Hijery ny anatiny

Efitrano Fanjakana 1000 ary Tsy Mijanona Hatreo

Efitrano Fanjakana 1000 ary Tsy Mijanona Hatreo

Niavaka ny Aogositra 2013 ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines. Nahatratra arivo ny Efitrano Fanjakana naorina tany tamin’io. Toy ny any amin’ny tany maro dia matetika ny fiangonana any Philippines no mila fanampiana, satria tsy manana vola ampy hanorenana Efitrano Fanjakana sady tsy ampy fahaizana hanaovana fanorenana. Nivory tany an-tranon’olona na tany amin’ny trano kely vita amin’ny bararata izy ireo hatramin’izay.

Mitombo foana ny Vavolombelon’i Jehovah any Philippines sy any amin’ny tany maro hafa, ka mihabetsaka ny Efitrano Fanjakana ilaina. Nanao fandaharana àry ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1999, mba hanorenana Efitrano Fanjakana any amin’ny tany mahantra. Manome izay azony omena ny Vavolombelona eo an-toerana, ary ampifanampiana amin’ny vola omen’ny avy any an-tany hafa izany. Zarazaraina ho ekipa maromaro ny mpanao fanorenana za-draharaha mba hanampy ny fiangonana hanorina Efitrano Fanjakana. Tamin’ny Novambra 2001 io fandaharana iraisam-pirenena io no natomboka tany Philippines.

Tao Marilao, any Bulacan, no naorina ilay Efitrano Fanjakana faharivo. Vavolombelon’i Jehovah any i Iluminado. Hoy izy: “Tsapako hoe tena mifankatia isika Kristianina. Be dia be no niasa an-tsitrapo, na lahy na vavy, na tanora na antitra. Nigaingaina be ny masoandro ary reraka izahay rehefa avy niasa mafy nandritra ny andro. Tena faly anefa izahay rehefa nijery ny zavatra niarahanay nanao.”

Gaga koa ireo tsy Vavolombelona mahita an’ireo mpiasa an-tsitrapo. Hoy ny rangahy iray tompona kamiao mpanatitra fasika sy vatokely: “Tena be dia be hoatran’ny vitsika ianareo, sady mifanampy daholo. Mbola tsy nahita hoatr’izao aho.”

Ilay Efitrano Fanjakana efa vita

Tsy ampy iray volana sy tapany dia vitan’ireo mpiasa an-tsitrapo ilay trano. Afaka nandray anjara feno tamin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra foana àry ilay fiangonana, satria vetivety dia vita ny fanorenana an’ilay Efitrano Fanjakana.—Matio 24:14.

Nilaza koa ny Vavolombelona iray hafa atao hoe Ellen: “Tsy antonona anay rehetra ilay Efitrano Fanjakana taloha ka be dia be no tsy maintsy nipetraka tany ivelany. Tsara tarehy ilay Efitrano Fanjakana vaovao sady mampahazo aina be. Vao mainka àry izahay mandray soa avy amin’ny fampianarana sy fampaherezana any am-pivoriana.”