Hijery ny anatiny

Tranon’ny rahalahy iray rava tamin’ilay horohoron-tany tany Haïti

18 AOGOSITRA 2021
HAÏTI

Tratran’ny Horohoron-tany Mahery Vaika i Haïti

Tratran’ny Horohoron-tany Mahery Vaika i Haïti

Nisy horohoron-tany nahatratra 7,2 amin’ny maridrefy Richter tany amin’ny faritra atsimoandrefan’i Haïti, tamin’ny 14 Aogositra 2021. Mbola nisy horohoron-tany kely maromaro taorian’izay. Mbola tsy tena fantatra daholo hatreto ny habetsahan’ny zavatra simba.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mampalahelo fa anabavy 2 sy rahalahy 1 no maty

  • rahalahy sy anabavy 21 no naratra

  • trano 119 no simba

  • trano 72 no rava tanteraka

  • Efitrano Fanjakana 5 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 4 no simba be

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) iray no mandrindra ny fanampiana tra-boina. Miara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny faritra roa ao amin’ilay faritra tratran’ny loza ny KVRV, sady miara-miasa amin’ny anti-panahy eo an-toerana mba hanampiana sy hampaherezana an’ireo rahalahy sy anabavy

  • Ny KVRV no mandrindra ny fizarana an’ireo zavatra tena ilaina, ohatra hoe bodofotsy, akanjo, sakafo, fanafody, labasy, ary rano. Nampiany koa ireo rahalahy sy anabavy naratra mba hahazo ny fitsaboana ilainy

  • Manaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo manampy ny tra-boina

Tsy mora ny zavatra niainan’ireo mpiara-manompo tany amin’ilay faritra tratran’ny loza. Mbola afaka nanao fivoriana faran’ny herinandro tamin’ny alalan’ny vidéoconférence ihany anefa ny ankamaroan’ny fiangonana tany, tamin’ny alahady 15 Aogositra. Afaka nijery ny fandaharana alahady maraina tamin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Manome Hery ny Finoana!” koa ireo rahalahy sy anabavy.

Malahelo isika hoe nisy anabavy roa sy rahalahy iray namoy ny ainy. Mivavaka ho an’ireo mpiara-manompo nidonam-pahoriana, naratra, na kivy vokatr’iny horohoron-tany iny isika. Fantatsika hoe hitan’i Jehovah ny fahorian’izy ireo, ary ho fialofana sy hery ho azy ireo foana izy ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao.​—Salamo 46:1, 2.