Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Ilaina ny Manatona Mpitsabo Nify?

Nahoana no Ilaina ny Manatona Mpitsabo Nify?

Nahoana no Ilaina ny Manatona Mpitsabo Nify?

MATETIKA no mbola tanora ny olona dia efa banga na marary nify. Soa ihany anefa fa efa misy fitsaboana nify ankehitriny. Maharatsy tarehy mantsy izany hoe mainty nify, na soso-nify, na banga izany. Manjary tsy ampy sakafo sy maty aloha be koa ny zokiolona, rehefa banga ka tsy afaka mitsako. Afaka misoroka areti-nify ny ankamaroan’ny olona manatona mpitsabo nify. Mety tsy ho banga mihitsy koa izy, ary ho tsara tsiky foana. Ahoana no ahavitan’ny mpitsabo nify an’ireo zavatra telo tena miavaka ireo?

Tena ilaina ny fikojakojana ataon’ny mpitsabo nify, sy ny fampianarana ny olona hikarakara ny nifiny, ary ny fizahana tsy tapaka, mba hisorohana ny areti-nify sy ny fahabangana. Hoy i Jesosy: “Tsy ny salama no mila dokotera.” (Lioka 5:31) Mandray soa maro àry ny olona nampianarina hikarakara nify sy ativava, ka mahalana vao mila mitsabo nify. * Maro anefa no tsy manatona mpitsabo. Nahoana? Manao tsirambina fotsiny ny sasany. Ny hafa indray mieritreritra hoe lafo ny saram-pitsaboana. Ao koa ny matahotra. Na ahoana na ahoana, dia tsara ny mieritreritra hoe: Inona no tena asan’ny mpitsabo nify? Mety hahasoa ahy ve ny mankany? Mba hahazoantsika tsara ny maha zava-dehibe ny fikojakojana ataon’ny mpitsabo nify, dia mila fantarintsika hoe inona no iezahan’izy ireo sorohina.

Inona no mahasimba ny nify?

Afaka manampy anao mba tsy hijaly noho ny areti-nify na ny nify banga ny mpitsabo. Miaro ny nifinao tsy ho simban’ny tainify feno bakteria izy ireo. Mampiroborobo ny bakteria mantsy ny poti-kanina. Ovan’izy ireny ho asidra ny siramamy, ka manimba ny bakolinify sy mahatonga azy hisy loadoaka kely. Mitatra io loaka io avy eo. Mbola tsy mandre maharary ianao hatreo, saingy mety hanaintaina mafy rehefa tonga any amin’ny atinify ilay izy.

Mbola misy zavatra hafa ataon’ny bakteria. Raha tsy voaborosy tsara ny tainify, dia hihamafy ary ho lasa kitro. Mety hampaharary ny hihy sy hampiendaka azy amin’ny nify izany. Manjary misy elanelany ny nify sy ny hihy, ary raha misy poti-tsakafo tavela ao, dia vao mainka mahazo aina ny bakteria ka mety hanimba ny hihy. Misy azon’ny dokotera atao amin’izay. Raha tsy karakarainao anefa ilay izy, dia ho simba tanteraka ny hihinao ka hiala ho azy ilay nify. Maro kokoa ny nify miala noho io antony io, raha ampitahaina amin’ny nify miala noho izy loaka.

Miaro ny nifinao amin’ireo aretina roa entin’ny bakteria ireo anefa ny roranao. Ao anatin’ny 15 na 45 minitra no anesoran’ny rora ny poti-tsakafo sy hampihenany ny asidra amin’ny tainify, na nisakafo be ianao na nihinana bisikoỳ iray monja. Miankina amin’ny habetsahan’ny siramamy sy poti-tsakafo mipetaka amin’ny nifinao io fotoana io. Toa mandritra io fotoana io ny nifinao no simba. Tsy ny habetsahan’ny zava-mamy haninao loatra àry no tena manimba ny nifinao, fa ny fihinananao izany matetika. Mihena koa ny rora rehefa matory ny olona. Noho izany, ny tena manimba ny nify dia ny mihinana na misotro zava-mamy, nefa tsy miborosy nify fa matory avy hatrany. Misy milaza kosa anefa fa mampitombo ny rora ny fitsakoana siligaoma tsisy siramamy aorian’ny sakafo, ka miaro ny nify.

Fikojakojana ataon’ny mpitsabo nify

Asain’ny mpitsabo nify mizaha nify indray mandeha na indroa isan-taona ny olona, arakaraka ny fahasalaman’ny nifiny. Mety hanao radio izy amin’izany, mba handinihana tsara ny nifinao sao misy loaka. Mampiasa fanafody fanadontoana sy fitaovana fandoahana nify izy matetika, ka afaka manentsina izay loaka hitany, nefa tsy hampanaintaina anao. Matahotra be anefa ny olona sasany. Lazera na ranon-javatra mandevona ny faritra simba àry no ampiasain’ny dokotera sasany amin’izy ireny. Tsy dia ilaina loatra na tsy ilaina mihitsy ny fanadontoana na ny fitaovana fandoahana nify amin’izay. Ahoana indray no ataony amin’ny ankizy? Dinihiny tsara ny vazana vao maniry, sao misy vaky na triatra ny tampony ka tsy ho voadion’ny borosinify. Mety hotsentsenany ilay izy, ary hataony malama tsara, mba ho mora diovina ka ho voaro tsy ho simba.

Fisorohana ny aretin’ny hihy kosa no tena ataon’ny dokotera rehefa mitsabo olon-dehibe izy. Kikisany hiala àry izay kitronify hitany. Mety hampianatra anao hiborosy nify tsara koa izy. Matetika mantsy no misy faritra tsy voadion’ny olona isaky ny miborosy nify izy. Efa misy dokotera niofana manokana ho amin’izany fampianarana sy fanadiovana nify izany any amin’ny tany sasany.

Fanamboarana nify

Raha manana nify simba, na banga na sosona ianao, dia ho faly hahafantatra fa mampiasa teknika vaovao maro ny mpitsabo nify mba hanamboarana izany. Lafolafo ihany ny saram-pitsaboana, ka mila mandinika tsara ianao sao tsy ho takatry ny volanao izany. Olona maro anefa no mahita fa andraisan-tsoa izany fitsaboana izany, na dia mety ho lafo aza. Mety ho afaka hitsako indray mantsy ianao. Mety hanjary ho tsara kokoa ny tsikinao, ary zava-dehibe izany satria mety hisy vokany eo amin’ny fiainanao mihitsy ny nify simba.

Raha tapaka na misy tasy tsy mety afaka ny nifinao anoloana, dia mety hopetahan’ny dokotera zavatra fotsifotsy vita amin’ny bakoly, mitovy loko amin’ny nify. Ataony miraikitra tsara amin’ilay nify ilay izy, mba hahatonga azy io ho tsara indray. Raha simba be ilay nify, dia mety hosaronana volamena na zavatra hafa mitovy amin’ny nify. Io ilay antsoina hoe koraonina.

Ary raha manana nify banga ianao? Azo asiana solonify izy io. Misy karazany maro ny solonify. Ny sasany azo esorina. Ny hafa kosa tena miraikitra, izany hoe misy zavatra mihazona azy amin’ireo nify eo akaikiny. Misy karazana solonify hafa tena be mpitia koa izao. Asitrika any anatin’ny taolan’ny valanorano mifanitsy amin’ilay nify banga ny visy hametahana an’ilay solonify. Avela hiverina amin’ny laoniny ny taolana sy ny nofo, ary avy eo araikitra amin’ilay visy ilay solonify. Mitovitovy amin’ny tena nify mihitsy ilay izy.

Mety hahamenatra ny nify sosona, ary sarotra diovina ka mora simba. Mety hanasarotra ny fitsakoana sy hampanaintaina, ny nify tsy milahatra tsara. Soa ihany fa misy dokotera manana vahaolana amin’izany, dia ny fitaovana vy fanitsiana nify. Mandroso be ny teknika fanamboarana azy ireny, ka efa misy izao ny karazany tsy dia manintona maso loatra sady tsy mila ahitsy matetika be.

Ankoatra izany, dia misy dokotera mitady fomba hitsaboana ny olona maimbo vava. Tsindraindray ihany vao maimbo vava ny ankamaroan’ny olona, fa misy kosa maimbo vava foana. Misy antony maromaro mahatonga izany, ary manana fitaovana hamantarana izany ny dokotera sasany. Ny bakteria any amin’ny foto-dela matetika no miteraka fofona. Manala izany fofona izany ny fiborosiana na ny fikikisana ny lela, na ny fitsakoana siligaoma tsisy siramamy, izay mampitombo ny rora. Tena ilaina ny manadio ny ativava, rehefa avy mihinana hena na trondro na zavatra vita amin’ny ronono.

Ahoana no handresena ny tahotra?

Tena matahotra ny hanatona mpitsabo nify ve ianao? Azo antoka fa te hanampy anao handresy an’izany tahotra izany ny dokoteranao. Lazao aminy àry ny fanahianao. Lazao aminy mialoha hoe inona no fihetsika hataonao amin’ny tanana rehefa mahatsiaro manaintaina ianao, na matahotra. Maro no lasa tsy dia natahotra rehefa nanao izany.

Matahotra ny ho bedy koa angamba ianao, na manahy sao hovasohiny hoe tsy mahakarakara nify. Azo inoana anefa fa tsy mitombina ny fanahianao, satria handositra ny kilià raha ataon’ny dokotera toy izany. Tsara fanahy amin’ny kiliàny mihitsy aza ny ankamaroan’ny mpitsabo nify.

Maro no tsy manatona mpitsabo nify satria matahotra sao ho lafo be ny sarany. Raha afaka mizaha nify anefa ianao izao, dia mety hisoroka olana ary tsy ho voatery handoa saram-pitsaboana lafo be any aoriana. Efa misy izao ny toeram-pitsaboana azo isafidianana, mifanaraka amin’ny toe-bolan’ny tsirairay. Na ny toeram-pitsaboana tsotsotra aza mety hanana fanaovana radio sy fitaovana fandoahana nify. Tsy dia mahare maharary ny olona amin’ny ankamaroan’ny fomba fitsaboana ataon’ireny dokotera ireny. Tsy lafo koa ny vidin’ny fanafody fanadontoana ka takatry ny volan’ny ankamaroan’ny olona, eny fa na dia ireo tsy be vola aza.

Ny hanala fanaintainana no imasoan’ny mpitsabo nify fa tsy ny hampisy fanaintainana. Tsy mampijaly toy ny taloha intsony izao ny fitsaboana nify. Manatsara ny fahasalamanao sy manampy anao hankafy kokoa ny fiainana ny nify salama. Koa nahoana raha manatona mpitsabo nify? Mety tsy hampoizinao fa tena hahasoa anao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny fanampiana omen’ny mpitsabo nify no tena horesahina ato. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ataovy Izay Hahatsara ny Tsikinao”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 2005, raha tianao ho fantatra izay azonao atao mba hiarovana ny nifinao.

[Kisary, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

Nify Salama

Vatanify

Bakolinify

Taolam-potsy

Atinify misy lalan-dra sy hozatra

Fakany

Hihy

Taolana

[Kisary, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

Nify Simba

Loaka

Tsentsenana ny loaka mba tsy hitatra

[Kisary, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

Hihy Marary

Tainify: tokony hoborosina na hesorina amin’ny kofehy

Kitronify: sarotra esorina ary mampihena ny hihy

Hihy mihena

[Kisary, pejy 30]

(Jereo ny gazety)

Fanamboarana Nify

Zavatra fotsifotsy apetaka amin’ny nify

Koraonina

Solonify misy visy

Solonify miraikitra: koraonina roa no mihazona azy amin’ireo nify eo akaikiny