tany ihany, raha ny marina, no tratran’ny polisy. Mampalahelo fa izany dia toy ny mpanao zaridaina iray manala ahidratsy mora maniry, kanefa tsy manongotra ny fakany.
Manakantsakana ny ady ataon’ny mpitondra fanjakana amin’ny famokarana sy fivarotana zava-mahadomelina ny tombom-barotra be avy amin’izy io. Tombanana ho an’arivony tapitrisa dolara maro no mivezivezy isan-taona ao amin’io tsena tsy ara-dalàna io, any Etazonia fotsiny. Noho izany vola be izany, dia tsy mahagaga raha misy manao tsolotra ny polisy sy mpiasam-panjakana, eny, fa na dia ireo manana toerana ambony aza.
Nanao tatitra avy any Brezila i Alex Bellos, tao amin’Ilay Mpiambina Isan-kerinandro (anglisy), fa araka ny fanadihadian’ny parlemanta, dia nisy “mpikambana telo tao amin’ny kongresy, sy depiote 12 ary ben’ny tanàna telo voatonona ... tao amin’ny lisitr’ireo olona maherin’ny 800 heverina ho voarohirohy amin’ny heloka bevava voalamina sy ny fanondranana zava-mahadomelina an-tsokosoko any Brezila”. Voatonona tao koa ny “polisy, mpisolovava, mpandraharaha sy mpamboly avy amin’ny fanjakana 17 amin’ireo 27”. Hoy ny profesora iray ao amin’ny Oniversiten’i Brezila, momba izany: “Mahafaoka ny sampany rehetra amin’ny fiaraha-monina brezilianina io fanamelohana io.” Mety ho toy izany koa ny fitambaran’olona maro anjakan’ny zava-mahadomelina. Ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady no mampitombo ilay zava-manahirana.
Rehefa hitan’ny sasany fa tsy nahomby ny fameperana araka ny lalàna, dia narosony ny hevitra hanekena ho ara-dalàna ny zava-mahadomelina sasany. Heverina fa tokony homena zava-mahadomelina kely hampiasainy ny olona tsirairay, ka noho izany dia ho mora kokoa amin’ny fanjakana ny manara-maso izany, sady tsy hahazo tombom-barotra be intsony ireo lehiben’ny zava-mahadomelina.
Mahomby ny sasany
Mety ho afaka amin’ny zava-mahadomelina ny olona iray rehefa tsaboina, ary mety hihatsara ny fahasalamany. Mampalahelo anefa fa azo inoana ho voasarika hiverina amin’izany indray izy raha vao miverina amin’ny fiainana nahazatra azy. Izao no antony lazain’i Luigi Zoja, mpanoratra: “Tsy ho afaka mihitsy ny fahazaran-dratsy raha tsy tarihina ho amin’ny toe-tsaina vaovao tanteraka ilay marary.”
Nahita “toe-tsaina” nanova tanteraka ny fiainany i Darren, voatonona tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hoy izy: “Tsy nino an’Andriamanitra aho, kanefa nanjary takatro fa tsy maintsy misy izy, na dia nidoroka zava-mahadomelina mandra-pahalin’ny andro aza aho. Niezaka niala aho nandritra ny roa na telo volana, kanefa tsy navelan’ny namako raha tsy nandray kely. Na dia mbola nampiasa zava-mahadomelina aza aho, dia nanomboka namaky Baiboly tsy tapaka talohan’ny natoriako. Tsy niaraka firy tamin’ireo namako intsony aho. Mamon-drongony tanteraka izahay sy ilay mpiray efitrano tamiko indray hariva, raha niresaka Baiboly taminy aho. Vao maraina ny ampitson’iny, dia nitelefaonina ny rahalahiny, izay Vavolombelon’i Jehovah, izy. Nanondro Vavolombelon’i Jehovah nipetraka teo amin’ny tanànanay izy io, ka lasa nitady azy io aho.
Niresaka hatramin’ny 11 ora alina izahay, ary nitondra boky fianarana Baiboly maro be aho rehefa nody. Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly izahay, ary tsy nidoroka zava-mahadomelina intsony aho. Natao batisa aho, sivy volana teo ho eo tatỳ aoriana, ka tonga Vavolombelon’i Jehovah.”
Tsy mora ny miala amin’ny zava-mahadomelina. Izao no nohazavain’i Michael,
voatonona tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, momba ny zava-manahirana hitany rehefa niala izy, taorian’ny 11 taona nidorohana azy io: “Tsy te hihinan-kanina mihitsy aho ka nihanahia. Nahatsiaro ho voly aho, tsemboka, ary nahita faribolana nanodidina ny olona. Nanembona mafy zava-mahadomelina indray aho, kanefa nanampy ahy ho madio hatrany ny fanatonana an’i Jehovah tamin’ny vavaka sy ny fianarana Baiboly.” Manaiky ireo mpidoroka zava-mahadomelina taloha ireo fa tena ilaina ny manapa-patorana tanteraka amin’ny namana taloha.Nahoana no tsy mahomby ny olona?
Lafiny iray monja amin’ny olana maneran-tany lehibe kokoa ny fidorohana zava-mahadomelina. Mangeja an’izao tontolo izao ny herin’ny ratsy sy ny herisetra ary ny halozana. Hoy ny Baiboly: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. (1 Jaona 5:19) Nampahafantarin’ny apostoly Jaona, ao amin’ny Apokalypsy 12:9, toy izao io “ilay ratsy” io: “Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.”
Tsy maintsy miady amin’io fahavalo mahery io ny olombelona, ankoatra ny ady ataony amin’ny fahalemeny. I Satana no nahatonga ny olombelona ho lavo tamin’ny voalohany. Tapa-kevitra ny mbola hampietry kokoa ny olona sy hampiala azy ireo amin’Andriamanitra izy. Anisan’ny tetika ampiasainy ny fidorohan’ny olona zava-mahadomelina. Tezitra mafy izy satria fantany fa “kely sisa ny androny”.—Apokalypsy 12:12.
Inona no vahaolana avy amin’Andriamanitra?
Asehon’ny Baiboly ny fandaharana feno fitiavana ataon’Andriamanitra hanavotana ny olombelona amin’ny fahotany. Izao no lazaina amintsika ao amin’ny 1 Korintiana 15:22: “Tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy”. Tonga an-tsitrapo tetỳ an-tany i Jesosy, olombelona lavorary ary nanao sorona ny ainy teto an-tany hanavotana ny olona amin’ny vokatry ny ota sy ny fahafatesana.
Nanjary voatosika sy nanana herim-po nialana tamin’ny zava-mahadomelina ny maro, noho ny fahafantarana ny antony mahatonga ny fahafatesana sy ny vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona. Tsy vitan’ny hoe manampy antsika hiady amin’ny zava-mahadomelina dieny izao fotsiny anefa ny Baiboly. Lazainy amintsika koa fa tsy hisy intsony ny zava-manahirana an’izao tontolo izao, anisan’izany ny fidorohana zava-mahadomelina, rehefa tsy eo intsony i Satana.
Miresaka momba ny “onin’ny ranon’aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”, ny Apokalypsy 22:1. Io ony ara-panoharana io dia mampiseho ny fandaharan’Andriamanitra hamerenana ny fahalavorarian’olombelona eo amin’ny paradisa eto an-tany, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Resahin’ny Apokalypsy ny hazon’aina mamoa amin’ny sisin’io ony io, ka hoy izy: “Ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro”. (Apokalypsy 22:2) Ireo ravina ara-panoharana ireo dia mampiseho ny fandaharam-panasitranana ataon’i Jehovah hamerenana ny olombelona ho amin’ny fahalavorariana ara-panahy sy ara-batana.
Ho afaka ny olona, amin’ny farany. Tsy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina fotsiny, fa amin’ny zava-manahirana hafa rehetra mamely an’ity tontolo mihasimba ity koa!
[Efajoro/Sary, pejy 9]
Tsy Manimba ve ny Rongony?
Maro ny firenena mihevitra ny hanao izay hahara-dalàna ny rongony, indrindra fa mba hitsaboana. Hita ho nampihena ny misalebolebo vokatry ny fitsaboana simika izy io, ary hita koa fa nanampy ireo voan’ny SIDA mba hazoto homana indray. Nampiasaina mba hanamaivanana fanaintainana koa izy io.
Na dia tsy mitovy aza ny vokatry ny fikarohana, dia nampiseho ny sasany amin’ny voka-dratsin’ny rongony ny andrana natao, notaterin’ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy).
Nanao andrana toy izao ny Oniversiten’i Harvard: Nampitahainy ny antokon’olona mifoka rongony isan’andro sy ny tsy dia mifoka azy io. Tsy nisy fahasamihafany firy teo amin’ny fitsapana ara-tsaina mahazatra. Rehefa nojerena anefa ny fahafahana miatrika tarehin-javatra vaovao, dia latsaka ambany be ireo tena mpifoka rongony.
Nanao andrana tamin’ny antokon’olona mpifoka rongony sy tamin’ny mpifoka sigara, nandritra ny 15 taona, ny oniversite iray hafa. Mifoka singany telo na efatra isan’andro matetika ny mpifoka rongony, fa 20 na mihoatra isan’andro kosa ny an’ny mpifoka sigara. Mitovy ny isan’ireo mikohaka sy voan’ny braonsita amin’ireo antokon’olona ireo. Samy voa koa ny selan’ny havokavok’izy ireo.
Na dia tsy mifoka matetika loatra aza ny mpifoka rongony, dia hita fa avo telo heny noho ny an’ny sigara iray ny godorao avoakan’ny singan-drongony iray. Hoy koa ny Mpahay Siansa Vaovao: “Misintona mafy kokoa ny setroka ny mpifoka rongony ary ela kokoa izany vao avoakany.”
Ankoatra izany, dia hita fa latsaka 35 isan-jato ny hery fiarovan’ny selan’ny havokavoky ny mpifoka rongony, ka tsy maharo tena amin’ny bakteria, raha oharina amin’ny an’ny mpifoka sigara.
[Sary nahazoan-dalana]
U.S. Navy photo
[Efajoro, pejy 11]
“Manameloka” ny Ray Aman-dreny
Nilaza ny lahatsoratry ny mpampanonta ny gazety Kintana Asabotsy, atsy Afrika Atsimo, fa mampanahy ny fitomboan’ny tanora mpidoroka zava-mahadomelina any amin’io tany io. Hoy izy io:
“Matetika no manameloka antsika ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina amin’ny ankapobeny ny fanaovan’ny zanatsika izany [mampiasa zava-mahadomelina]. Variana mitady vola isan’andro isika, ka toy ny manompo vola. Mandreraka ny saintsika sy ny vatantsika ny zanatsika. Misy fotoana iarahantsika aminy ve? Mora ny manome vola azy ireo mba tsy hanelingelenany antsika. Mora kokoa noho ny mihaino azy: ny fanahiany, ny fanantenany, ny zava-manahirana azy. Rehefa any amin’ny hotely fisakafoana isika anio hariva, na maka aina mijery tele, ho fantatsika ve izay ataon’ireo zanatsika?”
Ary fantatsika ve izay eritreretiny?
[Sary, pejy 10]
Maro no voatosika hiala tamin’ny fidorohana zava-mahadomelina