Hijery ny anatiny

Mpitory mampiseho Ny Baiboly: Ny Bokin’i Matio

7 JONA 2023
INDE

Navoaka Tamin’ny Teny Asamey ny Bokin’i Matio

Navoaka Tamin’ny Teny Asamey ny Bokin’i Matio

Navoaka amin’ny teny asamey Ny Baiboly: Ny Bokin’i Matio, tamin’ny 28 Mey 2023, nandritra an’ilay fivoriana manokana natao tany Duliajan any Assam, Inde. Nisy 279 ny mpanatrika tamin’izay, anisan’izany ireo olona 96 nanatrika tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Tonga dia nomena pirinty tamin’izy io ireo nanatrika mivantana, taorian’ny nilazana hoe navoaka izy io. Azo nalaina avy hatrany koa ny endrika elektronika tamin’ilay izy.

Ny fiteny asamey na koa aksômia no fiteny ofisialy any amin’ny fanjakan’i Assam, any avaratratsinanan’i Inde. Antsoina koa hoe aksômia ny olona mipetraka any Assam. Mampahalaza azy ireo ny dite any, ary fantatra hoe tena tia mandray vahiny ry zareo.

Tamin’ny 1987 no niorina ny fiangonana voalohany miteny asamey. Nitombo be ny isan’ny mpitory taorian’izay. Misy valo izao ny fiangonana miteny asamey, ary misy mpitory 162.

Efa misy fandikan-teny roa be mpampiasa ny Baiboly amin’ny teny asamey. Hitan’ny mpitory anefa hoe tsy mora vakina sy sarotra azo ireo fandikan-teny ireo satria mampiasa teny sy fehezan-teny tranainy be. Mora vakina kosa anefa izao ny tantara ao amin’ny Bokin’i Matio, ao amin’io fandikan-teny vao navoaka io.

Matoky isika hoe vao mainka ho akaiky an’i Jehovah sady ho faly ny mpiara-manompo amintsika sy ny olon-kafa liana amin’ny Tenin’Andriamanitra, rehefa mamaky an’io bokin’i Matio amin’ny teny asamey io.​—Nehemia 8:12.