MIFOHAZA! No. 1 2025 | Ahoana no Hiatrehana ny Fiakaran’ny Vidim-piainana?
Manahy ve ianao satria miakatra foana ny vidim-piainana? Tsy maintsy miasa ela kokoa sy mafy kokoa ve ianao, izay vao mahita harapaka? Tsy dia manam-potoana iarahana amin’ny vady aman-janakao intsony ve ianao? Natao ho anao ny lahatsoratra ato amin’ity Mifohaza! ity raha izany, satria hanampy anao hanatsara ny fomba fiainanao sy hampihena ny adin-tsainao. Miresaka fanantenana azo antoka ny lahatsoratra farany, hoe ho tsara be ny fiainana. Mety hampahery anao izany dieny izao.
Ekeo ny Zava-misy
Hilamina kokoa ianao raha eken’ny sainao hoe miakatra ny vidim-piainana.
Mahaiza Mitantam-bola
Misy fomba dimy hitsitsiana vola ato.
Mahaiza Mianina
Afaka ny ho sambatra foana ianao na tsy dia manana aza. Ahoana no hanaovana an’izany?
Miezaha Halala-tanana
Hanampy anao hiatrika olana ara-bola ny hoe malala-tanana. Ahoana izany?
Manàna Fanantenana
Miresaka fanantenana tena azo antoka momba ny hoavy ny Baiboly. Afaka mampahery anao izany dieny izao.
Fanazavana Fanampiny
Manampy olona be dia be hiatrika ny fiakaran’ny vidim-piainana ny Baiboly, ary afaka manampy anao koa.

