Hijery ny anatiny

Jehovah Ihany no Tena Andriamanitra

Taonjato faha-10 talohan’i Kristy tamin’izay. Kely sisa dia hisy fisehoan-javatra miavaka, izay hampiharihary hoe ny tsara ve no handresy sa ny ratsy. Hoatran’ny hoe i Elia irery no teo mba hifanandrina tamin’ilay vahoaka tsy nanam-pinoana sy ilay mpanjaka nivadi-pinoana ary ireo mpisorona mpandatsa-dra. Tsy irery anefa izy. Ho hitanao ato fa nasehon’i Jehovah hoe izy ihany no tena Andriamanitra, ary mbola izany koa no ataony hatramin’izao.

Miorina amin’ny 1 Mpanjaka 16:29-33, 1 Mpanjaka 17:1-7, 1 Mpanjaka 18:17-46, ary 1 Mpanjaka 19:1-8.