Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fara Andro Mahatsiravina ve ny Hara-magedona?

Fara Andro Mahatsiravina ve ny Hara-magedona?

Fara Andro Mahatsiravina ve ny Hara-magedona?

HARA-MAGEDONA! Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mamaky io teny io? Lany ringana ve ny olombelona sa kila forehitra izao rehetra izao? Anisan’ireo teny vitsivitsy ao amin’ny Baiboly lasa fampiasan’ny olona, any amin’ny tany maro, ny hoe “Hara-magedona.” Entina ilazana ny hoavy manjombona miandry ny olombelona izy io matetika. Sary mahatsiravina no aseho amin’ny tele sy sinema ary video, rehefa misy resaka “Hara-magedona.” Tsy fantatry ny olona loatra ny hevitr’ilay teny, sady be dia be ny hevi-diso momba azy io. Maro be ny fanazavana momba io teny io. Tsy mifanaraka amin’izay voalazan’ny Baiboly anefa ny ankamaroan’izy ireny, na dia tao aza no niavian’ilay teny.

Ampifandraisin’ny Baiboly ny “fahataperan’izao tontolo izao” sy ny Hara-magedona. (Matio 24:3, Fandikan-teny Protestanta) Tsy ekenao àry ve fa tena ilaina ny mahafantatra tsara ny hevitr’io teny io? Ary tsy tokony ho ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay loharanon’ny fahamarinana, ve ianao no hikaroka ny tena dikan’ny hoe Hara-magedona, sy ny ho fiantraikan’izany eo aminao sy ny fianakavianao?

Ho hitanao fa tsy ho fara andro mahatsiravina akory ny Hara-magedona, fa ho fiandohan’ny fiadanana ho an’ny olona te hankafy ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao sy marina. Hazava tsara aminao io fahamarinana lehibe ao amin’ny Soratra Masina io, rehefa handinika ny tena dikan’ny hoe Hara-magedona ianao, ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro/Sary, pejy 3]

ARAKA NY HEVITRAO, INONA NO DIKAN’NY HOE HARA-MAGEDONA?

• Fandripahana amin’ny baomba niokleary

• Fahasimban’ny tontolo iainana

• Fifandonan’ny tany amin’ny planeta hafa

• Fandringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy