Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Vavam-borona Miavaka

Ilay Vavam-borona Miavaka

Nisy Namorona Ve?

Ilay Vavam-borona Miavaka

◼ Any Amerika Afovoany sy Atsimo no ahitana io vorona atao hoe tokà (toucan) io. Tsy dia manidina izy io fa mitsambikimbikina fotsiny. Toy ny feona sahona ny feon’ny sasany fa mafy kokoa, ka re hatrany amin’ny iray kilaometatra. Ny tena mahavariana ny mpahay siansa angamba anefa dia ny vavany.

Diniho izao: Tena lava ny vavan’ny tokà sasany, satria mihoatra ny ampahatelon’ny halavany. Ngeza koa ilay izy, nefa tsy mavesatra. Nilaza i Marc Meyers, mpahay siansa, fa ahitana karazana proteinina atao hoe “keratinina izy io, toy ny hoho sy ny volo. Hoatran’ny taila bitika kely be dia be ilay izy, izay misy lafiny enina ary mifanindrinindry toy ireny amin’ny tafo ireny.”

Toy ny spaonjy mafy ny vavan’io vorona io. Misy faritra poakaty sy tsiratsiraka ary zavatra hoatran’ny kirany manify ilay izy. Izany no mahatonga azy io ho maivana nefa tena mafy. Raha tsy manam-pahaizana tsy mahavita zavatra mafy be nefa maivana kely hoatr’izany.

Tsy maninona mihitsy ilay vorona na sendra midona mafy aza, satria miaro azy ny vavany noho ny firafitr’izy io. Mino ny manam-pahaizana fa azo alaina tahaka izy io, rehefa manamboatra raoplanina sy fiara. Hoy i Meyers: “Raha atao mitovy firafitra amin’ny vavan’ny tokà ny vatan’ny fiara, dia ho voaro kokoa ny olona ao anatiny rehefa misy loza.”

Ahoana no hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny vavan’io vorona io, izay tena mafy nefa maivana? Sa nisy namorona?

[Kisary/Sary, pejy 17]

(Jereo ny gazety)

Poakaty

Toy ny firafitry ny spaonjy