Gadraina Noho ny Finoany: Rosia
Rehefa jerena ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia, dia hita hoe nampijalina sy nenjehina foana ry zareo. Nataon’ny manam-pahefana rosianina tsindry hazo lena izy ireo nandritra ny taonjato faha-20, nefa dia malaza hoe olona tia fihavanana sy olom-pirenena mpankatò lalàna. Tian’ny mpitondra tao amin’ny Firaisana Sovietika hoterena hanaraka ny fomba fiheviny ry zareo. Tsy navela hanana Baiboly sy boky ara-pivavahana ry zareo. Narahi-maso foana ry zareo dia tsy maintsy niafina rehefa nanao fivoriana. Novonovonoina sy nomelohina higadra ela be izay tratra. An’arivony no nalefan’ny fitondrana sesitany tany Siberia.
Niova anefa izany tamin’ny 1991. Neken’ny fanjakana rosianina ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah dia navela malalaka ry zareo hanaraka ny fivavahany. Tsy naharitra ela anefa izany.
Namoaka didy ny fitsarana ambaratonga voalohany hoe “mampidi-doza” ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Nanamafy an’izany didy izany ny Fitsarana Tampony Rosianina, tamin’ny 2009. Nanomboka ny fanenjehana sy ny fameperana samihafa. Naharitra taona maro ny ady teny amin’ny fitsarana, ary namoaka didy ny Fitsarana Tampony Rosianina tamin’ny Aprily 2017 hoe foanana ireo fikambanana ara-dalàna an’ny Vavolombelon’i Jehovah satria hoe manao asa mampidi-doza. Tonga dia nogiazan’ny manam-pahefana ny fananan’izy ireo, nakatony ny toeram-pivavahany, ary nolazainy fa “mampidi-doza” ny boky ara-pivavahana navoakan’izy ireo.
Tsy ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no nenjehin’ny manam-pahefana rosianina, fa ny Vavolombelon’i Jehovah isam-batan’olona koa. Manitatra izy ireo ka lazainy fa mifandray amin’ilay fikambanana voarara izay Vavolombelon’i Jehovah mampihatra ny zavatra inoany. Manao bemidina any an-tranon’izy ireo ny polisy dia mampijalijaly azy ireo sady masiaka rehefa maka am-bavany. Samborina, ambenana any an-tranony na tanana am-ponja vonjimaika, melohina, ary gadraina ry zareo na lahy na vavy, na firy taona na firy taona.
Taorian’ilay fandrarana tamin’ny Aprily 2017, dia Vavolombelon’i Jehovah an-jatony no efa notanana am-ponja vonjimaika na nogadraina satria nampangaina hoe mampidi-doza. Vavolombelon’i Jehovah 160 izao no migadra, araka ny tatitra azo hatramin’ny 17 Jona 2025.
Fitarainana momba ny fampijaliana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia
Mbola manameloka ny Vavolombelon’i Jehovah hoe manao asa mampidi-doza foana ny manam-pahefana rosianina, na dia efa betsaka aza ny fikambanana iraisam-pirenena manao fanambarana mba hatsahatra ny fanenjehana tsy misy farany ataony amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manameloka ny fitondrana rosianina ny mpandinika sy ny fitsarana mahalala ny zava-misy any Rosia, satria enjehin’ny fitondrana tsy misy farany ny Vavolombelon’i Jehovah.
Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona: Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, tamin’ny 7 Jona 2022, ary nomelohiny tamin’io didy io i Rosia satria manenjika Vavolombelon’i Jehovah (Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog sy ny Hafa miady amin’i Rosia, no. 32 401/10 sy 19 hafa). Nambaran’io Fitsarana io hoe tsy ara-dalàna ny nandraran’i Rosia ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2017. Nandidy an’i Rosia io fitsarana io mba “handray ny fepetra rehetra ilaina mba hanakatonana ny raharaha rehetra hanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah eny amin’ny fitsarana ... sy hanafahana ... ny Vavolombelon’i Jehovah [migadra].” Nasaina naverin’i Rosia koa ny trano sy tany rehetra nogiazany, na izy mandoa onitra 60 tapitrisa dolara mahery. Asainy mandoa onitra 3 tapitrisa dolara mahery amin’ireo nametraka fitarainana koa i Rosia.
Taratasy avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Filan-kevitra Eoropeanina: Izao no nosoratan’i Marija Pejčinović Burić ho an’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny rosianina, tamin’ny 9 Desambra 2022: “Momba an’ilay raharaha Vavolombelon’i Jehovah any Moscou sy any An-kafa ary any Krupko sy any An-kafa, hoe hofoanana ny fivavahan-dry zareo, ka lasa voarara ny zavatra ataony, tsy azony atao ny manao fankalazana mifandray amin’ny fivavahany, ary lasa tsy manana fahalalahana ny sasany amin’ny mpivavaka ao aminy, dia mampirisika mafy ny manam-pahefana ilay komity mba hanafoana an’ilay fandrarana atao amin’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ary hanajanona an’izay raharaha rehetra anamelohana an-dry zareo.”
Fanapahan-kevitry ny Komity Mpanara-maso ao amin’ny Filan-kevitra Eoropeanina: Nivory io Komity Mpanara-maso io tamin’ny Septambra 2023. Nilaza izy io fa “manahy mafy satria tena tsy noraharahian’ny manam-pahefana rosianina mihitsy ny [fitsipiky ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona] Andininy faha-46 amin’ny Fifanarahana, izay tsy azo ihodivirana, sy ny didy navoaka tamin’ny raharaha Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Taganrog sy ny Hafa, indrindra fa ny ... tokony hanafahana ny Vavolombelon’i Jehovah migadra.” “Nanapa-kevitra [àry ilay Komity] fa hitondra an’ireo raharaha ireo eo anatrehan’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona, sy ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny eo anivon’ny Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona ao Amin’ny Firenena Mikambana, ary ny fikambanana iraisam-pirenena hafa mandamina olana momba ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Federasionan’i Rosia. Ny tanjona dia ny hanatanterahan’i Rosia an’ireo didim-pitsarana navoaka.”
Santionany amin’ny didim-pitsarana tafahoatra tato ho ato
Tamin’ny 27 Martsa 2025, dia nisy lehilahy Vavolombelona efatra nomelohin’ny Fitsaran’i Konakovo, any amin’ny Faritr’i Tver. Ireto avy izy ireo: Oleg Katamov, Aleksey Kuznetsov, Aleksandr Shchetinin, ary Aleksandr Starikov. Meloka, hono, ry zareo satria niresaka momba ny Baiboly tamin’ny mpiray tanàna taminy sady nitarika fivoriana ara-pivavahana. Samy voaheloka higadra enin-taona izy efatra, ary vao vita ny fitsarana dia nentina tany am-ponja ry zareo.
Tamin’ny 3 Aprily 2025, dia namoaka didy ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Sovetskiy any Tcheliabinsk hoe meloka higadra enin-taona i Maksim Khamatshin. Meloka ho nitarika fivoriana ara-pivavahana i Maksim. Vao vita ny fitsarana dia nentina tany am-ponja izy.
Tamin’ny 30 Mey 2025, dia namoaka didy momba an’i Oleg Sirotkin, izay 60 taona, ny Fitsarana eo Anivon’ny Distrikan’i Leninski, any Tambov, hoe meloka higadra enin-taona i Oleg. I Nataliya no vadiny ary manan-janaka roa vavy ry zareo. Tamin’ny Septambra 2021 no tonga nanao savahao ny tranon-dry zareo tany Tambov ny manam-pahefana. Nampangaina hoe nandamina fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nandray anjara tamin’izany i Oleg. Raisin’ny manam-pahefana hoe manohy ny asan’ny fikambanana mampidi-doza izany. Vao vita ny fitsarana azy dia nentina tany am-ponja izy.
Mitohy ny ady atao amin’ny fanagadrana tsy ara-drariny
Manahy mafy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany amin’ny fampijalian’i Rosia ny namany any. Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany avy any amin’ny toerana samihafa no nandefa taratasy tany amin’ny manam-pahefana rosianina, mba hanafaka ny Vavolombelon’i Jehovah migadra. Nandefa fangatahana tany amin’ny ambaratonga samihafa amin’ny fitsarana any Rosia ny mpisolovavan’ireo Vavolombelon’i Jehovah migadra, ary nandefa fangatahana be dia be tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Nametraka fitarainana tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona sy ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankoatra izay, dia betsaka ny tatitra nalefan’izy ireo tany amin’ny fikambanana iraisam-pirenena samihafa mikarakara ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Mbola hanao ny fomba rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho fanta-poko fanta-pirenena ny manjo ny mpiara-mivavaka aminy any Rosia, amin’izay mba mitsahatra izao fanenjehana ny fivavahany izao.
Zava-nitranga
17 Jona 2025
Nisy 160 ny fitambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina.
6 Martsa 2025
Namoaka didy mahakasika ny raharaha Loginov sy ny Hafa miady amin’i Rosia ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH). Nanaovana bemidina ny tranon’ny lehilahy Vavolombelona sivy any Sourgout, tamin’ny 15 Febroary 2019, ary nogadraina tsy ara-drariny ry zareo. Nampijalina koa ny fito tamin’izy ireo. Nilaza àry ilay Fitsarana hoe nanitsakitsaka ny zon’ireo Vavolombelona sivy ireo i Rosia.
24 Oktobra 2023
Namoaka fanambarana roa mifandray amin’ny Fikambanana Ara-pivavahana any Elista sy Abinsk ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (CCPR). Nilaza ny CCPR fa nanitsakitsaka ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah i Rosia tamin’ireo raharaha roa ireo. Tsy nohajaina ny Andininy faha-18.1 (“zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana”) sy 22.1 (“zo hivory an-kalalahana”) ao amin’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika. Nohamafisin’ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny CCPR ireo hoe tsy mampirisika an’iza na iza hankahala olona na hahery setra mihitsy ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
7 Jona 2022
Namoaka didy manan-tantara ny CEDH hoe meloka i Rosia satria mampijaly Vavolombelon’i Jehovah.
12 Janoary 2022
Nampidirin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ao anatin’ny lisitry ny zavatra mampidi-doza ny programa JW Library. Io irery no programa voarara any Rosia, satria hoe mampidi-doza.
27 Septambra 2021
Nolavin’ny fitsarana any Saint-Pétersbourg ny fangatahana hanafoana an’ilay didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 31 Martsa 2021, izay nilaza fa programa mampidi-doza ny JW Library ka voarara ny fampiasana azy manerana ny Federasionan’i Rosia sy Crimée. Tonga dia nihatra teo no ho eo ilay didim-pitsarana voalohany.
26 Aprily 2019
Hitan’ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny hoe voahitsakitsaka ny zon’i Dmitriy Mikhailov, ary nomelohiny ny fanenjehan’i Rosia ny Vavolombelon’i Jehovah.
20 Aprily 2017
Namoaka didy ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia hoe foanana ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fikambanana Ara-pivavahana 395.