Hijery ny anatiny

SINGAPOUR

Gadraina Noho ny Finoany: Singapour

Gadraina Noho ny Finoany: Singapour

Tovolahy valo Vavolombelon’i Jehovah izao no migadra any Singapour, satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Migadra fanindroany ny telo amin’izy ireo satria tsy nety niova hevitra rehefa avy nogadraina. Tsy misy dingana azon’ireo tovolahy ireo arahina any Singapour mba hahafahany miaro ny zony. Manery ny olona hanao miaramila mantsy ny fitondrana any, ary tsy manaiky hoe manan-jo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny olona.

Rehefa feno 18 taona ny tovolahy any Singapour, dia takin’ny lalàna ny hidirany ao amin’ny tafika. Gadraina herintaona, fara fahelany, any amin’ny toby miaramila izy raha tsy manaiky hanao an’izany noho ny feon’ny fieritreretany. Hafahana izy aorian’izay, ary terena hanao akanjona miaramila sy hiofana ho miaramila. Raha mbola mandà izy dia gadraina herintaona sy tapany indray, fara fahelany. Migadra indroa àry ny tovolahy Vavolombelon’i Jehovah any, ary mety hahatratra roa taona sy tapany ny saziny rehefa atambatra.

Tsy manaiky izay lazain’ny ONU i Singapour

Efa ela ny Firenena Mikambana no nangataka an’ireo firenena mpikambana ao aminy mba ‘hanaiky hoe mampihatra ny zony ny olona iray raha tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Manan-jo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretany ary hanana ny fivavahany mantsy izy, araka ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona.’ Tsy manaiky an’izany i Singapour, na dia efa nanomboka tamin’ny 1965 aza izy no mpikambana tao amin’ny Firenena Mikambana. Nanoratra ho an’ny Vaomieran’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona ny manam-pahefana iray any Singapour, tamin’ny 24 Aprily 2002. Hoy izy: “Raha manohintohina [ny fiarovam-pirenena] ny fivavahan’ny olona iray na ny zavatra ataony, dia manan-jo hitandro ny filaminam-pirenena ny fanjakana ary tsy misy mahazo manohitra an’izany.” Nilaza mazava koa izy hoe: “Tsy ekenay hoe mihatra amin’ny firenena rehetra ny zo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretana.”

Zava-nitranga

  1. 21 Mey 2024

    Vavolombelon’i Jehovah valo no migadra satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

  2. 24 Aprily 2002

    Nanamafy ny manam-pahefana any Singapour fa tsy eken’izy ireo hoe manan-jo tsy hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny olona any.

  3. Febroary 1995

    Mihabetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah ampijalina sy samborina any Singapour.

  4. 8 Aogositra 1994

    Nolavin’ny Fitsarana Avo any Singapour ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hampakatra fitsarana ambony kokoa.

  5. 12 Janoary 1972

    Nesorin’ny fanjakana any Singapour tsy ho anisan’ny fivavahana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah.