Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO

Naharaka Fivoriamben’ny Vondrom-paritra

Naharaka Fivoriamben’ny Vondrom-paritra

1 AOGOSITRA 2021

 Niavaka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2020, satria io no voalohany natao video dia navoaka tamin’ny alalan’ny Internet! Dia afaka naka an’ilay izy daholo ny olona eran-tany. Ny ankamaroan’ny mpiara-manompo amintsika tany Malawi sy Mozambika anefa nanaraka an’ilay fandaharana na dia tsy nampiasa Internet aza. Fa nahoana?

 Neken’ny Komitin’ny Mpandrindra sy ny Komitin’ny Fampianarana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana hoe halefa amin’ny alalan’ny tele sy radio ilay fivoriambe, tany Malawi sy Mozambika. Tsy maintsy natao izany satria tena lafo be ny saran’ny Internet any Malawi, ka vitsy ny Vavolombelona afaka mampiasa azy io. Hoy i William Chumbi, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Malawi: “Tamin’ny alalan’ny radio sy tele ihany no azo nizarana an’ilay sakafo ara-panahy tamin’ireo rahalahy sy anabavy.” Hoy i Luka Sibeko, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Malawi koa: “Raha tsy afaka nanaraka an’ilay izy tamin’ny tele sy radio izahay, dia vitsy kely ny rahalahy atỳ nandray soa tamin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra.” Any Mozambika koa, dia vitsy ny Vavolombelona afaka mividy fitaovana elektronika tsaratsara, mainka moa fa hoe hampiasa Internet.

Inona avy ny lamina natao?

 Efa nandefa ny fivorian’ny fiangonana ny tele sy radio sasany, noho ny fiparitahan’ny COVID-19. a Nangataka tamin’ireny mpandefa tele sy radio ireny àry ny rahalahintsika raha mba azo alefa koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra.

 Nisy olana anefa tany Malawi. Adiny iray ihany matetika no omen’ny tele sy radio ho an’ny mpanjifa. Matahotra mantsy ry zareo sao tsy hahaliana ny olona ny fandaharana iray raha lava be. Nohazavain’ireo rahalahy anefa hoe mahasoa ny olona rehetra ny asa ataontsika. Na ao anatin’ny fihibohana aza, dia mizara vaovao tsara mampahery avy ao amin’ny Baiboly isika, ka izany dia manampy ny olona ho lasa olom-pirenena vanona sy manampy ny fianakaviana ho sambatra. Nanaiky handefa ny fivoriambe koa àry ny tele sy radio, rehefa niresahana an’izany.

 Tele iray sy radio iray mandeha eran’i Malawi no nandefa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany, ka olona an-tapitrisany no mety ho afaka nanaraka an’ilay izy. Tany Mozambika kosa, dia tele iray sy radio 85 no nandefa an’ilay izy.

 Nahatratra 28 227 dolara b ny tontalin’ny vola naloa tamin’ny nandefasana an’ilay fandaharana tamin’ny tele, ary efa ho 20 000 dolara no naloa tamin’ny radio, tao amin’ireo firenena roa ireo. Nanomboka tamin’ny 15 dolara no naloa (tamin’ny mpandefa radio tsy dia lasa lavitra), ka hatramin’ny 2 777 dolara (tamin’ny radio mandeha manerana ny firenena iray).

 Niezaka nampiasa tamin’ny fomba tsara indrindra ny fanomezan’ireo rahalahy ry zareo any Malawi sy Mozambika. Niady varotra, ohatra, ry zareo tany Malawi, dia nahazo fihenam-bidy, ary nisy aza hatramin’ny 30 isan-jato mihitsy. Afaka nitsitsy 1 711 dolara àry ry zareo. Nisy nanome fihenam-bidy koa ny tany Mozambika, satria malaza ho manao ny marina sy manaja fotoana isika Vavolombelon’i Jehovah, rehefa hoe handoa vola.

Be dia be no nankasitraka

 Tena nankasitrahan’ny rahalahintsika ny nijery an’ilay fivoriambe tamin’ny tele na nihaino an’ilay izy tamin’ny radio. Hoy i Patrick, anti-panahy any Malawi: “Isaorana ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana fa tena niahy anay nandritra an’ilay valanaretina.” Hoy i Isaac, avy any Malawi koa: “Tsy manana fitaovana elektronika izahay, dia tena faly noho ilay fiahiana manokana nasehon’ny fandaminan’i Jehovah taminay, dia afaka nihaino an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny radio izahay. Nandray soa tamin’ilay fivoriambe àry izahay mianakavy. Hitanay tamin’iny hoe tian’i Jehovah ny vahoakany.”

 Sambany nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra ny mpitory iray any Mozambika, tamin’ny 2020. Hoy izy: “Afaka nijery an’ilay fivoriambe tamin’ny tele izahay. Nampahatsiahy an’ahy izany hoe i Jehovah no Andriamanitra mahery indrindra. Tsy nahasakana azy tsy hanome sakafo ara-panahy ho anay ilay valanaretina, sady amin’izay indray narosony tato an-tranoko mihitsy ilay izy. Hitako tamin’izany hoe mifankatia ny vahoakan’i Jehovah. Resy lahatra aho hoe ity no fivavahana marina.”

 Hoy ny anti-panahy iray antsoina hoe Wyson: “Tiako ny hisaotra ny mpanompo mendri-pitokisana noho izy ireo niahy anay nandritra an’ilay valanaretina. Mahantra ny firenenay, dia be dia be izahay no sahirana ara-bola nefa afaka nanaraka an’ilay fivoriambe, rehefa nalefa tamin’ny radio sy tele ilay izy.”

 Mbola neken’ny Komitin’ny Mpandrindra sy ny Komitin’ny Fampianarana indray hoe halefa amin’ny tele sy radio tany amin’ny toerana sasany ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2021. Avy aiza ny vola nisahanana ny lany tamin’izany? Avy ao amin’ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany. Betsaka no manao an’ireny fanomezana ireny amin’ny alalan’ny donate.jw.org. Misaotra amin’ny fanomezana be dia be ataonareo.

a Neken’ny Komitin’ny Mpandrindra ny handefasana ny fivorian’ny fiangonana tamin’ny tele sy radio tany amin’ny toerana sasany, nandritra an’ilay valanaretina COVID-19. Nandray soa tamin’izany fandaharana izany àry ireo tsy afaka niditra tamin’ny fivorian’ny fiangonany na tsy afaka naka fivoriana tao amin’ny JW Stream, satria tsy misy Internet sy réseau any an-toerana, na lafo be ny sarany. Tsy natao ho an’ny rahalahy afaka miditra amin’ny fivorian’ny fiangonany amin’ny alalan’ny Internet kosa io fandaharana io.

b Dolara amerikanina ny dolara rehetra resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.