Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iny no Vakansy Tiako Indrindra!

Iny no Vakansy Tiako Indrindra!

Taratasy avy any Irlandy

Iny no Vakansy Tiako Indrindra!

HOY i Dada sy Neny: “Mila manary dia kely ianao mba tsy hiasa saina loatra amin’ny fanadinana. Andao hamangy ny havantsika any Irlandy, dia hitory amin’ny olona tsy mandre matetika ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.”

Tsy noeritreretiko hoe hahafinaritra izany. Efa miasa saina amin’ilay fanadinana aho, nefa matahotra koa satria mbola tsy niala teto Angletera mihitsy, sady mbola tsy nandeha fiaramanidina. Ankizivavy 17 taona aho ary mipetraka atỳ Londres. Zatra ny hazakaza-dava atỳ aho ka ahoana no hahatamana ahy any ambanivohitra, any amin’ny farany atsimoandrefan’i Irlandy?

Tsy nitombina anefa ny fanahiako. Vao nigadona tany Irlandy mihitsy ny fiaramanidina nandehananay dia efa tiako ilay tanàna. Maraina be izahay no niainga ka tafatory aho rehefa nandeha fiara izahay. Taitra tsindraindray aho ary nahita kely an’ireo toerana be vatovato tsara tarehy teny an-dalana.

Tonga tany Skibbereen izahay, ny alin’iny. Nisy fianakaviana nifindra tany mba hitory ny vaovao tsara. Nahafinaritra ny niaraka tamin’izy ireo sady nampahery. Nanao kilalao ara-baiboly izahay. Atao anaty kitapo kely ny anaran’olona maromaro ao amin’ny Baiboly. Maka tsirairay ao izahay avy eo ary manao fihetsika mba hamantarana an’ilay olona. Miezaka mamantatra an’ilay olona ny ambiny.

Nandeha sambo ho any amin’ny nosikely atao hoe Nosy Heir izahay sy Dada sy Neny sy ny anadahiko ary ireo havanay, niaraka tamin’ny fianakaviana iray hafa. Tsy ampy 30 ny mponina any, nefa nilaza i Jesosy fa tsy maintsy torina amin’ny tany onenana rehetra ny vaovao tsara. Niresaka hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly tamin’ny olona tany àry izahay. Sariaka sy tia mandray vahiny izy ireo. Nankafizinay koa ilay toerana tsara tarehy mbola tsy nosimban’ny olona.

Manga erỳ ny lanitra tamin’izay ary nibaliaka ny masoandro. Namerovero teny rehetra teny ny fofona malefak’ireo voninkazo mavo midorehitra maro be, toa fofom-boaniho. Rakotra voninkazo ny faritra teo afovoan’ilay nosy. Misy harambato avo be manodidina ny torapasika eny amin’ny helodranomasina, ary eny no manao ny akaniny ny vorona toy ny vadimboay sy ny ngovo miaraka amin’ny zanany. Izay tazaninao dia ahitanao nosikely, ary tsy misy mponina ny maro aminy. Mahavariana erỳ ny zavaboarin’i Jehovah!

Niverina tany Skibbereen izahay. Faly aho fa nahazo namana be dia be tao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany sady nanao zavatra mbola tsy nataoko mihitsy. Ny nitaingina lakana kayak no tiako indrindra. Hafa mihitsy ny mitazana ny morontsirak’i Irlandy avy eny ambony lakana. Nandeha nanjono koa izahay mba hahazoana trondro hatao sakafo hariva, nefa ny lambondriaka no nahazo an’ireo trondro talohanay. Namorona kilalao teny amoron-dranomasina izahay ary nanao dihy irlandey mihitsy aza aho.

Niana-javatra kely momba ny tantaran’i Skibbereen koa izahay. Tsy namokatra ny ovy tany Irlandy, tamin’ny 1845 tany ho any. Anisan’ny tena voa mafy i Skibbereen sy ny manodidina. An’arivony no matin’ny hanoanana ary 9 000 teo ho eo no nalevina tany amin’ny fasana iombonana. Soa ihany fa tsy hisy intsony ny mosary rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hatsangana ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo olona maro be maty tamin’ny fomba mampalahelo toy izany.

Midadasika ny faritany itorian’ny fiangonan’ny Vavolombelona any, ka niaraka tamin’izy ireo izahay mba hitory tamin’ireo olona tsy voatsidika matetika. Nandeha fiara nanaraka lalana tery izahay mba hankeny amin’ireo trano eny amoron-tevana, izay ahatazanana ny Ranomasin’i Irlandy. Sariaka sy nandray tsara anay koa ny olona teny. Toy ny nataonay tany amin’ny Nosy Heir, dia nilazanay ry zareo hoe manao vakansy izahay ary nanokana fotoana kely hiresahana hevitra mahafinaritra avy ao amin’ny Baiboly.

Niresaka tamin’ny vehivavy iray i Neny. Nandray Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ilay ramatoa. Nihaona izahay, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary nilaza izy fa tena tiany ny namaky an’ireo gazety.

Niangavy izy hoe: “Mba miverena atỳ dia itondray gazety hafa aho.” Nilaza taminy izahay hoe efa hody fa olon-kafa no hasainay hitsidika azy.

Hoy izy: “Eny àry e! Fa mba vangio aho rehefa miverina ianareo. Ny Irlandey mantsy mahatadidy olona foana.”

Teny amin’ny torapasika niaraka tamin’ny anadahy sy rahavavy tao amin’ny fiangonana izahay, ny andro farany nijanonanay tany. Naka vato sy kitay izahay mba hanatonoana betsimitsitekiteky nalainay teny an-tsefatsefak’ireo vato lalaovin’ny ranomasina manga tsara tarehy. Na avy atỳ an-tanàn-dehibe aza aho, dia tiako be ireny fotoana rehetra ireny.

Iny no vakansy tiako indrindra! Nahafinaritra be ilay izy sady tena nahafa-po ahy satria nanao zavatra nampifaly an’i Jehovah sy nidera azy aho. Tiako ny manompo an’Andriamanitra. Vao mainka mahafinaritra ilay izy rehefa tia an’izany koa ny havanao sy namanao sady miaraka aminao manao an’izany. Nisaotra an’i Jehovah aho rehefa tonga tany an-trano noho izy nanome ahy namana maro izay be fitiavana sy tia azy. Isaorako koa izy noho ireny fotoana mamy tsy hay hadinoina ireny.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

An Post, Ireland