VAOVAO

Etazonia

Malagasy
Etazonia
/assets/ct/b4d7e1101e/images/syn_placeholder_sqr.png

Etazonia

 

2017-01-02

ETAZONIA

Amidin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 97 Columbia Heights

Nambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 26 Oktobra 2016 fa amidy ny tranon’izy ireo ao amin’ny 97 Columbia Heights. Io trano io no Hotel Margaret, taloha.

2016-07-19

ETAZONIA

Lafon’ny Vavolombelon’i Jehovah Ilay Trano Nampiasainy Ela Indrindra ao Brooklyn

Nividy trano maromaro ny Vavolombelona rehefa nifindra tao Brooklyn izy ireo tamin’ny 1909. Lafon’izy ireo ny iray tamin’ireo vao haingana.

2016-09-08

ETAZONIA

Namidin’ny Vavolombelon’i Jehovah Ilay Trano hoe Towers any Brooklyn

Nilaza ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 24 Mey 2016 fa hamidy ny Towers. Anisan’ireo trano ela indrindra any Brooklyn Heights izy io.

2015-12-31

ETAZONIA

Fanorenana ny Foibe Vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah: Fotoana Be Mpiasa Indrindra

Ho vita alohan’ny 1 Septambra 2016 ny foibe vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny fandaharam-potoana vaovao. Efa-bolana alohan’ny noeritreretina tamin’ny voalohany izany.

2015-12-31

ETAZONIA

Amidin’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’izay Ireo Trano ao Brooklyn

Amidin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny sasany amin’ireo trano be mpitady indrindra ao Dumbo sy Brooklyn Heights any Brooklyn, any New York.

2015-06-12

ETAZONIA

Toerana 11 any Etazonia no Hisantarana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Tahafo i Jesosy”

Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fivoriamben’ny vondrom-paritra any amin’ireto firenena ireto: Hawaii, Kalifornia, Maine, Massachusetts, New Jersey, New York, Oregon, ary Wisconsin. Hisy fivoriambe 5000 eo ho eo any amin’ny tany 92, hatramin’ny Janoary 2016.

2015-06-12

ETAZONIA

Nasiana Biraon’ny Fandikan-teny ho An’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina any Floride

Nafindran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Fort Lauderdale, any Etazonia, ny ekipa mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana amerikanina (ASL). Isan-karazany sy avy any amin’ny firenena samihafa ny olona mampiasa ASL any.

2015-06-30

ETAZONIA

Nodimandry teo Amin’ny Faha-92 Taonany i Dorothy Covington

Niara-niasa tamin’i Hayden Covington sy Victor Schmidt i Dorothy mba hiarovana ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah, teo anelanelan’ny 1940 sy 1960.

2018-05-10

ETAZONIA

Nahazo ny Mari-pankasitrahana Ambony Indrindra Amin’ny Resaka Fanorenana ny Vavolombelon’i Jehovah

Nahazo ny Green Globes Efatra, mari-pankasitrahana ambony indrindra, ny trano roa naorin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Wallkill, New York.

2014-10-17

ETAZONIA

Fivoriambe Iraisam-pirenena Nanan-tantara tao Amin’ny Kianjan’i MetLife

Nanao fivoriambe iraisam-pirenena tao amin’ny Kianjan’i MetLife ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 20-22 Jona sy 27-29 Jona 2014 ary ana hetsiny no tonga. “Katsaho Foana Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra!” no foto-kevitra.

2014-09-29

ETAZONIA

Nodimandry teo Amin’ny Faha-90 Taonany i Lillian Gobitas Klose

Tafiditra tamin’ilay raharaha ara-pitsarana nalaza tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina izy satria tsy nety nanao fombafomba amin’ny fananganan-tsaina.