Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

TRANONKALA JW.ORG

Hitady Zavatra

Hitady Zavatra

Misy zavatra maro amin’ny endrika elektronika sy raki-peo ary video ao amin’ilay fizarana hoe ZAVATRA MISY ao amin’ny jw.org. Ampiasao ireto soso-kevitra ireto rehefa hitady zavatra ianao:

 Hitady ny lohateniny

Izao atao raha fantatrao ny lohatenin’ilay zavatra, na ny ampahany amin’ny lohateniny mba hahitana azy haingana:

Midira ao amin’ny ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY.

  • Tsindrio eo amin’ilay hoe Izy Rehetra ary soraty ny teny iray amin’ny lohatenin’ilay zavatra tadiavinao. Soraty, ohatra, ny hoe “vaovao” raha hitady ny bokikely Vaovao Tsara ianao. Izay boky na bokikely misy hoe “vaovao” eo amin’ny lohateniny sisa no ho eo amin’ilay lisitra. Tsindrio eo amin’ny lohatenin’ilay boky tadiavinao.

  • Tsindrio ilay hoe Hikaroka.

 Hitady laharana gazety

Midira ao amin’ny ZAVATRA MISY > GAZETY.

Miseho eo amin’ilay pejy ny Mifohaza! sy Tilikambo Fiambenana (Gazety ho an’ny besinimaro) efatra nivoaka farany, sy ireo Tilikambo Fiambenana Fianarana sy Notsorina valo nivoaka farany. (Mety tsy hanana an’ireo rehetra ireo ny fiteny sasany.) Araho ireto dingana manaraka ireto rehefa hitady gazety iray:

  • Fidio eo amin’ny lisitra hoe gazety inona no tianao hotadiavina, ary tamin’ny taona firy ilay izy no nivoaka.

  •   Tsindrio ilay hoe Hikaroka.

Hijery ny endrika rehetra misy ho an’ny zavatra iray

Azo atao mifanakaiky na mifanao ambony ambany ny lisitr’ireo zavatra misy.

Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Mifanakaiky mba ho fohy kokoa ny lisitra. Milahatra toy io foana izy raha vao sokafana.

Rehefa Mifanakaiky izy dia miseho eo ny fonon’ilay zavatra sy ny sary mampiseho ny rohy hakana azy ary ny lohateniny. Ataovy mankeo amin’ilay sary mampiseho ny rohy hakana azy ny totozy (na tsindrio raha mampiasa fitaovana entin-tanana ianao) mba hahitana ny karazany azo alaina (elektronika na raki-peo).

Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Ambony Ambany raha te hanova ny fisehony.

Rehefa atao Ambony Ambany izy dia miseho daholo ny karazany rehetra misy ho an’ny zavatra tsirairay.

Mety hisy karazany fanampiny ny zavatra sasany, ohatra hoe soratra lehibe. Tsindrio ny endrika isehoan’ilay zavatra alaina (oh: PDF). Hisy efajoro hipoitra ahitana ny karazany rehetra misy amin’io endrika io. Tsindrio ny rohy eo amin’ilay karazany tianao halaina.

 Hitady ao amin’ny zavatra raketiny

Azo ampiasaina ny Fikarohana (mbola tsy misy an’io amin’ny malagasy) raha azo vakina ao amin’ny Internet ilay zavatra. Ahafahana mitady lahatsoratra na toko ahitana an’ilay teny na fitambaran-teny tadiavina izy io.

Tsindrio ilay sary kely mampiseho hoe Hikaroka. Soraty ilay teny na fitambaran-teny tianao hotadiavina, ary tsindrio avy eo ny Hikaroka. Soraty eo daholo izay teny na fitambaran-teny rehetra fantatrao fa niseho tao amin’ilay zavatra. Mety hiseho eo ambony kokoa amin’ilay valim-pikarohana ilay toko na lahatsoratra tadiavinao, amin’izay.

Azo ferana ho eo amin’ny zavatra misy ihany ny fikarohana. Izao atao:

  • Tsindrio ilay hoe Fikarohana Lalina na Safidy Maro Kokoa.

  • Asio marika eo amin’ilay hoe Zavatra Misy eo ambanin’ilay Karazany.

  • Tsindrio ilay hoe Hikaroka.