Hijery ny anatiny

Fianakaviana any Sierra Leone, miaraka amin’ilay Soratra Grika Kristianina amin’ny teny krio, taoriana kelin’ilay lahateny tamin’ny tele

4 MEY 2020
SIERRA LEONE

Efa Misy Amin’ny Teny Krio Izao Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tany Sierra Leone Tamin’ny Tele sy Radiom-pirenena

Efa Misy Amin’ny Teny Krio Izao Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka tamin’ny 26 Aprily 2020 Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny krio. Faly be daholo ireo mpitory 2 000 mahery mampiasa an’io fiteny io any Sierra Leone.

Fotoan-dehibe io nefa tsy afaka nanao fivoriana manokana ny mpiara-manompo amintsika any, satria noraran’ny fanjakana ny famoriam-bahoaka mba hisorohana ny fiparitahan’ny coronavirus. Be dia be koa ny mpitory tsy manana fitaovana elektronika any Sierra Leone, indrindra fa ireo any ambanivohitra. Tsy nety koa àry raha nalefa mivantana ilay fandaharana mba harahin’ny rahalahy sy anabavy amin’ny fitaovana elektronika.

Rahalahy Alfred Gunn, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Liberia, namoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny krio

Vokatr’izany rehetra izany, dia nanome alalana ny Komitin’ny Sampan’i Liberia, izay miandraikitra ny asa any Sierra Leone, ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana, mba hanomana lahateny fohy momba ny fivoahan’ilay Baiboly sy haka video an’ilay lahateny. Nasaina nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny tele na radio ny mpitory avy eo, nefa tsy nampahafantarina hoe hisy Baiboly vaovao hivoaka.

Nohidiana anaty valopy ilay Baiboly vaovao, ary naterina tany an-tranon’ny mpitory, andro vitsivitsy talohan’ilay fandaharana. Nisy soratra tamin’ilay izy hoe tsy azo sokafana raha tsy aorian’ilay fandaharana manokana.

Hoy ny Ranabavy Megan Diaz, mpanitatra faritany any Sierra Leone, raha vao nivoaka ilay Baiboly: “Niantso ahy ilay vehivavy ampianariko Baiboly. Nilaza izy hoe nohenoiny ilay lahateny ary faly be izy hoe nomen’i Jehovah an’ilay Baiboly vaovao! Hampiasa an’io Baiboly vaovao io izahay rahampitso rehefa hianatra.”

Mpianatra Baiboly miteny krio i Tounkara. Nilaza io lehilahy io hoe: “Tena hita amin’io Soratra Grika Kristianina amin’ny teny krio io hoe tian’i Jehovah haheno ny hafatra avy aminy ny olon-drehetra. Ny tanjony tsy hoe hianatra fotsiny ny olona, fa hahazo tsara an’ilay izy dia ho afaka hampianatra ny zanany. Faly be mihitsy aho hoe misy amin’ny fiteniko io Baiboly vaovao io!”

Teny kreôla avy amin’ny teny anglisy ny krio, ary ny ankamaroan’ny olona any Sierra Leone no mampiasa azy. Mpandika teny efatra no nandika ny Soratra Grika Kristianina ho amin’ny teny krio, nandritra ny roa taona sy tapany. Nanomboka tamin’ny alatsinainy 27 Aprily izy io no azo alaina avy ao amin’ny jw.org.

Miara-paly amin’ireo rahalahy sy anabavintsika any Sierra Leone isika noho io Soratra Grika Kristianina amin’ny teny krio io. Tena ‘fanomezana tsara sy tonga lafatra’ avy amin’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, izy io.—Jakoba 1:17.