Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Feso Mampiasa Onjam-peo

Ny Fahaizan’ny Feso Mampiasa Onjam-peo

 Mahay mamoaka feo mipoaka kely sy sioka isan-karazany ny feso. Henoiny avy eo ny akon’ilay izy mba hahafahany mandehandeha sy mamantatra ny manodidina azy. Nahita hevitra ny manam-pahaizana rehefa nandinika ny fahaizan’ny feso lava vava (Tursiops truncatus). Voafetra ihany mantsy izao ny vitan’ny fitaovana mpamantatra ny zavatra any anaty rano, ary te hanatsara an’izany izy ireo.

 Diniho izao: Ny onjam-peo alefan’ny feso no manampy azy hahita ny trondro miafina any anaty fasika sy hanavaka ny trondro amin’ny vato. Milaza i Keith Brown, manam-pahaizana ao amin’ny oniversiten’i Heriot-Watt, any Édimbourg, any Ekosy, fa “any amin’ny folo metatra” dia efa hain’ny feso hoe “rano tsotra sa ranon-tsira sa rano mamy marihitra sa solika” no ao anatin’ny zavatra iray. Te hanamboatra fitaovana mahavita zavatra mitovitovy amin’izany koa ny manam-pahaizana.

Any amin’ny folo metatra dia efa hain’ny feso hoe inona no ao anatin’ny zavatra iray

 Nodinihin’ny manam-pahaizana hoe ahoana no ataon’ny feso rehefa mamoaka feo sy rehefa mihaino, ary alain’izy ireo tahaka izany. Nahavita fitaovana elektronika be pitsiny antonona ao anaty vy lavalava tsy ampy iray metatra izy ireo, vokatr’izany. Afatotra amin’ny zavatra lavalava ilay izy, ary manara-maso ny fanambanin’ny ranomasina sy mijery ny zavatra any ambanin’ny tany, ohatra hoe kabla na fantsona. Tsy mikasika an’ireo anefa ilay izy fa mandinika avy lavitra fotsiny. Hitan’ireo mpanamboatra an’ilay fitaovana hoe afaka mampiasa an’ilay izy ny orinasa mpitrandraka solika sy gazy. Hihabetsaka, amin’izay, ny fanazavana voangon’ireo fitaovana efa ampiasaina amin’izao. Hanampy ny teknisianina izany mba hahita hoe aiza no toerana mety indrindra azo ametrahana fitaovana any anaty rano. Ho hitany koa rehefa misy simba ireny fitaovana ireny, ohatra hoe misy mitriatra ny tongotry ny fitaovana fitrandrahana solika. Ho hitany hatramin’ny hoe inona no manentsina ny fantsona any ambany any.

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny fahaizan’ny feso lava vava, sa nisy namorona?