1 Mpanjaka 4:1-34

4  Ary nanjaka teo amin’ny Israely rehetra i Solomona Mpanjaka.+  Ireto avy ny tompon’andraiki-panjakana+ nampiasainy: i Azaria zanak’i Zadoka+ no mpisorona;  Elihorefa sy Ahia, izay samy zanak’i Sisa, no mpitan-tsoratra;+ Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana;  Benaia+ zanak’i Joiada no lehiben’ny tafika;+ Zadoka sy Abiatara+ no mpisorona;  Azaria zanak’i Natana+ no filohan’ireo lehibem-paritra; Zaboda zanak’i Natana no mpisorona, naman’ny+ mpanjaka;  Ahisara no niandraikitra ny ankohonany; ary Adonirama+ zanak’i Abda no niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana.+  Ary nanana lehibem-paritra roa ambin’ny folo i Solomona, teo amin’ny Israely rehetra. Izy ireo no namatsy sakafo ny mpanjaka sy ny tao an-dapany, ary nifandimby namatsy sakafo iray volana isan-taona izy tsirairay.+  Ireto avy ny anaran’izy ireo: Ny zanak’i Hora no niandraikitra ny faritra be tendrombohitr’i Efraima;+  ny zanak’i Dakera no niandraikitra an’i Makaza sy Salbima+ sy Beti-semesy+ ary Elona-beti-hanana; 10  ny zanak’i Haseda no niandraikitra an’i Arobota, ary azy koa i Soko sy Hefera+ manontolo; 11  ny zanak’i Abinadaba no niandraikitra ny tandavan-tendrombohitr’i Dora+ manontolo, ary lasa vadiny i Tafata zanakavavin’i Solomona; 12  Bana zanak’i Ahiloda no niandraikitra an’i Tanaka+ sy Megido+ ary Beti-sana+ manontolo, izay eo akaikin’i Zaretana,+ eo ambanin’i Jezirela,+ manomboka any Beti-sana ka hatrany Abela-mehola,+ ary hatrany amin’ny faritr’i Jokmeama;+ 13  ny zanak’i Gebera no niandraikitra an’i Ramota-gileada,+ ary azy ny tanàna tranolain’i Jaira+ zanak’i Manase any Gileada,+ ary azy koa ny faritr’i Argoba+ any Basana,+ dia tanàna lehibe enimpolo nisy manda sy bara hidiny varahina; 14  Ahinadaba zanak’i Ido no niandraikitra an’i Mahanaima;+ 15  Ahimaza no niandraikitra an’i Naftaly,+ ary naka vady an’i Basemata zanakavavin’i Solomona izy;+ 16  Bana zanak’i Hosay no niandraikitra an’i Asera+ sy Bealota; 17  Josafata zanak’i Paroa no niandraikitra an’i Isakara;+ 18  Simey+ zanak’i Ela no niandraikitra an’i Benjamina;+ 19  ary i Gebera zanak’i Ory no niandraikitra an’i Gileada,+ tanin’i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita+ sy an’i Oga+ mpanjakan’i Basana.+ Ary nisy lehilahy iray notendrena ho filohan’ireo lehibem-paritra rehetra tao amin’ilay tany. 20  Maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny Joda sy ny Israely,+ sady nihinana sy nisotro ary nifaly.+ 21  Ary i Solomona no nitondra ny fanjakana rehetra nanomboka tany amin’ny Renirano+ ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta. Nitondra fanomezana ireny sady nanompo an’i Solomona nandritra ny androm-piainany.+ 22  Izao no sakafo nilain’i Solomona isan’andro: Lafarinina tsara toto telopolo kora*+ sy lafarinina tsotra enimpolo kora, 23  sy omby matavy folo sy omby roapolo mpankeny an-kijana ary ondry zato, ankoatra ny serfa+ sy ny gazela+ sy ny serfa kely ary ny taontaonkafa nafahy. 24  Fa teo ambany fifehezany ny faritra rehetra atỳ ampitan’ny Renirano,+ nanomboka tany Tifsa ka hatrany Gaza,+ dia ny mpanjaka rehetra atỳ ampitan’ny Renirano.+ Ary nandry feizay+ ny faritra rehetra nanjakany, na taiza na taiza. 25  Dia nonina tsy amin’ahiahy+ ny Joda+ sy ny Israely tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Solomona, ka samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny+ ny olona rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.+ 26  Ary nanjary nanana tranon-tsoavaly efatra alina i Solomona, ho an’ireo soavaly+ hitarika ny kalesiny.+ Nanana mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina koa izy. 27  Ireo lehibem-paritra+ ireo dia samy namatsy sakafo indray mandeha isam-bolana an’i Solomona Mpanjaka sy izay rehetra navela hisakafo teo an-databany. Ary tsy navelan’ireo lehibem-paritra ireo hisy tsy ampy, na inona na inona. 28  Nentin’izy ireo tsy tapaka tany amin’izay nilana azy koa ny vary orza sy ny mololo ho an’ny soavaly sy ho an’ny soavaly miara-mitarika kalesy.+ Samy nanao izay nasaina nataony avy izy tsirairay.+ 29  Nomen’Andriamanitra fahendrena+ sy fahiratan-tsaina+ tsy nisy hoatr’izany i Solomona, sady nomeny fo tena mahay manavaka,+ ka be dia be tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina+ no nomeny azy. 30  Ary ny fahendren’i Solomona dia nihoatra+ noho ny fahendren’ny Tatsinanana+ rehetra sy ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina.+ 31  Hendry noho ny olona rehetra izy, mbola hendry noho i Etana+ Ezrahita sy Hemana+ sy Kalkola+ ary Darda, izay samy zanak’i Mahola. Ary nalaza tany amin’ny firenena rehetra nanodidina izy.+ 32  Nahavita nilaza ohabolana+ telo arivo izy, ary nahatratra dimy sy arivo ny hirany.+ 33  Ary niresaka momba ny hazo izy, hatramin’ny sedera any Libanona+ ka hatramin’ny hysopa+ mivoaka avy eny amin’ny rindrina. Niresaka momba ny bibidia+ sy ny biby manidina+ sy ny biby mandady+ ary ny trondro+ koa izy. 34  Ary nisy olona tonga foana avy any amin’ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren’i Solomona,+ eny, olona avy tamin’ny mpanjaka rehetra eran-tany izay efa nandre ny fahendreny.+

Fanamarihana

1 kora = 220 litatra. Jereo Ezk 45:14.