Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa ny Fianakaviana ve ny Miara-misakafo?

Mahasoa ny Fianakaviana ve ny Miara-misakafo?

Mahasoa ny Fianakaviana ve ny Miara-misakafo?

“Marina fa tantely amam-bahona ny fiainana. Tsy maintsy misakafo anefa isika na faly na ory. Mety ho falifaly daholo ny olon-drehetra, rehefa mihinana sakafo matsiro.”—Laurie Colwin, mpanoratra amerikanina.

FANAON’NY fianakaviana maro tany Eoropa sy Amerika taloha ny niara-nisakafo indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny. Tsy nisy nahazo nanao zavatra hafa tamin’io. Tsy nisy nijery tele na nihaino hira na nampiasa telefaonina. Nilamindamina ny mpianakavy, ka sady nisakafo no nifampizara hevitra mahasoa, nanamafy ny fifankatiavana, ary nifampitantara zavatra mampihomehy.

Efa tsy fanaon’ny fianakaviana maro intsony ny miara-misakafo. Nahoana? Mbola tsara ihany ve anefa ny miara-misakafo? Inona no soa ho azon’ny mpianakavy tsirairay amin’izany?

Tsy miara-misakafo intsony

Hoy i Robert Putnam, mpanoratra: ‘Tato anatin’ny 30 taona monja, dia tsy niara-nisakafo hariva intsony ny fianakaviana maro. Tsy hitahita akory dia niova ny fifandraisan’ny olona.’ Inona no antony? Voalohany, mafy ny fiainana, ka voatery miasa ora maro kokoa ny mpivady. Ny ray na reny tokan-tena no tena tsy manam-potoana, satria sahirana kokoa. Faharoa, mirotoroto ny fiainana, ka aleon’ny olona manao kibo an-tsena na mihinana maimaika. Be atao koa ny ankizy, satria mbola manao fanatanjahan-tena na zavatra hafa rehefa avy mianatra.

Misy koa lehilahy tsy te hody raha tsy efa matory ny zanany kely, satria tsy te hohelingelenina izy rehefa misakafo. Ny mpivady sasany indray mody aloha ihany, saingy ny ankizy no omeny sakafo voalohany dia ampatoriny, amin’izay izy mivady afaka mihinana milamina.

Lasa tsy miara-misakafo intsony ny fianakaviana. Fonosina fotsiny ny sakafo, dia mihinana avy hatrany izay tonga sady mijery tele, ary tsy misy mifampiresaka. Lasa fanao mahazatra izany. Misy mahatsara azy ihany ve anefa ny miara-misakafo?

Mbola mahasoa

Ny fiaraha-misakafo no fotoana tena tsara anehoana fitiavana amin’ny ankizy. Hoy i Miriam Weinstein ao amin’ilay boky hoe Tena Tsara ho An’ny Fianakaviana ny Miara-misakafo (anglisy): “Tafaraka amin-janany ny ray aman-dreny rehefa miara-misakafo hariva aminy, ka afaka maneho fiheverana azy. Tsy ny olana rehetra no ho voavaha eo, nefa mety hisy ho voalamina ihany sady tsy ilana ezaka be.”

Hoy i Eduardo, raim-pianakaviana, any Espaina: “Tamin’izaho mbola kely, dia niara-nisakafo antoandro foana ny fianakavianay, ary 11 no isanay. Niezaka nody antoandro foana i Dada. Tena tianay io fotoana io. Samy nitantara izay nataony ny tsirairay, ary nivazivazy sy nihomehy. Tsy hadinoko mihitsy ireny, ka nanapa-kevitra aho fa mba hanao toa an’i Dada.”

Tsy dia manana olana koa ny ankizy rehefa miara-misakafo amin’ny fianakaviany. Hitan’ny Foibem-pirenena Miady Amin’ny Fiankinan-doha Amin’ny Zava-mahadomelina any Etazonia fa tsy dia mitebiteby na sorena na varimbariana ny ankizy miara-misakafo amin’ny fianakaviany indimy isan-kerinandro, ary tsara kokoa ny naotiny.

Hoy koa i Eduardo: “Manampy ny ankizy hilamin-tsaina ny miara-misakafo amin’ny fianakaviany. Tsy sahiran-tsaina ireo zanakay vavy hoe rahoviana no hiresaka zavatra aminay. Afaka manao izany foana izy satria miara-misakafo izahay isan’andro. Fantatro foana àry ny olana mahazo azy ireo.”

Salama koa ny ankizy rehefa miara-misakafo amin’ny fianakaviany. Milaza ny Oniversiten’i Navarre fa atahorana kokoa halain-komana lava na ho tendan-kanina ny olona misakafo irery. Hoy i Esmeralda, manan-janaka roa: “Mahatsiaro ho voakarakara ny ankizy rehefa zatra miara-misakafo ny fianakaviany. Milamin-tsaina izy satria mahatsapa hoe tiana.”

Afaka mampianatra ny zanakao momba an’Andriamanitra koa ianao amin’io fotoana io. Nila nanokana fotoana iarahana amin-janany ny Israelita fahiny mba hampianarany azy ireo ny didin’Andriamanitra. (Deoteronomia 6:6, 7) Hoy i Ángel, manan-janaka roa: “Miara-mivavaka sy mandinika ny Baiboly izahay, alohan’ny hisakafo. Manatanjaka ny finoanay izany.” Hita tokoa fa betsaka ny soa raisina rehefa miara-misakafo. Inona àry no nataon’ny fianakaviana sasany?

Inona no azo atao?

Hoy i Esmeralda: “Ilaina ny fahavononana sy ny fahaizana mandamina fotoana. Tokony ho vonona hiandry an’izay tonga farany ao an-trano ny rehetra.” Hoy koa i Maribel, manan-janaka roa: “Miezaka miara-misakafo hariva foana izahay.” Amin’ny faran’ny herinandro ny fianakaviana sasany dia efa manomana ny sakafo hariva hohaniny mandritra ny herinandro manaraka.

Hevero ho zava-dehibe koa ny fiaraha-misakafo. Hoy i Eduardo: “Nila nandamina ny asako aho mba hodiako alohan’ny sakafo hariva. Tsy nanenenako izany. Fantatro kokoa izao ny zava-misy ao an-trano, satria mihaino tsara ny fianakaviako aho rehefa miara-misakafo izahay. Tsy rariny mantsy raha mandany fotoana be amin’ny asako aho isan’andro, nefa tsy dia miraharaha azy ireo.”

Tsy tokony hisy zavatra hanelingelina anareo koa rehefa misakafo. Hoy i David, 16 taona: “Tsy misy tele ao amin’ny efitra fisakafoanay, ka afaka mitantara zavatra amin’i Dada sy Neny izahay. Matetika ry zareo no manoro hevitra anay. Tsy miresaka firy amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy ankehitriny. Na efa ao an-trano daholo aza ny rehetra, dia samy maka ny sakafony fotsiny, ary mijery tele. Tsy tsapany hoe voa mafy ry zareo.” Hoy i Sandra, 17 taona: “Malahelo aho rehefa misy ankizy miteny amiko hoe: ‘Inona àry izao no sakafo navelan’i Neny ao amin’ny frizidera ao?’ Izahay ao an-trano anefa sady miara-misakafo no miara-mihomehy sy miresaka ary mifaneho fitiavana.”

Hoy ihany ilay boky etsy aloha: ‘Betsaka ny zavatra mandreraka isan’andro. Maivamaivana anefa isika rehefa miara-misakafo amin’ny fianakaviana.’ Tsy vitan’izay fa mampifankatia izany. Be atao ve ianao? Miaraha àry misakafo, fa hanampy anareo hiala sasatra kely sy hiresadresaka izany. Ho hitanao fa handray soa ianareo.

[Efajoro/Sary, pejy 15]

REHEFA MIARA-MISAKAFO DIA MIEZAHA...

Hiresaka. Mila ampianarina miresaka sy mihaino amim-panajana ny ankizy. Hahay voambolana vaovao sy hahay haneho hevitra izy amin’izay.

Hihinana sakafo mahasalama sy tsy hanovaova ny ora fihinanana.

Hahalala fomba. Mianara mizara ary aza miady an-kanina. Jereo koa izay ilain’ny hafa.

Hifanampy. Asaivo mametraka ny vilia eo amin’ny latabatra ny ankizy, na mandoatra ho an’ny hafa, na koa manadio ny latabatra avy nihinanana. Asaivo mikarakara sakafo kosa izy, rehefa lehibebe.