Hijery ny anatiny

Fanorenana any Warwick: Tahirin-tsary 1 (Mey ka Hatramin’ny Aogositra 2014)

Fanorenana any Warwick: Tahirin-tsary 1 (Mey ka Hatramin’ny Aogositra 2014)

Manorina ny foibeny vaovao any Warwick, any Etazonia, izao ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena niavaka ny fandrosoan’ny asa tamin’ny Mey ka hatramin’ny Aogositra 2014, rehefa jerena ny fanorenana ny garazy, ny trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa, ary ny trano fonenana C sy D. Aseho ato ny sasany tamin’ny asa vita, nandritra an’ireo volana ireo.

Toy izao ireo trano any Warwick rehefa vita.

  1. Garazy

  2. Parking ho an’ny mpitsidika

  3. Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona miasa ao amin’ilay foibe

  4. Trano fonenana B

  5. Trano fonenana D

  6. Trano fonenana C

  7. Trano fonenana A

  8. Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

1 Mey 2014: Toeram-panorenana any Warwick

Tazana avy eo amin’ny ilany atsimoandrefana, ary mitodika mianavaratra any amin’ny Farihy Sterling Forest (Farihy Manga). Ny fanorenana ny lakalin’ny trano fonenana D no hita eto aloha. Erỳ akaikin’ilay farihy kosa ny trano fonenana C, ary efa manamboatra ny lasitra handrotsahana ny rihitra simenitra eo amin’izy io ireo mpanao fanorenana.

14 Mey 2014: Toerana fanamboaran-javatra any ivelan’i Warwick

Amboarina mialoha ny efitra fandroana. Anisan’izany ny rindrina platra, fantsona handehanan’ny rano, fantsona mitondra herinaratra, fitaovana mampiditra rivotra, ary ny toerana hasiana ny kovetabe fandroana. Rehefa apetaka any amin’ilay trano hisy azy ilay efitra fandroana vao tena vita tanteraka.

22 Mey 2014: Garazy

Aseho eto ireo mpikarakara fantson-drano, miasa ao amin’ny lakaly. Hatao efitra fisakafoana ho an’ny mpiasa 500 eo ho eo io toerana io mandritra ny fanorenana. Mbola hasiana toerana hafa hisakafoan’ny olona 300 koa ao amin’io tranobe io. Tsy hatao efitra fisakafoana intsony izy ireo, rehefa akaiky ho vita ny asa fanorenana, fa hatao garazy amin’izay.

2 Jona 2014: Garazy

Mpiasa manisy tany efa voakarakara manokana mba hampaniriana zava-maitso. Mikajy ny tontolo iainana ireny zava-maitso maniry eny ambony tafo ireny, satria mampihena ny angovo ilaina sy ny rano miraraka avy any amin’ny tafo, ary mitroka ny loto avy amin’ny orana.

5 Jona 2014: Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

Trano telo mifampitohy izy io, ary mahatratra 42000 metatra toradroa ny velaran’izy telo mitambatra. Mpanao fanorenana tsy Vavolombelon’i Jehovah ireo olona ireo ary mametaka ny vy hanatanjahana ny andry.

18 Jona 2014: Garazy

Mpiasa mametaka tafo. Godorao no mampiraikitra an’ilay izy, ka fitaovana mandeha amin’ny gazy no ampiasain’izy ireo mba hampiraikitra azy. Efa misy tady fiarovana eo amin’ireo mpiasa, amin’izay izy ireo tsy mianjera.

24 Jona 2014: Trano fonenana C

Efa namboarina mialoha ny fantsona mitondra herinaratra sy ireo fitaovana manafana sy mampangatsiaka trano, ary apetaka fotsiny izy eto. Vehivavy ny 35 isan-jaton’ireo Vavolombelon’i Jehovah miasa any Warwick.

11 Jolay 2014: Montgomery, any Etazonia

Tamin’ny Febroary 2014 io trano io no novidina mba hahafahana mamita an’ilay tetikasa. Fanatobiana entana izy io, ary ao koa no atao ireo zavatra mila amboarina mialoha. Mirefy 20000 metatra toradroa izy io. Efitra fandroana efa vita sy efa azo alefa ireo zavatra fotsifotsy eo ambony ankavanana.

24 Jolay 2014: Trano fonenana C

Aseho eto anoloana ny ilany avaratratsinanana amin’ny trano fonenana C. Olona 200 eo ho eo, izay hiasa ao amin’ilay foibe vaovao, no hipetraka ao amin’io trano io. Mahatratra 30 ka hatramin’ny 55 metatra toradroa ny efitrano tsirairay, ary ahitana lakozia kely, efitra fandroana, ary lavarangana kely.

25 Jolay 2014: Trano fikojakojana/Parking ho an’ny olona miasa ao amin’ilay foibe

Fanomanana an’ilay toeram-panorenana. Erỳ ambony ankavia misy mpamaky vato, mba hahazoana vato hampiasaina amin’ilay tetikasa. Ranon-tany 260000 metatra toratelo no hesorina eo amin’ilay toeram-panorenana any Warwick, mandra-pahavitan’ilay tetikasa. Kamiao mpitaona tany miisa 23 eo ho eo no ampiasaina isan’andro.

30 Jolay 2014: Garazy

Mpiasa mamboly zavamaniry eo ambony tafo.

8 Aogositra 2014: Toeram-panorenana any Warwick

Tazana avy eny amin’ny tendron’ny fitaovana lehibe iray fampakarana entana, ary mitodika any atsimoandrefana avy eo amin’ny trano misy ny birao. Hita eto ambany ankavia ny parking ho an’ny mpitsidika, izay efa vita. Ny fiaran’ireo mpanao fanorenana no mameno azy io, isan’andro. Mandeha fiara ao anatin’ny adiny 12 ny Vavolombelona sasany rehefa hanao asa an-tsitrapo any, nefa telo na efatra andro ihany izy ireo no mijanona any.

13 Aogositra 2014: Garazy

Mpiasa mamita an’ilay efitra fisakafoana vonjimaika. Hasiana efijery sy fanamafisam-peo ao, amin’izay ireo mpanao fanorenana afaka manaraka mivantana ny fotoam-pivavahana maraina sy ny fandaharana ara-panahy hafa avy any amin’ny biraon’ny sampan’i Etazonia.

14 Aogositra 2014: Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

Mpiasa mandraraka rihitra simenitra hatao dalazy ao ambany rihana. Eo ankavanana misy mpiasa mampiasa fitaovana manokana, mba ho azo antoka hoe mifatratra tsara ilay rihitra simenitra.

14 Aogositra 2014: Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

Eo afovoan’ilay trano no misy an’ireo fantsona mitondra herinaratra ireo, izay efa hasitrika ao amin’ny toerany ao ambany dalazy.

14 Aogositra 2014: Trano misy an’ireo birao sy sampan’asa samihafa

Efa ho vita ny dalazy ao ambany rihana. Teo no nandrotsahana rihitra simenitra be indrindra hatramin’ny nanombohan’ilay tetikasa, satria nahatratra 540 metatra toratelo izany. Efa misy fitaovana manamboatra rihitra simenitra eo amin’ilay toeram-panorenana. Valo ny isan’ny kamiao mpitatitra sady mpanafangaro rihitra simenitra, ary roa ny kamiao mpandrotsaka an’izany. Adiny dimy sy sasany teo ho eo no nandrotsahana an’ireo rihitra. Tohatra no ao anatin’io hoatran’ny trano eo afovoan’ny sary io.

14 Aogositra 2014: Trano fonenana C

Manamboatra ny arofanina amin’ny tafo. Aseho erỳ ambany ny fanorenana ny lakalin’ny trano fonenana A.

15 Aogositra 2014: Trano fonenana C

Efitra fandroana namboarina mialoha, nampiakarina tany amin’ny rihana faharoa. Maro amin’ny zavatra ilaina amin’ilay fanorenana any Warwick no amboarina mialoha any an-toeran-kafa. Mampihena ny isan’ny olona sy ny fitaovana eo an-toerana izany sady manafaingana ny asa.

20 Aogositra 2014: Trano fonenana C

Mpiasan’ny orinasa mametaka rindrina efa namboarina mialoha. Vita amin’ny rihitra simenitra efa miloko ilay rindrina, ka tsy mila lokoana intsony sady tsy ilana fikojakojana be. Mora apetaka koa ilay izy, ary manampy hamitana an’ilay tetikasa ara-potoana izany.

31 Aogositra 2014: Toeram-panorenana any Warwick

Tazana avy eo amin’ny ilany atsimoandrefana. Hita eto aloha ny trano fonenana D, ary efa manamboatra ny lasitra handrotsahana ny rihitra simenitra ho an’ny rihana manaraka ireo mpanao fanorenana. Ny trano fonenana C kosa no eo aoriana, ary efa ho vita ny fananganana azy.