Hijery ny anatiny

Fanitarana any Wallkill: Tahirin-tsary 1 (Jolay 2013 ka Hatramin’ny Oktobra 2014)

Fanitarana any Wallkill: Tahirin-tsary 1 (Jolay 2013 ka Hatramin’ny Oktobra 2014)

Manitatra sy manavao an’ireo trano ampiasainy any Wallkill, Etazonia, ny Vavolombelon’i Jehovah. Hita ato ny asa natao nanomboka tamin’ny Jolay 2013 ka hatramin’ny Oktobra 2014. Kasaina ho vita amin’ny Novambra 2015 ilay tetikasa.

Ireo trano ao Wallkill, jerena avy eny ambony, tamin’ny 21 Oktobra 2013.

  1. Trano fitotoana voamadinika (noravana tamin’ny Janoary 2014)

  2. Trano fanasan-damba sy fanaovana nettoyage à sec

  3. Efitra fisakafoana

  4. Trano fonenana E

  5. Birao

  6. Trano fanontam-pirinty

  7. Renirano Shawangunk Kill

12 Jolay 2013: Trano fanasan-damba sy fanaovana nettoyage à sec

Nitarina ilay trano. Milina fibatana entana no nampiasaina hametrahana an’ireo rindrina. Efa namboarina mialoha teo an-toerana ireo rindrina ireo.

19 Jolay 2013: Trano fonenana E

Mpiasa mametraka plastika lavalava misy fibra karbonina, eo amin’ny gorodona simenitra. Nahatratra 7600 metatra teo ho eo ilay plastika nampiasaina. Natao izany mba hahazaka horohoron-tany kokoa ilay trano.

5 Aogositra 2013: Trano fonenana E

Nohatsaraina ireo biriky eo amin’ny rindrina.

30 Aogositra 2013: Trano fanasan-damba sy fanaovana nettoyage à sec

Natsangana ireo andry vy ho an’ilay efitra vaovao hasiana an’ireo fitaovana mampandeha ny milina fanasan-damba.

17 Septambra 2013: Trano fonenana E

Mpiasa manapaka an’ilay sarona miaro ny tafo tsy hitete.

15 Oktobra 2013: Trano fonenana E

Mpiasa manamarina sao dia misy babangoana ao amin’izay toerana nasiana plastika misy fibra karbonina. Raha misy babangoana ilay izy dia ampiana an’ilay plastika indray.

15 Novambra 2013: Trano fanasan-damba sy fanaovana nettoyage à sec

Eny ambony tafo, mametraka fitaovana mpitroka rivotra maloto avy ao anaty trano.

9 Desambra 2013: Trano fonenana E

Mametaka lakaoly eo amin’izay triatra amin’ny valindrihana simenitra. Naharitra herintaona sy tapany teo ho eo ny asa natao mba hahatonga an’ilay trano hahatanty horohoron-tany.

11 Desambra 2013: Trano fanasan-damba sy fanaovana nettoyage à sec

Mpiasa mikarakara ny toerana hasiana ny fitaovana mpitroka rano maloto.

10 Janoary 2014: Trano fitotoana voamadinika

Noravana ilay fanatobiana voa. Tamin’ny 1960 tany ho any ka hatramin’ny 2008 tany ho any izy io no nampiasaina. Tsy nampiasaina intsony izy io avy eo satria tsy niompiana akoho sy ombivavy be ronono ary kisoa intsony tao Wallkill.

22 Janoary 2014: Birao

Nesorina ny seza tao amin’ilay efitrano lehibe satria hohavaozina tanteraka izy io.

29 Janoary 2014: Trano fitotoana voamadinika

Ireo fasiana voa ireo taloha no nampiasaina mba hitehirizana ny sakafom-biby.

3 Martsa 2014: Trano fanontam-pirinty

Trano vaovao hanaovana fampiofanana ara-teknika.

4 Jolay 2014: Birao

Mpanao sodiora manamafy andry vy.

19 Septambra 2014: Efitra fisakafoana (Trano fonenana E)

Asiana môkety ilay toerana nisakafoanan’ny mpanao fanorenana.

22 Septambra 2014: Trano fonenana E

Mamarana ny lalotra ao ambany rihana.

24 Septambra 2014: Birao

Mametaka vy fanatanjahana eo amin’ny lalana holalovan’ilay ascenseur vaovao.

2 Oktobra 2014: Efitra fisakafoana (Trano fonenana E)

Lasa mahazaka olona 1980 ilay efitra fisakafoana rehefa nitarina.

22 Oktobra 2014: Birao

Manao lavaka mba hanitarana ny fototr’ilay andry. Natao izany mba hahatanty horohoron-tany kokoa ilay trano.