Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitadiavana Ireo Olona Mendrika any Kenya

Fitadiavana Ireo Olona Mendrika any Kenya

Fitadiavana Ireo Olona Mendrika any Kenya

TANY ahitana zavaboary mahatalanjona sy kanto dia kanto i Kenya. Ravahan’ny ala mandrobona, tany lemaka midadasika, efitra mafana izaitsizy, ary tendrombohitra rakotra orampanala io tany mahafinaritra io. Fonenan’ny antilopa afrikanina maherin’ny iray tapitrisa sy ny tokantandroka, mitady ho lany tamingana, izy io. Misy andian-jirafy maro be koa tazana mamakivaky ny kijana.

Maro be koa ny zavaboary eny amin’ny habakabaka, toy ny voromahery matanjaka sady haingam-panidina, sy ireo karazam-borona mpihira maro mareva-doko, manao hira falifaly, ka mameno ny rivotra amin’ny feony mahafinaritra. Ary iza moa no tsy hahamarika an’ireo elefanta sy liona? Tsy hay hadinoina ireo zavatra hita sy re any Kenya.

Misy feo hafa iray anefa re manerana an’io tany tsara tarehy io. Izany dia ny feon’olona an’arivony maro manambara hafatra manome fanantenana. (Isaia 52:7). Mampita hafatra amin’ny olona avy amin’ny foko sy fiteny maherin’ny 40 ireny feo ireny. Amin’io heviny io, dia tany kanto dia kanto koa i Kenya amin’ny ara-panahy.

Tia fivavahana ny ankamaroan’ny mponin’i Kenya, sady vonona hiresaka zavatra ara-panahy. Na izany aza, dia sarotra ny mahita olona hiresahana, satria misy fiovana, toy ny any amin’ny tany maro hafa, any Kenya.

Voatery nanitsy ny fomba fiainany ny olona maro, noho ny fahasahiranana ara-bola. Izao dia miasa any amin’ny birao na mivarotra voankazo, legioma, trondro, ary harona, eny an-dalana ny vehivavy, izay niasa tao an-trano teo aloha. Ny lehilahy moa miasa mandritra ny ora maro manasatra, miezaka mamelona ny fianakaviany. Na ny ankizy aza dia mivesatra voanjo voaendy ao anaty fonosana sy atody masaka, amin’ny sandriny kely, ary mandehandeha eny amin’ny arabe mivarotra ireo entany ireo. Noho izany, dia vitsy ny olona ao an-trano mandritra ny andro, ka nilain’ireo mpitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana ny nanao fanitsiana.

Notoroana hevitra ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hifantoka bebe kokoa amin’ny olona any ivelan’ny tranony, olona izay eo am-panatontosana ny asa fanaony andavanandro, ary koa amin’ireo namana, havana, mpandraharaha, ary mpiara-miasa. Nanao izany ireo rahalahy, ka niresaka tamin’ny olona, na taiza na taiza nahitana azy ireny. (Matio 10:11). Nahitam-bokatra ve io ezaka natao mba hanitarana ny fanompoana io? Tena izany tokoa! Diniho ireto ohatra sasantsasany ireto.

Ny havantsika​—Mpiara-belona akaiky indrindra antsika

Telo tapitrisa eo ho eo ny mponina ao Nairobi, renivohitr’i Kenya. Tany amin’ny ilany atsinanan’io tanàna io no nipetraka ny lehiben’ny tafika iray, efa nisotro ronono, ary tsy tia Vavolombelon’i Jehovah efa hatramin’ny ela izy; tena diso fanantenana anefa izy, satria ny zanany lahy mihitsy dia Vavolombelona. Ny volana Febroary dia nanao dia 160 kilaometatra ho any amin’ny zanany lahy, any amin’ny tanànan’i Nakuru, ao Rift Valley, ilay miaramila nisotro ronono. Nandritra ilay fitsidihana, dia nomen’ilay zanany lahy fanomezana izy​—ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.* Noraisiny ilay izy, dia lasa izy.

Rehefa tonga tany an-trano, dia nomen’ilay miaramila taloha ny vadiny ilay boky. Nanomboka namaky azy ilay vehivavy, nefa tsy fantany fa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Nanohina tsikelikely ny fony ny fahamarinana ara-baiboly, ka nizara ireo fanazavana tamin’ny vadiny izy. Liana ta hahafanta-javatra ralehilahy, ka nanomboka namaky ilay boky koa. Rehefa fantatr’izy mivady hoe iza no mpampanonta ilay boky, dia nanatsoaka hevitra izy ireo fa tsy marina ny zavatra nolazaina tamin’izy ireo momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Nifandray tamin’ireo Vavolombelona teo an-toerana izy mivady, ary nanomboka nianatra ny Baiboly. Avy tamin’ny famakian’izy ireo samirery ilay boky, dia nanjary takany fa tsy tokony hampiasa na hivarotra sigara sy paraky ny Kristianina. (Matio 22:39; 2 Korintiana 7:1). Tsy nisalasala izy ireo namotika ny sigara rehetra tao amin’ny fivarotany. Taorian’ny volana maromaro, dia nahafeno fepetra mba ho tonga mpitory tsy vita batisa izy ireo, ary tsy ela dia natao batisa tany amin’ny fivoriamben’ny distrika iray.

Fako mitondra harena

Any amin’ny faritra sasany ao an-drenivohitra, dia misy tanàna kely miparitaka etsy sy eroa, ipetrahan’ny olona ana hetsiny maro. Hita ao ny trano maro be mitandahatra, natao tamin’ny fotaka, hazo, poti-by, na fanitso. Rehefa tsy misy ny asa any amin’ny indostria sy ny orinasa, dia mamorona asa ny olona. Miasa eny amin’ny hain’andro ny mpiasa jua kali (teny swahili midika hoe “masoandro midanika”), ka manamboatra kapa amin’ny pne tonta, na jiro solitany amin’ny kapoaka nariana. Ny hafa dia mikaroka taratasy, kapoaka, na tavoahangy ao anaty fako miavosa na dabam-pako, mba havadika ho zavatra hafa.

Afaka mitondra harena ve ny fako? Eny! Izao no tsaroan’ny rahalahy iray: “Nisy lehilahy iray natanjaka sy nisavoritaka ary toa tsy nahalala fomba, nitondra kitapo plastika lehibe iray feno fakon-gazety sy boky, tonga teo amin’ny Efitrano Fivoriambenay. Rehefa avy nilaza tamiko izy fa William no anarany, dia nanontany ahy izy hoe: ‘Manana ireo Tilikambo Fiambenana faramparany ve ianao?’ Somary natahotra aho, ka nanontany tena ny amin’izay nokasainy hatao. Rehefa nampiseho gazety dimy taminy aho, dia nojereny tsirairay izy ireo, ary nilaza izy hoe: ‘Horaisiko daholo izy rehetra.’ Gaga aho, ary nankany amin’ny efitranoko, ka niverina nitondra ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. * Nasehoko azy ny sarin’ny Paradisa, ary nohazavaiko taminy fa mampianatra Baiboly maimaim-poana ny olona izahay. Avy eo, dia nanipy hevitra aho hoe: ‘Nahoana moa raha miverina ianao rahampitso, ry William, dia hanomboka hianatra isika?’ Izany indrindra no nataony!

Nanatrika voalohany ny fivoriana izy indray alahady izay. Izaho no nanao ny lahateny ampahibemaso tamin’izay. Rehefa niditra i William, dia nanopy maso vetivety ny mpanatrika, ary nahita ahy terỳ amin’ny lampihazo, ka nihazakazaka nivoaka ny efitrano. Nanontaniako azy tatỳ aoriana ny antony nanaovany izany. Menatra izy namaly hoe: ‘Nadio loatra ny olona tao, ka tsy nahazo aina aho.’

Rehefa nandroso tamin’ny fianarany i William, dia nanomboka nanova ny fiainany ny fahamarinana ara-baiboly. Nandro izy, nanapa-bolo, nanao akanjo madio sy milamina tsara, ary tsy ela dia nanatrika fivoriana tsy tapaka. Rehefa nivoaka ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, dia nanomboka nianatra azy io izahay. Efa nandray anjara indroa tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika izy tamin’izany fotoana izany, sady efa mpitory tsy vita batisa. Faly be aho niarahaba azy tonga rahalahiko ara-panahy, rehefa natao batisa tamin’ny fivoriambe manokana iray izy.”

Oviana no takatr’i William voalohany ny hasarobidin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana? “Nahita nomerao sasany tao amin’ny taratasy nariana tao anaty fako, aho.” Eny, nahita harena tamin’izany fomba tsy nampoizina izany izy!

Fitoriana any amin’ny toeram-piasana

Moa ve isika mailo ka manararaotra ireo fahafahana hitory tsy ara-potoana any amin’ny toeram-piasantsika? Tamin’izany fomba izany no nahafantaran’i James, loholona iray ao amin’ny kongregasiona iray any Nairobi, ny fahamarinana ara-baiboly. Nanjary nahay nampiasa io fomba fitoriana amin’ny hafa io kosa izy. Indray mandeha, ohatra, dia nahita mpiara-miasa iray niditra ny birao i James, ary nisy karatra teny amin’izy io hoe: “Mamonjy i Jesosy.” Naka tahaka an’i Filipo, mpitory ny filazantsara, i James, ka nanontany an’ilay mpiara-miasa hoe: “Tena azonao ve ny dikan’ireo teny ireo?” (Asan’ny Apostoly 8:30). Nampiditra resaka nahafinaritra izany fanontaniana izany. Natomboka ny fianarana Baiboly, ary natao batisa io lehilahy io tatỳ aoriana. Nahavita nanampy olon-kafa koa ve i James? Aoka izy no hanazava:

“Niara-niasa tao amin’ny orinasa iray izahay sy i Tom. Matetika izahay no niara-nandeha tamin’ny aotobisin’ny orinasa. Sendra niara-nipetraka izahay indray maraina. Teo am-pamakiana ny iray amin’ny bokintsika aho, ary nataoko izay hahitan’i Tom tsara azy io. Araka ny nantenaiko indrindra fa voasarika ny sainy, ary faly aho nampindrana azy ny bokiko. Tena nampiaiky volana azy ny zavatra novakiny, ka nanaiky hianatra ny Baiboly izy. Ankehitriny, dia samy mpanompon’i Jehovah vita batisa izy sy ny vadiny.”

Hoy ihany i James: “Matetika no misy resaka tena mahaliana any amin’ny orinasanay, nandritra ny fiatoana amin’ny sakafo antoandro. Tamin’izay no nahitako an’i Ephraim sy i Walter, tamin’ny fotoana samy hafa. Fantatr’izy mirahalahy fa Vavolombelona aho. Liana ta hahafantatra ny antony ankahalan’ny olona aoka izany ny Vavolombelon’i Jehovah i Ephraim. I Walter kosa nanontany momba ny fahasamihafan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fivavahana hafa. Samy afa-po tokoa tamin’ny valin-teny araka ny Soratra Masina nomeko izy ireo, ka nanaiky hianatra. Nalaky nanao fandrosoana i Ephraim. Tamin’ny farany, dia samy nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah izy sy ny vadiny. Loholona izy izao, ary mpisava lalana maharitra ny vadiny. Tojo fanoherana mafy aoka izany anefa i Walter, ka nanary ny boky fianarany. Noho ny fikirizako anefa, dia niverina nianatra izy. Ankehitriny, dia manana tombontsoa ho loholona koa izy.” Tamin’ny fitambarany, dia olona 11 no tonga Kristianina marina, satria nanararaotra ny fahafahana hitory tsy ara-potoana tany amin’ny toeram-piasany i James.

Vokatra mampitolagaga indrindra

Tafaraka nandevina tao amin’ny tanàna iray, eo amoron’ny Farihy Victoria, ny havana aman-tsakaiza. Anisan’ireo mpandevina ny Vavolombelona zokiolona iray. Nanatona ny mpampianatra iray antsoina hoe Dolly izy, ary nanazava taminy izay manjo ny maty sy ny fikasan’i Jehovah hanaisotra mandrakizay ny fahafatesana. Rehefa voamariny fa nandray tsara i Dolly, dia nanome toky azy izy hoe: “Rehefa tafaverina any amin’ny tanàna niavianao ianao, dia hitsidika sy hampianatra Baiboly anao ny iray amin’ny misioneranay.”

Tanàna lehibe indrindra fahatelo, any Kenya, ny tanàna niavian’i Dolly. Tamin’izany fotoana izany, dia misionera Vavolombelona efatra monja no nanompo tany. Raha ny marina, dia tsy nampilaza ireo misionera mihitsy mba hitsidika an’i Dolly ilay rahalahy zokiolona. Natoky tanteraka fotsiny izy fa izany no hitranga. Ary izany tokoa no nitranga! Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nifankahita tamin’i Dolly ny anabavy misionera iray, ary nanomboka niara-nianatra taminy. Ankehitriny dia vita batisa i Dolly, misoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ny zanany vavy, ary vita batisa koa ny zanany roa lahy. Eny, nanatrika ny Sekolin’ny Mpisava Lalana mihitsy izy, ka nahita fifaliana.

Fikarakarana ilay fitomboana

Ny fanantitranterana ny fitoriana tsy ara-potoana dia nahatonga olona an’arivony maro hafa handre ny vaovao tsara, tany Kenya. Mpitory 15 000 mahery izao no revo amin’io asa tena lehibe io, ary maherin’ny 41 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, tamin’ny taon-dasa. Matetika no avo roa heny noho ny isan’ny mpitory ny isan’ny mpanatrika ny fivoriana, manerana an’i Kenya. Noho izany, dia nilaina ny Efitrano Fanjakana betsaka kokoa.

Misy Efitrano Fanjakana aorina any amin’ireo tanàn-dehibe sy any amin’ireo faritra mitokana. Iray amin’ireny ny tanàna kely mitokan’i Samburu, tokony ho 320 kilaometatra any avaratratsinanan’i Nairobi. Tamin’ny 1934, ilay tanàna dia nomena anarana hoe Maralal, izay midika hoe “manjelajelatra” amin’ny fiteny samburu, satria namirapiratra tao anatin’ny tara-masoandro ny tafo fanitso voalohany nampiasaina tao. Roa amby enimpolo taona tatỳ aoriana, dia nisy trano hafa iray mitafo fanitso naorina tao Maralal. “Manjelatra” sy “mamirapiratra” koa izy io, satria ao no fanolorana fanompoam-pivavahana marina eo an-toerana.

Nanao ezaka faran’izay tsara ireo mpitory 15, mba hanorenana ilay Efitrano Fanjakana voalohany tao amin’io faritra mitokana any Kenya io. Tsy nanam-bola firy ireo rahalahy, koa tsy maintsy niantehitra tamin’ny fitaovana teo an-toerana. Feta tany mena naraikitra mafy tsara tamin’ny tsato-kazo mahitsy, no nanaovany ny rindrina. Nolamaina tsara ny rindrina ary nolalorina tain’omby mifangaro lavenona, ka lasa lalotra mafy tsara izay maharitra taona maro.

Mba hahazoana ireo tsato-kazo ho an’ilay fanorenana, dia naka fahazoan-dalana hanapaka hazo ireo rahalahy. Tokony ho folo kilaometatra avy teo amin’ny tanànany anefa ny ala akaiky indrindra. Tsy maintsy nandeha an-tongotra nankany an’ala ireo rahalahy sy anabavy, ka nikapa hazo sy nanapaka ny tendrony roa, ary nitondra ireo tsato-kazo nankany amin’ilay toeram-panorenana. Indray mandeha, fony teny an-dalana avy tany an’ala ireo rahalahy, dia nosakanan’ny polisy, izay nilaza fa tsy ara-dalàna ny fahazoan-dalan’izy ireo. Nilaza tamin’ny mpisava lalana manokana iray ilay polisy fa hosamborina izy, satria nanapaka hazo. Nisy anabavy iray tompon-tany, fantatry ny mpiara-monina sy ny polisy tsara, tsy nisalasala nilaza hoe: “Raha misambotra ny anadahinay ianareo, dia tsy maintsy misambotra anay rehetra, satria samy nanapaka hazo daholo izahay!” Navelan’ilay miaramila nandeha daholo izy rehetra tamin’izay.

Nisy bibidia tany an’ala, koa nampidi-doza ny fandehanana tao. Indray andro, dia nanapaka hazo ny anabavy iray. Rehefa nipaka tamin’ny tany ilay izy, dia nahita biby iray nitsambikina sy nihazakazaka izy. Noheveriny fa antilopa afrikanina fotsiny ilay izy, satria nahita loko volontany vonivony niserana izy; fantany tamin’ny dian-tongony anefa, tatỳ aoriana, fa hay liona ilay izy! Na teo aza ireny loza ireny, dia vitan’ireo rahalahy ilay efitrano, ary porofo manome fiderana “manjelajelatra” ho an’i Jehovah izy io.

Andro iray lehibe teo amin’ny tantara teokratikan’i Kenya, ny 1 Febroary 1963. Nosokafana tamin’io andro io ny biraon’ny sampana voalohany, efitrano iray monja mirefy 7,4 metatra toradroa. Fotoan-dehibe hafa iray teo amin’ny tantara teokratikan’i Kenya ny 25 Oktobra 1997​—andro fitokanana ny tranon’ny Betela vaovao, mirefy 7 800 metatra toradroa! Ny fahavitan’ilay tetik’asa dia fara tampon’ny asa naharitra telo taona nataon’ny mpanompo nanolo-tena. Mpiasa an-tsitrapo avy tamin’ny firenena 25 samy hafa no nanova an’ilay tany feno fotaka sy bozaka, mirefy 3,2 hektara, ho toerana tsara tarehy toa zaridaina, misy ny biraon’ny sampana vaovao, ary ipetrahan’ny mpianakavin’ny Betela 80.

Manana ny antony rehetra hifaliana isika ny amin’izay nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany. Izy no isaorana, noho ny nandrisihany ny fon’ireo mpanompony, mba hanitatra ny fanompoana sy hanamafy ny fitadiavana ireo olona mendrika any Kenya, ka nahatonga azy io ho tanàna kanto dia kanto amin’ny ara-panahy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.