Hijery ny anatiny

Misy Amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina Izao ny Genesisy

Misy Amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina Izao ny Genesisy

FALY be ireo marenina ka nanofahofa tanana, rehefa natao ilay fampandrenesana hoe: “Faly izahay mampahafantatra anareo fa efa nanomboka nadika ho amin’ny tenin’ny tanana ny boky sasany ao amin’ny Soratra Hebreo [Testamenta Taloha], ary efa vita ny video misy ny bokin’ny Genesisy!”

Nandritra ny lahateny farany, tamin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah vao haingana tamin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina, no nanaovana an’izany fampandrenesana izany.

Tamin’ny 2005 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanomboka nandika Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ho amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina. Natomboka tamin’ny bokin’i Matio izany, ary tamin’ny 2010 no voadika ireo boky 27 fantatry ny besinimaro amin’ny hoe Testamenta Vaovao.

Efa nandika ampahany amin’ny Baiboly ho amin’ny tenin’ny tanana dimy hafa koa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no misahirana manao an’izany? Takatr’izy ireo hoe teny fampiasan’ny mandre no misoratra ao amin’ireo zavatra vita pirinty, nefa marenina maro no mbola tsy nahay an’ilay fiteny mihitsy. Rehefa mahazo Baiboly mazava tsara sy amin’ny fiteny mahazatra azy ary marina tsara àry ireo marenina, dia betsaka kokoa no mahazo an’izay voalaza ao sy afaka mifandray akaiky amin’Andriamanitra. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’izy ireo nahazo an’ilay Baiboly?

Hoy ny tovolahy marenina iray: “Rehefa nivoaka ny bokin’i Matio, taona vitsivitsy lasa izay, dia hoatran’ny hoe nanome toky ahy indray i Jehovah Andriamanitra hoe tiany aho. Vao mainka aho nahatsapa an’izany rehefa nivoaka ny Genesisy. Tena ataon’i Jehovah izay hahafantarako azy.”

Hoy koa ny vehivavy marenina iray: “Mazava be ilay tenin’ny tanana sady feno fihetseham-po! Lasa tiako be ny Baiboly. Tsapako hoe tian’i Jehovah hovakiko ny andininy tsirairay miaraka amin’ny teny manodidina, amin’izay aho mahafantatra azy tsara kokoa. Mazava be ilay izy ka manohina ny foko, sady manampy ahy mba hahay hamoaka tsara ny fihetseham-poko rehefa mivavaka.”