Avy Amin’ny Mpamaky
Avy Amin’ny Mpamaky
Aretina Mitaiza Manan-janaka telo izahay, ny anankiray voan’ny trisomie 21 ary ny iray hafa voan’ny tsy fahampian-dra voamariky ny sela mena mifaraingo. Vao haingana, dia nihetsika mafy ny aretin’ilay zanaka voan’ny trisomie 21, ary voatery nampidirina hopitaly izy, ka tena mafy taminay rehetra izany. Tsapako fa namaly ireo vavaka nataoko i Jehovah rehefa voaraiko ny Mifohaza! tamin’ny 8 Jona 2000, izay nirakitra ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Aretina Mitaiza — Miara-misalahy ny Mpianakavy”. Nanome anay mivady ny herim-po mba hiaretana hatrany ireo lahatsoratra ireo. Nohatanjahin’izy ireo koa ny fanantenanay fa, tsy ho ela, dia tsy hisy hilaza hoe: “Marary aho”. — Isaia 33:24.
E.J.M., Brezila
Manan-janakalahy 19 taona voan’ny aretin-tsaina izahay. Efa nahita boky maro momba ny aretina izahay, kanefa mbola tsy namaky mihitsy zavatra miresaka momba ny aretina araka ny fomba fijerin’ny fianakaviana azy io, toy ireo lahatsoratra ireo. Nolazalazain’izy ireo tsara ny ady anaty ataoko sy ny fijaliana tsapako, ka toy ny hoe natao an-tsoratra ny fanaintainana tao am-poko.
H. T., Japon
Efa hatramin’ny folo taona aho izao no manana aretina mitaiza mihombo, ka tena nanohina ahy ny fomba nilazalazanareo ny fihetseham-pon’ny olona toy izany. Indraindray dia tena mora very ny fahaiza-mandanjalanja ara-tsaina sy ara-panahy, nefa ireo anadahy ao amin’ny kongregasionako dia nampiseho fa irin’izy ireo ny hahatakatra izay mihatra amiko. Amin’ny alalan’ny teniny mampiseho fahendrena no anomezan’izy ireo ahy ny tanjaka ilaina mba ho velona hatrany.
M. M., Italia
Niara-namaky ilay lahatsoratra izahay mianakavy. Nanjary tsy niasa ara-dalàna ireo voan’ny zanakay vavy, ka nampiasana fitaovana manao ny asan’ny voa efa hatramin’ny dimy taona izao. Faran’izay sarotra taminay ny fiatrehana izany. Efa maro aoka izany ny fihetsehan’ilay aretina saiky nahafaty azy, ka mandry an-driran’antsy foana izahay, manontany tena hoe rahoviana no hipoitra ny zava-manahirana manaraka. Fa tsara be ny torohevitrareo. Tsy maintsy ankasitrahana ny andro tsirairay. Tena ilaina koa ny vavaka. Manampy ahy ny mahafantatra fa takatr’i Jehovah ny fihetseham-poko.
S. J., Etazonia
Safononoka ny hafalian’ny foko rehefa tsapako fa misy olona mahatakatra ilay fanaintainana ateraky ny aretina mitaiza! Nahita ny tsirairay tamin’ireo zanako vavy telo nanomboka voan’ny androbe, tahaka ny tenako ihany, aho. Ny lahatsoratra toy ireny dia manampy antsika hamboly fahaiza-mahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa ary hampiseho ny sain’i Kristy.
G. L., Etazonia
Anakonda Mipetraka ao amin’ny faritra iray misy anakonda aho. Mitantara zavatra momba ireny bibilava ireny ny olona matetika, nefa sarotra ny mamantatra raha azo inoana ilay izy na tsia. Ilay lahatsoratrareo hoe “Anakonda — Mampahafantatra ny Tsiambaratelony Ve?” (8 Jona 2000) dia nanampy ahy hanavaka ny zava-misy sy ny zavatra noforomporonina, ary namaly ny fanontaniako rehetra momba io zava-mahatalanjon’ny famoronana io.
J.S.P., Brezila
Ray Mpandositra Adidy Mamaky ny Mifohaza! efa hatramin’ny 25 taona aho, ary ataoko fa mbola tsy nokasihina io foto-kevitra io. (“Manontany ny Tanora Hoe... Ray Mpandositra Adidy — Tena Afa-Mandositra Tokoa Ve?” 8 Jona 2000). Eny, efa nisy lahatsoratra momba ny tovovavy mitaiza irery ny zanany, fa mbola tsy nisy momba ny andraikitry ny tovolahy. Tsy azoko ny hoe raha mijangajanga ny olon-droa, nahoana no ilay reny sy ny zanany ihany no mijinja ny vokatr’izany? Bevohoka aho fony 19 taona. Tsy ta hahalala ny amiko intsony ilay tovolahy. Anaro hatrany ireo tanora mba ‘handositra ny fijangajangana’. — 1 Korintiana 6:18.
C. C., Espaina