Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Ireo Anabatista?

Iza Ireo Anabatista?

Iza Ireo Anabatista?

MISY trano kely vy makarakara telo mihantona eo amin’ny tilikambom-piangonana iray ao amin’ny tanànan’i Münster, any Alemaina. Mijanona mijery ireo trano kely ireo daholo ny mpitsidika tonga any. Saika teo foana ireo trano ireo nandritra ny 500 taona teo ho eo. Nisy fatina lehilahy telo nampijalijalina sy novonoina teo imasom-bahoaka tao anatin’izy ireo taloha. Anabatista ireo lehilahy ireo, ary ireo trano kely ireo no sisa tavela amin’ny fanjakany.

Iza ireo Anabatista? Ahoana no niandohan’io fivavahana io? Inona no foto-pampianaran’izy ireo? Nahoana izy telo lahy no novonoina? Ary inona no ifandraisan’ireo trano kely ireo amin’ny fanjakana?

Ahoana no hanavaozana ny Eglizy?

Nihabetsaka ny mpanakiana ny Eglizy Katolika sy ny mpitondra fivavahana tao aminy, tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-15 sy ny fiandohan’ny taonjato faha-16. Nanjaka teo anivon’ny eglizy mantsy ny tsolotra sy ny fitondran-tena maloto, ka maro no nihevitra fa nisy fiovana lehibe nilaina natao. Nitaky fanavaozana àry i Martin Luther tamin’ny 1517. Nisy hafa koa niombon-kevitra taminy, ka tsy ela dia nanomboka ny Fanavaozana Protestanta.

Tsy nitovy hevitra anefa ireo mpitondra fanavaozana momba ny hoe inona no tokony hatao, na inona no tokony hovana. Maro no niaiky fa tokony hampifanarahina amin’izay voalazan’ny Baiboly ny fivavahana. Kanefa, samy nanana ny fanazavany ny Baiboly izy ireo. Nisy koa nihevitra fa niadana loatra ilay Fanavaozana, ary ny sasany tamin’izy ireo no namorona ny fivavahana anabatista.

“Raha ny marina, dia tsy iray ihany ny antokom-pivavahana anabatista, fa maromaro”, hoy i Hans-Jürgen Goertz ao amin’ilay boky Ny Tantaran’ny Batista sy ny Tanjony (alemà). Tamin’ny 1521, ohatra, dia niteraka resa-be ny lehilahy efatra nantsoina hoe mpaminanin’i Zwickau, rehefa nitory ny foto-pampianarana anabatista tany Wittenberg. Nisy antokom-pivavahana anabatista hafa niforona tany Zurich, any Soisa, tamin’ny 1525. Nisy hafa koa tany Moravia (Repoblika Tseky ankehitriny) sy tany Holandy.

Ny zazakely sa ny olon-dehibe no tokony hatao batisa?

Mazàna vitsivitsy ny Anabatista niara-monina, ary tsy tia ady ny ankamaroany. Tsy nanafina ny zavatra ninoany izy ireo, fa nitory. Nofaritana tao amin’ny Fanekem-pinoan’i Schleitheim ny foto-pampianaran’izy ireo tamin’ny 1527. Tsy nety nanao raharaha miaramila, ohatra, izy ireo, ary nisaraka tamin’izao tontolo izao. Noroahiny koa ny mpanao ratsy teo anivony. Ny tena nampiavaka ny Anabatista tamin’ny fivavahana hafa anefa, dia ny finoany fa ny olon-dehibe ihany no tokony hatao batisa fa tsy ny zazakely. *

Tsy resaka foto-pampianarana fotsiny ilay batisan’olon-dehibe, fa resaka fahefana koa. Raha nandrasana ho efa lehibe mantsy ny olona vao hatao batisa, izany hoe avela ho resy lahatra izy vao manapa-kevitra, dia mety ho tsy natao batisa mihitsy ny sasany. Tsy ho nanana fahefana firy tamin’ny olona tsy vita batisa ny eglizy. Ho nihena àry ny fahefan’ny eglizy sasany, raha nekena ny batisan’olon-dehibe.

Izany no nahatonga ny Katolika sy ny Loteranina hitady hisakana ny fanaovana batisa ny olon-dehibe. Taorian’ny 1529, dia nety ho voaheloka ho faty izay nanao batisa olon-dehibe, na ny olon-dehibe natao batisa, tany amin’ny faritra sasany. Nohazavain’ilay mpanao gazety atao hoe Thomas Seifert fa “nenjehina mafy” ny Anabatista “nanerana ny Empira Romanina Masina Alemà.” Tany Münster no tena nahery vaika ny fanenjehana.

Nitady fiovana ny tanànan’i Münster

Nisy mponina 10 000 teo ho eo tao Münster tamin’izany andro izany. Toa tsy ho resy mihitsy ilay tanàna, satria nisy manda 5 kilaometatra nanodidina azy, ary 90 metatra teo ho eo ny hatevin’izy io. Tsy nilamina kosa anefa ny tao an-tanàna. “Nisy adilahy politika teo amin’ireo manam-pahefana sy ny fikambanan’ny mpiasa”, hoy ilay boky hoe Ny Fanjakan’ny Anabatista (anglisy), izay navoakan’ny Tranombakok’i Münster. Tezitra koa ny mponina noho ny fitondran-tenan’ireo mpitondra fivavahana. Nanaiky ny Fanavaozana àry ny tanànan’i Münster, ary lasa loteranina fa tsy katolika intsony nanomboka tamin’ny 1533.

I Bernhard Rothmann no anisan’ny mpitondra fivavahana nandray anjara lehibe indrindra tamin’izany fanavaozana izany. Olona somary taitaitra izay ihany izy. Nilaza ilay mpanoratra atao hoe Friedrich Oehninger fa “lasa nanaraka ny fomba fihevitry ny Anabatista [i Rothmann], ary tsy nanaiky hanao batisa zazakely izy sy ny mpitondra fivavahana hafa.” Nihamaro ny mpanohana azy, na dia lasa lavitra loatra aza ny fomba fiheviny, araka ny fahitan’ny sasany azy. “Nandao ny tanàna ny olona izay tena tia ilay fivavahana taloha, satria natahotra sy nanahy ny amin’ny hoavy. Nirohotra nankao Münster ny Anabatista avy tamin’ny faritra maro, satria nanantena fa ho tanteraka ny hetahetany.” Niteraka loza nahatsiravina anefa ny fisian’ireo Anabatista be dia be ireo tao Münster.

Notafihina i Jerosalema Vaovao

Nandray anjara lehibe tamin’ny fiovana nitranga tao Münster ny lehilahy roa avy tany Holandy. Tsy iza izany fa i Jan Mathys, izay mpanao mofo avy any Haarlem, sy i Jan Beuckelson, izay nantsoina koa hoe Jean de Leyde. Nilaza ny tenany ho mpaminany i Mathys, ary nanambara fa hiverina tamin’ny Aprily 1534 i Kristy. I Münster, hono, no ilay Jerosalema Vaovao voalaza ao amin’ny Baiboly, ary efa niomana ho amin’ny fahatongavan’ny fara andro ilay tanàna. Nanapa-kevitra i Rothmann fa tokony hiombonana ny fananana rehetra. Tsy maintsy nanapa-kevitra ny olona na hatao batisa, na handao an’i Münster. Batisa tambabe no natao, ka nisy nanaiky izany mba tsy ho voatery hiala amin’ny tranony na hamoy ny fananany.

Tsiravina ny olona tany amin’ny faritra hafa rehefa nahita ny Anabatista nandray ny fahefana tao Münster, sy lasa ny fivavahana natanjaka indrindra tao. Voalaza ao amin’ilay boky hoe Ny Batistan’i Münster (alemà), fa “nanjary nankahalain’ny Empira Romanina Masina Alemà i Münster.” Namory tafika hanafika an’i Münster i Franz von Waldeck, izay andriana sy eveka tao. Katolika sy Loteranina ny miaramilany. Nifanandrina ireo fivavahana roa ireo nandritra ny Fanavaozana Protestanta sy tamin’ny Ady Telopolo Taona, nefa niara-nanafika ny Anabatista kosa tamin’io indray mitoraka io.

Rava ny fanjakan’ny Anabatista

Tsy nampahatahotra ny mponina voaro tao amin’ilay tanàna nimanda ny herin’io tafika io. Nitaingina soavaly fotsy àry i Mathys, ary nivoaka ny tanàna tamin’ny Aprily 1534, izay andro nilazana fa hiverenan’i Kristy. Nanantena mantsy izy fa hiaro azy Andriamanitra. Azo antoka anefa fa nihorohoro ny mpanohana an’i Mathys, rehefa nitazana avy teny ambonin’ilay manda, ka nahita ny fahavalo nitetitetika azy sy nanatsatoka ny lohany teo amin’ny tsato-kazo.

Nandimby an’i Mathys i Jean de Leyde, ary lasa nantsoina hoe Jan Mpanjakan’ny Anabatista tao Münster. Betsaka kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy tao, ka mba hampifandanja ny isan’izy ireo, dia nampirisika ny lehilahy haka vady maro araka izay tiany i Jan. Lasa lavitra mihitsy ny zavatra nataon’izy ireo. Nosazina ho faty, ohatra, izay nanitsakitsa-bady sy nijangajanga, nefa noleferina ny fananana vady maro, ary nampirisihana mihitsy aza. Nanana vady 16, ohatra, i Jan Mpanjaka. Notapahin-doha teo imasom-bahoaka ny iray tamin’izy ireo, dia i Elisabeth Wandscherer, rehefa nangataka handao ilay tanàna.

Naharitra herintaona sy roa volana ny fanafihan’ny tafik’i Franz von Waldeck, ary resy ihany ny tanànan’i Münster tamin’ny Jona 1535. Mbola tsy rava toy izany mihitsy ilay tanàna raha tsy tamin’ny Ady Lehibe II. Afaka nandositra i Rothmann, fa voasambotra kosa i Jan Mpanjaka sy ny mpitarika anabatista hafa, ka nampijalijalina sy novonoina. Natao tao anaty trano kely vy makarakara ny fatin’izy ireo, ary nahantona teo amin’ny tilikambon’ny Eglizin’i Md. Lambert. Nilaza i Seifert, fa “natao ho fampitandremana an’izay mitady hanakorontana izany.” Nahatsiravina tokoa ny vokatry ny fitsabahana tamin’ny politika.

Ary inona no nanjo ny Anabatista tany an-toeran-kafa? Nitohy nandritra ny taona maromaro ny fanenjehana azy ireo eran’i Eoropa. Tsy nety nanao raharaha miaramila foana ny ankamaroany, na dia nisy vitsivitsy ihany aza nandray anjara tamin’ny ady. Mompera taloha nantsoina hoe Menno Simons no nanjary filohan’ny Anabatista, ary lasa nantsoina hoe Menonita ry zareo, na nomena anarana hafa.

Ireo trano kely vy makarakara telo

Tia fivavahana sy nanaraka hatrany ny toro lalan’ny Baiboly ny Anabatista tamin’ny ankapobeny. Niala tamin’izany anefa izy ireo ary nanao politika, noho ny fitaoman’ny olona sasany nafana fo tafahoatra. Lasa mpikomy izy ireo, ary niteraka loza ho an’ny Anabatista sy ny tanànan’i Münster izany.

Mbola mahatsiaro izany loza nahatsiravina izany ihany ny mpitsidika an’io tanàna io, na dia efa ho 500 taona aza izay no lasa. Fa nahoana? Noho ireo trano kely vy makarakara telo mihantona eo amin’ny tilikambon’ilay fiangonana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Tsy manohana na manohitra ny batisan-jazakely ity lahatsoratra ity. Raha mila fanazavana bebe kokoa momba izany ianao, dia jereo ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, pejy 88.

[Sary, pejy 13]

Nampijalijalina sy novonoina i Jan Mpanjaka, ary nahantona teo amin’ny tilikambon’ny Eglizin’i Md. Lambert