Hijery ny anatiny

Ranabavy Irina Mikhaylenko

9 DESAMBRA 2022 | VAOVAO FARANY: 25 APRILY 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: MANDOA LAMANDY ILAY ANABAVY | “Mivavaka Amin’ny Fo no Tena Manampy Ahy”

VAOVAO FARANY: MANDOA LAMANDY ILAY ANABAVY | “Mivavaka Amin’ny Fo no Tena Manampy Ahy”

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Metallurgicheskiy, any Tcheliabinsk, ny Ranabavy Irina Mikhaylenko tamin’ny 25 Aprily 2023. Asaina mandoa lamandy 120 000 rouble (6 tapitrisa ariary mahery) izy.

Ilay voampanga

Mampahery antsika ny fahazotoan’i Irina sy ny fatokisany an’i Jehovah. Mbola manohy “miaro ny ain’izay tsy mivadika aminy” foana i Jehovah.​—Salamo 97:10.

Zava-nitranga

  1. 26 Martsa 2019

    Nisava tranona fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah folo tany Tcheliabinsk ny mpanao fisavana. Anisan’ireo nosavana koa ny tranon’i Irina

  2. 31 Aogositra 2021

    Voampanga hoe mpanao heloka bevava

  3. 22 Oktobra 2021

    Naverina nosavana ny tranony. Nalaina mba hatao fanadihadiana izy. Tsy nahazo niala ny faritra nisy azy

  4. 27 Oktobra 2021

    Voaheloka satria nandray anjara tamin’ny asa ataon’ny fikambanana ara-pivavahana voarara

  5. 7 Septambra 2022

    Nanomboka notsaraina