Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandreraka ny Fiainana!

Mandreraka ny Fiainana!

Mandreraka ny Fiainana!

“Miasa be foana aho, sady tsisy fotoana raikitra, na andro na alina. Matetika aho no manao fandidiana ao amin’ny hopitaly iray, ary manenjika mankany amin’ny hopitaly hafa indray. Tsy manana afa-tsy minitra vitsy aho, nefa mitohana be ny fifamoivoizana.”—Dr. Peter Stuart, Afrika Atsimo.

AZONAO angamba ny manjo an’io dokotera io, na dia hafa mihitsy aza ny olana atrehinao. Mety ho sorena, ohatra, ianao rehefa mitohana ny fifamoivoizana, na tsy mifanaraka ianareo ao an-trano na any am-piasana. Betsaka ny zavatra mahatonga ny olona tsy ho tony. Tsy zava-baovao anefa izany.

Niaiky toy izao ny mpiady mahery fo iray, taonjato maro lasa izay: “Raiki-tahotra sy tora-kovitra aho, ary mipararetra mafy.” (Salamo 55:5) Efa zatra niatrika toe-javatra sarotra anefa io lehilahy io. Mpiandry ondry izy tamin’ny mbola kely, ary niady tamin’ny liona sy ny orsa ary miaramila goavam-be iray.—1 Samoela 17:4-10, 23, 24, 34-36, 41-51.

Marina fa tsy tiantsika ny ho reraka sy hitebiteby. Ilaina ihany anefa indraindray ny zavatra manaitra ny vatana sy ny saina. Manampy antsika hiatrika zava-tsarotra mantsy izany. Rehefa misy loza, ohatra, ka taitra isika, dia lasa mahavita zavatra tsy eritreretina ho vitantsika mihitsy. Raha nahazo asa maika isika, ka matahotra ny tsy hahavita an’ilay izy, dia mamokatra adrenalinina be dia be ny vatantsika. * Manampy antsika hamita an’ilay asa ara-potoana izany.

Tsy mampaninona raha indraindray ihany ianao no tsy tony. Ratsy kosa anefa raha efa ho lava ilay izy. Izany no “tena mankarary sy mampijaly ny olona indrindra”, hoy ny mpikaroka iray. Reraka loatra ve ny sainao na ny vatanao ka mila tsy ho zakanao? Mety hanontany àry ianao hoe: “Misy vahaolana ve?”

Soa ihany fa misy ny vahaolana! Ary natao ho an’ny olon-drehetra izany. Tsy aiza izy io fa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly, nefa manome fahendrena antsika. Hazavaina ao hoe nahoana no tena mampiady saina ny fiainana ankehitriny. Misy torohevitra azo ampiharina koa ao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Hormonina vokarin’ny vatana ny adrenalinina, ary manampy anao hiatrika zava-tsarotra na loza.