Hijery ny anatiny

1 APRILY 2019
ROSIA

Misy Vavolombelon’i Jehovah Iray Hafa Melohina any Rosia

Misy Vavolombelon’i Jehovah Iray Hafa Melohina any Rosia

Nomelohin’ny fitsarana rosianina iray i Sergey Skrynnikov, lehilahy 56 taona, tamin’ny 1 Aprily 2019, noho izy Vavolombelon’i Jehovah. Io fitsarana io ihany ilay nanameloka ny Rahalahy Dennis Christensen higadra enin-taona. Nodidian’ilay fitsarana handoa lamandy 19500000 ariary mahery (350000 RUB) izy. Nangataka ny hanagadrana azy telo taona ny mpiampanga, nefa tsy nanagadra azy ilay fitsarana.

Manan-janakavavy iray ny Rahalahy Skrynnikov sy Nina vadiny. Izy mivady no manampy an’io zanany vavy io sy ny vadiny ary ny zanak’izy ireo dimy. Izy mivady koa no tena mikarakara ny ray aman-drenin’i Nina izay efa be taona.

Feno fanajana sy nandresy lahatra ny fiarovan-tena nataon’ny Rahalahy Skrynnikov teo anatrehan’ny fitsarana. Izao ny ampahany amin’ny zavatra nolazainy: “Raha olona tsy mino an’Andriamanitra no teo amin’ny toerako, dia mety ho kivy izy. ... Vavolombelon’i Jehovah anefa aho dia manam-pinoana. Raha avelan’Andriamanitra higadra telo taona aho, dia tsy horaisiko hoe sazy ilay izy fa fanendrena manokana hitory any amin’ny toerana vaovao. Dia tsy kivy aho. ... Afaka manampy antsika foana Andriamanitra na migadra isika na tsia. Tsy irery mihitsy àry isika fa miaraka amintsika foana izy raha mbola tsy mivadika aminy koa isika.”

Mampahery antsika ny mahita hoe tena matanjaka ny finoan’ny mpiara-manompo amintsika, hoatran’ny Rahalahy Skrynnikov. Rehefa mahita ny fanenjehana mahery vaika mihatra amin’izy ireo isika, dia te hiteny hoatran’ny apostoly Paoly koa hoe: “Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra noho ny finoanareo, mba hitombo be ny fanantenanareo noho ny herin’ny fanahy masina!”—Romanina 15:13.