Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Votry

Votry

Nisy Namorona Ve?

Votry

▪ Mahavariana an’ireo injeniera ny votry. Fotaka sy rora no nanaovana an’io tranom-bitsika mijoalajoala io. Mety hahatratra 6 metatra ny haavony, ary 45 santimetatra ny sakany. Nodanihin’ny masoandro ilay fotaka, ka lasa mafy be toy ny rihitra simenitra maina. Vita ao anatin’ny indray alina monja ny votry sasany!

Ao afovoan’ny votry no mipetraka ny mpanjakavavin’ireo vitsika. Mety hahatratra an’arivony isan’andro ny atodiny. Mitaona an’ireo atody any amin’ny efitra manokana ireo “vitsikazo mpanompo”, izay sady jamba no tsy misy elatra. Ao amin’izy ireny no ikarakarana an’ireo olitra kely rehefa foy ny atody. Ny tena mahavariana anefa dia hoe azon-drivotra tsara ny ao anatin’ireny votry ireny.

Diniho izao: Misy efitra sy lalantsara maro be ao anaty votry. Tsy miova mihitsy ny mari-pana ao anatiny noho izany, na dia miovaova aza ny mari-pana etỳ ivelany. Miovaova, ohatra, ny mari-pana any Zimbabwe: 2 degre eo ho eo izany amin’ny alina ary maherin’ny 38 degre amin’ny antoandro. Tsy miova anefa ny mari-pana ao anaty votry, fa 31 degre foana. Nahoana?

Misy lavaka fidiran’ny rivotra eny amin’ny fanambanin’ny votry. Miditra eo ny rivotra madio, ary manosika ny rivotra maloto sy mafana hivoaka any ambony. Mivezivezy manerana an’ireo efitra sy lalantsara ilay rivotra madio sy mangatsiatsiaka. Sokafan’ny vitsikazo sy hidiany ireo lavaka fidiran’ny rivotra, mba hahatonga ny mari-pana tsy hiovaova. Tena ilaina izany mba hampaniry tsara an’ireo holatra amboleny, izay tena foto-tsakafony.

Mahavariana tokoa ny fomba ataon’ny vitsika mba hahatonga ny rivotra hifamezivezy tsara ao an-tranony. Naka tahaka izany ny injeniera rehefa nanorina trano fiasana tany Zimbabwe. Tsy mandany herinaratra firy io trano io. Avo folo heny noho ny herinaratra ampiasaina amin’io trano io, no ampiasaina any amin’ny trano mitovy habe aminy, mba hampangatsiatsiaka azy.

Ahoana no hevitrao? Kisendrasendra ve izany fahaizan’ny vitsikazo izany? Sa midika izany fa nisy namorona ny vitsikazo?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Ambony: Stockbyte/Getty Images; ambany: Scott Bauer/Agricultural Research Service, USDA