Hijery ny anatiny

Niara-nivory ny rahalahy sy anabavy maneran-tany mba hanatrika ny Fahatsiarovana

21 APRILY 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Olona An-tapitrisany no Niara-nanatrika ny Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy

Olona An-tapitrisany no Niara-nanatrika ny Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Kristy

Mpiara-manompo mifampiarahaba any Silia

Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany, niaraka tamin’ny olona nasain-dry zareo, no nanatrika ny fahatsiarovana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, tamin’ny 15 Aprily 2022. Izay indray vao afaka nanatrika nivantana an’io fandaharana io ry zareo, taorian’ny 2019. Nanaraka tamin’ny Internet an’ilay fandaharana nalamina isaky ny fiangonana izay olona tsy afaka nanatrika an’ilay izy nivantana.

Ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy no fivoriana miavaka indrindra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao anatin’ny taona. Noho ilay valan’aretina COVID-19, dia natao tamin’ny vidéoconférence ilay fandaharana nandritra ny roa taona lasa. Olona 21 tapitrisa mahery no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2021.

Betsaka ny olona tamin’ity no sambany vao nanatrika Fahatsiarovana nivantana, anisan’izany i Markensia Remy, avy any Haïti. Herintaona izay izy no vita batisa. Nilaza izy hoe: “Faly be aho satria afaka nanatrika Fahatsiarovana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy hitako izay hilazana ny hafaliana tsapako. Hoatran’ny hoe ao anaty fianakaviana mahafinaritra be izany aho.”

Misaotra an’i Jehovah isika fa tena notahiny ny fankalazana Fahatsiarovana tamin’ity taona ity. Misaotra manokana an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany isika nampiseho an’ilay porofom-pitiavana lehibe indrindra hatramin’izay.​—Jaona 3:16.

 

Arzantina

Bolivia

Brezila

Kambôdza

Centrafrique

Nosy Cook

Ekoatera

Indonezia

Israely

Japon

Kazakhstan

Kosovo

Meksika

Paragoay

Peroa

Philippines

Polonina

Romania

Espaina

Taïwan

Ukraine

Etazonia

Venezoelà