Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manampy ve ny Ray Aman-dreny?

Afaka Manampy ve ny Ray Aman-dreny?

Afaka Manampy ve ny Ray Aman-dreny?

NILAZA toy izao tamin’ny mpianatry ny lise ny fikambanana iray misahana ny fampianarana any Etazonia: “Asehoy fa manao izay fara herinareo ianareo.” Te hanatratra ny tanjony ny tanora sasany, ka manao mihoatra noho izay vitany. Hoy i Madeline Levine, voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha: “Ankizy maro no manao zavatra be loatra, ka mety harary. Manaraka fianarana vita haingana mantsy izy. Eo koa ireo zavatra hafa fanaon’ny sekoly ivelan’ny ora fianarana. Omaniny aloha be ny fidirana eny amin’ny lise na oniversite. Manampy trotraka izany koa ireo mpampianatra manokana, izay mampirisika ny ankizy hiezaka mafy.” Harary sy ho kivy ny mpianatra, raha izany foana no ataony.

Te hanampy ny zanakao ve ianao? Mandehana àry mankany am-pianarany, ary miresaha amin’ny mpampianatra sy ny tompon’andraikitra. Lazao azy ireo izay mampanahy anao. Zonao izany!

Asain’ny Baiboly manara-maso akaiky ny fivoaran’ny sain’ny zanany ny ray aman-dreny. Hoy i Mosesy tamin’ireo ray aman-dreny israelita: “Alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao [ny lalàn’Andriamanitra] ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.”—Deoteronomia 6:7.

Tsy mitsabaka amin’ny fiainan’ny zanakao akory ianao, raha liana amin’ny fianarany. Midika kosa izany fa te hanampy azy ianao. Amin’izay dia tsy hiferinaina firy intsony ny zanakao any am-pianarana.

[Sary, pejy 8, 9]

Resaho amin’ny mpampianatra ny zavatra mahazo ny zanakao