Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hevitr’iza no Inoanao?

Ny Hevitr’iza no Inoanao?

Mino ny mpivavaka sasany fa noforonina tao anatin’ny enina andro, misy 24 ora avy, ny tany sy izay rehetra eo aminy. Vao an’arivony taona vitsivitsy lasa, hono, no nitrangan’izany. Misy indray milaza fa tsy marina izay lazain’ny Baiboly. Tsy misy, hono, Andriamanitra, ary kisendrasendra no nampisy an’izao rehetra izao.

Ary ianao? Mino angamba ianao hoe misy Andriamanitra ary marina ny Baiboly. Tsy lavinao koa anefa ny fanazavan’ireo mpahay siansa malaza, izay miteny hoe tsy nisy namorona izao rehetra izao fa ny evolisiona a no nampisy azy. Tsy ianao irery no toy izany fa ny ankamaroan’ny olona. Raha efa niteraka ianao, dia mety ho sahiran-tsaina hoe ahoana no hamalianao ny zanakao, raha manontany momba ny evolisiona sy ny famoronana izy ireo.

Inona no antony namoahana an’ity bokikely ity?

Tsy natao hanaratsiana ny mpivavaka sasany na ny olona tsy mino an’Andriamanitra ity bokikely ity. Natao hanampiana anao kosa izy ity mba handinika indray ny zavatra sasany inoanao. Hohazavaina ato ilay fitantarana ao amin’ny Baiboly momba ny famoronana. Mety ho vaovao tanteraka aminao ilay izy. Resahina ato koa hoe nahoana ianao no tena mila mandinika raha nisy namorona izao rehetra izao na tsia.

Raha misy milaza fa tsy nisy Mpamorona manan-tsaina nanao izao rehetra izao ary tsy azo itokisana ny Baiboly, tonga dia hino izany ve ianao? Sa kosa ianao handinika izay tena lazain’ny Baiboly aloha? Ny fampianaran’iza no tokony hinoanao? Ny an’ny Baiboly sa ny an’ireo mino ny evolisiona? (Hebreo 11:1) Nahoana raha mandinika ny zava-misy?

a Izao no atao hoe evolisiona: Niova miandalana ny zavatra tsy mananaina ka lasa zavamananaina.