Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ireo Efa Ela Nanompoana An’i Jehovah?

Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ireo Efa Ela Nanompoana An’i Jehovah?

Misy Kristianina efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro eo anivon’ny fiangonantsika. Niantehitra tamin’i Jehovah izy ireny ka modely ho antsika. Azontsika anontaniana azy ireo ny olana natrehiny, ny fomba nanampian’i Jehovah azy, ary ny tantaran’ny fandaminana. Afaka mihaino ny tantaran’izy ireny ianareo, raha manasa azy amin’ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo.

Noresahin’i Jakoba sy Josefa tamin’ny taranany ny zavatra nataon’i Jehovah ho azy ireo. (Ge 48:21, 22; 50:24, 25) Nisy zavatra nasain’i Jehovah nataon’ny loham-pianakaviana koa tatỳ aoriana. Nila noresahin’izy ireo tamin’ny zanany ny zavatra miavaka nataon’i Jehovah. (De 4:9, 10; Sl 78:4-7) Efa ela ve ianao no tao amin’ny fandaminana? Azonao tantaraina amin’ireo tanora kokoa ny fomba nanampian’i Jehovah anao. Azon’ny ray aman-dreny sy ny mpitory hafa tantaraina amin’ny ankizy sy ny tanora koa ny zavatra nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminana.

JEREO ILAY VIDEO HOE NIEZAKA NIRAY SAINA FOANA NA DIA NISY FANDRARANA AZA, ARY VALIO IRETO:

  • Ahoana no nanampian’ny sampan’i Aotrisy an’ireo rahalahy tany amin’ny firenena sasany nisy fandrarana?

  • Inona no nataon’ireo rahalahy sy anabavy tany amin’ireny firenena ireny mba hatanjaka foana ny finoany?

  • Nahoana no nisy mpitory maro niala tamin’ny fandaminana, tany Romania? Ahoana no nahatonga azy ireo hiverina tamin’ny fandaminana indray?

  • Nahoana io fitantarana io no manatanjaka ny finoanao?

Hanatanjaka ny finoanao ny zavatra ianaranao avy amin’ireo be taona!