Hijery ny anatiny

28 MARTSA 2023
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Nandravarava Tany Afrika Atsinanana ny Sikilaonina Freddy

Nandravarava Tany Afrika Atsinanana ny Sikilaonina Freddy

Vao haingana no namely an’i Afrika Atsinanana ny Sikilaonina Freddy. Io no anisan’ny sikilaonina naharitra indrindra nisy hatramin’izay. Nanomboka tamin’ny voalohandohan’ny Febroary 2023 izy io, ary be dia be ny faritra tratrany. Namely an’i Madagasikara ilay sikilaonina tamin’ny 21 Febroary 2023. Namakivaky ny Lakandranon’i Mozambika ilay izy, andro maromaro tatỳ aoriana, dia namely an’i Mozambika sy Malawi. Nihanahery ilay rivo-doza ary niverina namely an’i Mozambika, tamin’ny 11 Martsa 2023. Be dia be ny faritra tratran’ilay izy tany Madagasikara sy Malawi ary Mozambika. Nanimba trano be dia be ny rivo-mahery sy ny oram-be nentin’ilay izy sady niteraka tondra-drano. Olona 500 mahery àry no maty, ary maromaro amin’izy ireo no mpiara-manompo. An’arivony koa ny olona nafindra toerana.

Ireto ny tatitra azo tamin’ny 27 Martsa 2023. Tatitra avy amin’ny rahalahy any an-toerana izy ireo. Mety ho efa niova anefa ireo isa ireo amin’izao, satria mbola miezaka mamantatra ny voka-dratsin’ilay izy any amin’ireo toerana sarotra aleha ny rahalahintsika.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

Madagasikara

  • Mpitory 256 no nafindra toerana niaraka tamin’ny fianakaviany

  • Trano 8 no rava

  • Trano 29 no simba

  • Efitrano Fanjakana 3 no simba

Malawi

  • Nampalahelo fa mpitory 8 no maty, ary 6 no mbola tsy hita

  • Mpitory 3 no naratra

  • Mpitory 4 300, fara fahakeliny, no nafindra toerana niaraka tamin’ny fianakaviany

  • Trano 821 no rava

  • Trano 174 no simba

  • Efitrano Fanjakana 20 no simba

Mozambika

  • Nampalahelo fa mpitory 1 no maty, ary 1 no mbola tsy hita

  • Mpitory 880 no nafindra toerana niaraka tamin’ny fianakaviany

  • Trano 248 no rava

  • Trano 185 no simba

  • Efitrano Fanjakana 7 no simba

Fanampiana tra-boina

  • Mbola tsy mety handehanana ny faritra maro voakasika tamin’ilay izy

  • Manome toerana hipetrahana, sakafo, rano, ary zavatra hafa ilain’ireo tra-boina ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky

  • Rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana mampahery mpiara-manompo nafindra toerana any akaikin’ny Chókwè, any Mozambika

    Nisy toerana filasiana namboarina tany amin’ny faritr’i Gaza, any Mozambika, mba hipetrahan’ny mpitory 167 sy ny fianakavian’izy ireo. Nilasy tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray mantsy izy ireo teo aloha. Nisy an-jatony hafa koa napetraka tany amin’ny Efitrano Fanjakana sy tany amin’ny tranon’olona nanerana an’ilay faritra

  • Trano 16, fara fahakeliny, no efa namboarina

  • Mitsidika an’ireo tra-boina ny Komitin’ny Sampana sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy eo an-toerana mba hahafantarana ny zavatra ilain’izy ireo. Mampahery an’ireo tra-boina koa izy ireo

Na dia eo aza ireo zava-tsarotra ireo, dia mbola manatrika fivoriana any amin’ny toerana azo ivoriana ihany ireo mpiara-manompo tra-boina sady mifampahery. Matoky isika fa hanome azy ireo “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona” i Jehovah mba hanampiana azy ireo hiaritra.​—2 Korintianina 4:7.