Hijery ny anatiny

Nampiana ny Tanora mba Tsy Hatahotra ny Mpampijaly Kely any An-tsekoly

Nampiana ny Tanora mba Tsy Hatahotra ny Mpampijaly Kely any An-tsekoly

Mipetraka any Grande-Bretagne i Hugo, ankizilahikely folo taona. Vao tsy ela izay, dia nahazo mari-pankasitrahana avy tamin’ny fikambanana iray mpanao asa soa izy, satria nanampy ankizy tany am-pianarana mba tsy hatahotra mpampijaly kely.

Hoy izy: “Tsy nahazo an’io mari-pankasitrahana io aho raha tsy nisy an’ilay video hoe Ahoana no Hanoherana ny Mpampijaly Nefa Tsy Hamono Azy? Tsy ho haiko ny nanampy an’ireo ankizy mba tsy hatahotra mpampijaly kely raha tsy nijery an’io video io tao amin’ny jw.org aho.”

‘Ankizy be dia be eran-tany no misy mampijaly, isan-andro. Misy zavatra azonao atao anefa mba hiatrehana an’izany.’ (Nalaina avy tamin’ilay video hoe Ahoana no Hanoherana ny Mpampijaly Nefa Tsy Hamono Azy?)

Nasehon’i Hugo tamin’ny mpampianatra azy aloha ilay video momba ny mpampijaly kely. Tena tian-dry zareo ilay izy, ka nataony izay hahafahan’ny mpianatra rehetra hahita ny jw.org. Betsaka izao ny ankizy valo ka hatramin’ny folo taona any am-pianaran-dry Hugo, lasa tia mampiasa ny jw.org. Nilaza izy ireo fa tsy hoe nanampy azy ireo hiatrika olana toy ny fampijaliana kely fotsiny ilay izy, fa nanampy azy ireo koa mba hahita ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe: Ahoana no hahazoako tena namana?

Mandray soa ny tanora

Nampijalin’ny mpampijaly kely tany am-pianarana koa i Elijah, ankizilahy valo taona any Grande-Bretagne. Niara-nijery an’ilay video hoe Ahoana no Hanoherana ny Mpampijaly? àry izy sy ny fianakaviany. Niara-nanao fanazaran-tena izy ireo mba ho hain’i Elijah izay holazaina sy hatao rehefa misy mampijaly. Lasa natoky tena izy ka nahavita niatrika an’ilay izy. Nisy herinandro natokana hiadiana amin’io olana io, tatỳ aoriana, ka nampiseho an’ilay video tao an-tsekoly ny talen’ilay sekoly misy an’i Elijah.

Tsy hoe any Grande-Bretagne ihany no misy mpampijaly kely fa eran-tany mihitsy. Tena manampy ny tanora àry ilay video hoe Ahoana no Hanoherana ny Mpampijaly Nefa Tsy Hamono Azy?

Mipetraka any Etazonia i Ivie, ankizivavikely folo taona. Natahotra foana an’ilay ankizivavy mpiara-mianatra taminy izy, satria nampijaly azy foana izy io. Lasa tsy natahotra an’ilay ankizy intsony anefa izy rehefa avy nijery an’ilay video hoe Ahoana no Hanoherana ny Mpampijaly? Niresaka tamin’ny mpampianatra azy koa izy ka nahazo fanampiana. Niala tsiny tamin’i Ivie ilay ankizivavy nampijaly azy ary mifanaraka tsara izao izy ireo.

Tena mitady izay hahasoa ny tanora izahay Vavolombelon’i Jehovah. Mbola hamoaka torohevitra mahasoa foana izahay mba hanampy azy ireo hiatrika olana fahita andavanandro, toy ny mpampijaly kely.