Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 126

Miambena, Mahereza

Miambena, Mahereza

(1 Korintianina 16:13)

  1. 1. Miambena, mahereza,

    Aok’ianao hitomban-dahy.

    Fa Kristy no arahintsika,

    Hanao ady ara-panahy.

    Aza mba manary toky izany,

    Fa tsy maintsy handresy ny hiafarany.

    (FIVERENANA)

    Miambena sy mahereza,

    Mijoroa, miareta hatrany!

  2. 2. Miambena, mankatoava,

    Aok’ianao hisaina tsara.

    Ary ekeo ilay mpanompo,

    ’Zay voatendry hikarakara.

    Ireo mpiandry koa tsy lavorary,

    Nefa hajao sy ankatoavy ihany.

    (FIVERENANA)

    Miambena sy mahereza,

    Mijoroa, miareta hatrany!

  3. 3. Miambena ary aza miala,

    Na dia maro no tsy tia.

    Aok’isika hiray saina,

    Mampianara, mitoria;

    Mba handre ny olona eran-tany.

    Ny andron’i Jehovah ho avy ihany.

    (FIVERENANA)

    Miambena sy mahereza,

    Mijoroa, miareta hatrany!