1 Mpanjaka 16:1-34

16  Tonga tamin’i Jeho+ zanak’i Hanany+ ny tenin’i Jehovah nanameloka an’i Basa, nanao hoe:  “Nasandratro avy tamin’ny vovoka+ ianao mba hotendreko ho mpitarika ny Israely oloko,+ nefa ianao mbola nanao hoatran’ny nataon’i Jeroboama,+ ka nampanota ny Israely oloko. Nampahatezitra ahy mantsy ny Israely noho ny fahotany.+  Koa hofongorako tanteraka i Basa sy ny ankohonany, ka hataoko sahala amin’ny ankohonan’i Jeroboama zanak’i Nebata.+  Koa izay ankohonan’i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa hohanin’ny voro-manidina.”+  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Basa, mbamin’izay nataony sy ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany?  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Basa, ka nalevina tao Tirza.+ Ary i Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.  Tamin’ny alalan’i Jeho mpaminany zanak’i Hanany no nahatongavan’ny tenin’i Jehovah ho fanamelohana an’i Basa sy ny ankohonany.+ Nomelohina izy ireo noho ny ratsy rehetra nataony teo imason’i Jehovah, dia ny nanaovany izay hampahatezitra+ Azy noho ny asan’ny tanany,+ hany ka ho lasa toy ny ankohonan’i Jeroboama ny ankohonany. Nomelohina koa izy ireo noho ny namonoany an’i Nadaba.+  Tamin’ny taona fahenina amby roapolo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tao Tirza i Elaha zanak’i Basa, ary nanjaka roa taona izy.  Ary nanao tetika hamelezana azy i Zimry+ mpanompony, lehiben’ny antsasak’ireo kalesiny, raha mbola tao Tirza i Elaha ka nimamo+ tao an-tranon’i Arza, izay niandraikitra ny ankohonany+ tao Tirza. 10  Dia niditra i Zimry ka namono an’i Elaha+ tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda. Ary i Zimry no nanjaka nandimby an’i Elaha. 11  Raha vao nanjaka i Zimry ka nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, dia novonoiny daholo ny ankohonan’i Basa. Tsy nasiany niangana ny lahy rehetra+ anisan’ny ankohonany, sy ny havany mpamaly ra,+ ary ny namany. 12  Koa naringan’i Zimry daholo ny ankohonan’i Basa,+ araka ny tenin’i Jehovah+ izay nanamelohany an’i Basa tamin’ny alalan’i Jeho mpaminany,+ 13  noho ny fahotana rehetra nataon’i Basa sy ny fahotan’i Elaha+ zanany, dia ny fahotana izay nataon’izy ireo sy nampanotany ny Israely, rehefa nanao izay hahatezitra an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely izy ireo noho ny sampiny tsy misy ilana azy.+ 14  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Elaha, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany? 15  Tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjaka tao Tirza i Zimry, ary nanjaka fito andro+ izy. Nitoby mba hiady tamin’i Gibetona,+ izay an’ny Filistinina, ny olona tamin’izay. 16  Ary ren’ny olona tany an-toby ihany nony farany fa nanao tetika hamelezana ny mpanjaka i Zimry, ka namono azy. Koa nalain’ny Israely rehetra i Omry+ lehiben’ny tafika, ka nataony mpanjakan’ny Israely tamin’izay andro izay, tao an-toby. 17  Dia niakatra avy tany Gibetona i Omry sy ny Israely rehetra, ka nanao fahirano+ an’i Tirza. 18  Raha vao hitan’i Zimry fa voababo ny tanàna, dia niditra tao amin’ny tilikambo fonenana, izay anisan’ny tranon’ny mpanjaka izy. Dia nodorany ny tranon’ny mpanjaka mba ho kilan’ny afo tao izy. Koa maty izy,+ 19  noho ny fahotana nataony, tamin’ny nanaovany izay ratsy teo imason’i Jehovah,+ ka nanaovany hoatran’i Jeroboama sy nandehanany tamin’ny fahotany, izay nampanotany ny Israely.+ 20  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Zimry, mbamin’ny teti-dratsy nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany? 21  Tamin’izay no nizara roa ny vahoakan’Israely,+ ka ny iray nomba an’i Tibny zanak’i Ginata mba hampanjaka azy, fa ny iray kosa nomba an’i Omry. 22  Farany, dia resin’ny mpomba an’i Omry ny mpomba an’i Tibny zanak’i Ginata, ka maty i Tibny, ary nanomboka nanjaka i Omry. 23  Tamin’ny taona fahiraika amby telopolo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely i Omry. Roa ambin’ny folo taona no nanjakany, ka ny enin-taona tamin’izany tao Tirza. 24  Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin’i Samera ny tendrombohitr’i Samaria. Koa nanorina tanàna teo amin’ilay tendrombohitra izy, ary Samaria+ no nataony anaran’ilay tanàna, araka ny anaran’i Samera, tompon’ilay tendrombohitra. 25  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana i Omry, ary nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra talohany aza izy.+ 26  Nanao hoatran’izay rehetra nataon’i Jeroboama zanak’i Nebata+ izy, dia ny fahotana izay nataony sy nampanotany ny Israely, rehefa nanao izay hahatezitra an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely izy noho ny sampiny tsy misy ilana azy.+ 27  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Omry, dia izay nataony sy ny hery nentiny nanao zavatra, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany? 28  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Omry, ka nalevina tao Samaria. Ary i Ahaba+ zanany no nanjaka nandimby azy. 29  Koa i Ahaba zanak’i Omry no lasa mpanjakan’ny Israely tamin’ny taona fahavalo amby telopolo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda. Nanjaka teo amin’ny Israely tao Samaria+ roa amby roapolo taona i Ahaba zanak’i Omry. 30  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mihoatra noho izay rehetra talohany, i Ahaba.+ 31  Toy ny hoe mbola tsy ampy azy ihany+ ny nandeha tamin’ny fahotan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, fa mbola nalainy ho vady+ koa i Jezebela+ zanakavavin’i Etibala mpanjakan’ny Sidonianina,+ ary lasa nanompo an’i Bala+ izy ka niankohoka teo anatrehany. 32  Nanorina alitara ho an’i Bala koa izy, tao an-tranon’i+ Bala izay naoriny tao Samaria. 33  Ary nanao tsato-kazo masina+ koa izy. Koa nanao zavatra maro hampahatezitra+ an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely i Ahaba, mihoatra noho ny mpanjaka rehetran’ny Israely izay talohany. 34  Tamin’ny andron’i Ahaba no nanorenan’i Hiela Betelita an’i Jeriko. Koa maty i Abirama lahimatoany noho ny nanaovany ny fototra, ary maty i Segoba faralahiny noho ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Josoa zanak’i Nona.+

Fanamarihana