Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TRANONKALA JW.ORG

Fijerena ny JW.ORG Amin’ny Fitaovana Entin-tanana

Fijerena ny JW.ORG Amin’ny Fitaovana Entin-tanana

Azo jerena amin’ny telefaonina sy tablette daholo ny zava-drehetra ato amin’ity tranonkala ity, hoatran’ny rehefa mampiasa ordinatera ihany. Miova kely anefa ny paoziny rehefa jerena amin’ny fitaovana elektronika misy efijery kely kokoa. Hanampy anao hahita ny zavatra tadiavinao ato amin’ny jw.org ny hevitra atoro anao ato.

 Hampiasa ny fizarana samihafa

Raha ordinatera no ampiasaina mba hijerena an’ity tranonkala ity, dia tsy miala eo amin’ny farany ambony amin’ny efijery ireo fizarana lehibe, ary mipoitra ny fizarana ao anatiny rehefa mifidy iray ianao.

Raha amin’ny efijery kely kosa no ijerena an’ity tranonkala ity, dia anaty tsanganana no miseho ny fizarana rehetra. Tsy mipoitra izy ireo rehefa tsy ampiasaina, mba ho azo ijerena an’ilay tranonkala ny ankabeazan’ilay efijery.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho ny Lisitra raha tianao hiseho na tianao tsy hiseho ny lisitry ny fizarana. Tsindrio avy eo izay fizarana tianao hosokafana.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hanokatra raha tianao hojerena ny fizarana ao anatiny. Fidio avy eo izay tianao hosokafana.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hanidy raha tsy tianao hojerena intsony ny fizarana ao anatiny.

  • Tsindrio ilay hoe JW.ORG raha te hiverina eo amin’ny pejy fandraisana ianao.

  • Tsindrio ny sary kely mampiseho Fiteny raha tianao ho hita ny lisitry ny fiteny ao amin’ilay tranonkala.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hikaroka raha te hampiasa an’ilay Hikaroka ianao mba hitadiavana zavatra ato amin’ity tranonkala ity.

 Hijery lahatsoratra sy toko amin’ny boky

Hita eo amin’izay pejy vakinao foana ny loha hevitra ao anatin’ilay boky na gazety, raha ordinatera no ijerenao azy. Tsy hiseho kosa ireo loha hevitra ireo raha efijery kely no ampiasainao.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hijery Lisitra raha tianao hiseho ny loha hevitra ao anatiny. Tsindrio avy eo ny lohateny iray ao amin’ilay lisitra raha tianao hovakina ny lahatsoratra na toko mifandray amin’izy io.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hiverina raha hamaky ny lahatsoratra na toko teo aloha ianao.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Manaraka raha hamaky ny lahatsoratra na toko manaraka ianao.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hanidy Lisitra raha tsy hijery an’ireo loha hevitra intsony ianao fa hanohy hamaky lahatsoratra.

 Hamaky Baiboly

Midira ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > NY BAIBOLY, ary mifidiana Baiboly. Azonao tsindriana koa ilay hoe Vakio ato ny Baiboly, eo amin’ny pejy fandraisana.

Ampiasao ireo Lisitra Azo Apoitra, mba hifidianana ny boky sy toko tianao hovakina. Tsindrio avy eo ny hoe Hijery.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hijery Lisitra raha tianao hiseho ireo boky ao amin’ny Baiboly.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hiverina raha hamaky ny toko teo aloha ianao.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Manaraka raha hamaky ny toko manaraka ianao.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hanidy Lisitra raha tianao hakatona ny boky ao anatin’ny Baiboly.

 Hihaino lahatsoratra noraisim-peo

Hipoitra ny sary mampiseho Raki-peo raha azo henoina ilay lahatsoratra sokafanao.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Handefa raha tianao hohenoina ilay izy.

  • Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hampiato raha tianao haato ilay izy. Tsindrio indray ilay Handefa raha tianao hitohy ilay izy.

  • Azo akisakisaka ny Bokotr’ilay Raki-peo, arakaraka izay tianao hohenoina.

Raha alefanao ilay raki-peo ka midina ihany ianao ao amin’ilay lahatsoratra, dia hijanona eo amin’ny farany ambony eo foana ilay sary mampiseho Raki-peo. Ho afaka hampiato sy hanohy an’ilay raki-peo ianao, amin’izay, nefa mbola ho hitanao foana hoe aiza ho aiza ao amin’ilay lahatsoratra ianao.