Hijery ny anatiny

25 SEPTAMBRA 2014
ETAZONIA

Fivoriambe Iraisam-pirenena Nanan-tantara tao Amin’ny Kianjan’i MetLife

Fivoriambe Iraisam-pirenena Nanan-tantara tao Amin’ny Kianjan’i MetLife

NEW YORK—Feno hipoka ny Kianjan’i MetLife any East Rutherford, any New Jersey, tamin’ny 20-22 Jona sy 27-29 Jona. Nanao fivoriambe iraisam-pirenena tao ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay, ary izao no foto-kevitr’ilay izy: “Katsaho Foana Aloha ny Fanjakan’Andriamanitra!” Natao tamin’ny teny anglisy ilay tamin’ny 20-22 Jona ary tamin’ny teny espaniola ilay tamin’ny 27-29 Jona.

Izay indray vao nisy mpanatrika be dia be hoatr’izany ny fivoriambe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany New York, tato anatin’ny taona maromaro. Nisy 118000 mahery mantsy ny mpanatrika tamin’ireo fivoriambe roa ireo. Nalefa video mivantana tany amin’ny tanàna maromaro hafa koa ny lahateny sasany tamin’ilay fivoriambe, ary 407000 mahery no nanatrika azy ireo. Raha atambatra àry ny isan’ny mpanatrika rehetra, dia nahatratra 525500 mahery.

Betsaka ny lahateny nisy fampisehoana sy video ahitana hoe ahoana no hampiharana ny torohevitry ny Baiboly. Lahateny ataon’ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no namarana ny fandaharana isan’andro. I David Splane no nanao izany tamin’ny 20-22 Jona, ary i Geoffrey Jackson ny 27-29 Jona.

Nisy natao batisa koa tamin’ireo fivoriambe ireo ka 1255 ny tao amin’ilay kianja, ary 2930 tany amin’ireo tanàna maromaro hafa. Niisa 4185 ny olona natao batisa raha atambatra.

Ireto avy ny firenena nanana solontena tamin’ilay fivoriambe: Alemaina, Aostralia, Arzantina, Belize, Costa Rica, Espaina, Goatemalà, Grande-Bretagne, Gresy, Honduras, Italia, Malezia, Meksika, Nikaragoà, Panama, Peroa, Salvadaoro, Silia, Venezoelà.

Hoy i J. Brown, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Maro no mahatsiaro an’ilay fivoriambe nanan-tantara teto New York tamin’ny 1958, rehefa nanatrika an’iny fivoriambe iny. Nisy 253000 mahery ny mpanatrika tamin’izay, ary tao amin’ny Yankee Stadium sy Polo Grounds ilay izy no natao. Azo antoka fa ho anisan’ny zavatra misongadina eo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fivoriambe tao amin’ny Kianjan’i MetLife tamin’ity taona ity.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000