Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fomba Dimy Mora Ahitana Asa

Fomba Dimy Mora Ahitana Asa

Fomba Dimy Mora Ahitana Asa

IZA no mahazo asa tsara indrindra? Izay tena mahafeno fepetra foana ve? “Tsia”, hoy i Brian, mpanolo-tsaina momba ny asa. “Izay olona tena mahay mitady asa matetika no mahazo an’izany.” Inona àry no azonao atao mba hahaizanao hitady asa kokoa? Andeha isika hijery soso-kevitra dimy.

Mahaiza mandamin-javatra

Mora kivy ianao raha very asa tsara, na efa elaela no tsy an’asa. Hoy i Katharina, mpanjaitra any Alemaina: “Tamin’izaho vao very asa, dia nanantena aho fa hahita hafa. Nandeha teny anefa ny fotoana, fa mbola tsy nahita ihany aho. Kivy be aho. Lasa tsy tiako mihitsy na dia ny niresaka an’ilay izy tamin’ny namako aza.”

Ahoana no handresenao ny fahakiviana? Izao no soso-kevitry ny boky iray ho an’ny olona mitady asa: ‘Tena mila manana fandaharam-potoana ianao, ka tokony hataonao toy ny hoe miasa ihany ianao. Vao maraina amin’izay dia efa fantatrao izay tokony hataonao.’ Manoro hevitra koa ilay boky hoe tokony “hanana tanjona ianao isan’andro, ary tokony hanoratra izay zavatra vitanao.” Ankoatra izany, dia “tokony hiakanjo toy ny hoe handeha hiasa ianao isa-maraina.” Nahoana? “Hatoky tena kokoa ianao raha miakanjo tsara, na dia miresaka an-telefaonina aza.”

Tsy maintsy ataonao lahasa àry ny mitady asa, na dia elaela aza ianao vao mety hahita. Izany no nataon’i Katharina, ilay noresahina tetsy aloha. Hoy izy: “Nangatahiko tany amin’ny sampan-draharaha manampy ny olona hahita asa, ny adiresy sy nomerao telefaonin’ny olona nitady mpiasa. Nanoratra tany amin’ny orinasa nanao filazana an-gazety koa aho. Nojereko tsara ny boky misy ny anaran’ny olona manana telefaonina, ka nataoko lisitra izay orinasa mety hisy asa mbola tsy nanaovana filazana. Nanontany azy ireo aho avy eo. Nanoratra taratasy milaza ny mombamomba ahy koa aho, ka nalefako tany.” Nahita asa nety taminy i Katharina tamin’ny farany, rehefa avy nitady tsara toy izany.

Fantaro izay asa mbola tsy nanaovana filazana

Ny mpanarato mampiasa harato faran’izay lehibe no azo antoka indrindra fa hahazo trondro. Toy izany koa fa tsy maintsy mampiasa fomba faran’izay betsaka ianao, vao azo inoana kokoa fa hahita asa. Raha tsy mijery afa-tsy ny filazana ao amin’ny gazety na Internet ianao, dia mety tsy ho hitanao ny ankamaroan’ny asa mbola tsy misy manao. Maromaro ihany anefa ny asa mbola tsy nanaovana filazana mihitsy. Ahoana àry no mety hahitanao azy ireo?

Aza mianina fotsiny amin’ny fanoratana any amin’ny orinasa nanao filazana. Toa an’i Katharina, dia tsy maintsy manokana fotoana ianao isan-kerinandro, mba hanontaniana izay orinasa heverinao fa mety hisy asa azonao atao. Aza miandry azy ireny hanao filazana. Raha milaza ilay mpampiasa fa tsy manana asa omena anao, dia anontanio izy sao mba mahalala orinasa hafa azonao hatonina, ary iza no tokony hiresahanao. Raha misy orinasa atorony anao, dia mifanaova fotoana amin’ny tompon’andraikitra ao, ary lazao ny anaran’ilay olona naniraka anao.

Izany no nataon’i Tony, ilay noresahina tany aloha, ka nahitany asa. Hoy izy: “Nanontany orinasa maromaro aho, na dia tsy nanao filazana aza ry zareo. Nilaza ny orinasa iray fa mbola tsy nisy asa azony nomena ahy, ka nasainy niverina aho rehefa afaka telo volana. Niverina tokoa aho, ka nahazo asa.”

Toy izany koa no nataon’i Primrose, reny tokan-tena atsy Afrika Atsimo. Hoy izy: “Nahatsikaritra trano vao namboarina aho, teo ampitan’ny sekoly nianarako fitsaboana vonjimaika. Reko hoe hatao trano fitaizana ny be antitra ilay izy. Niezaka foana aho ny hihaona tamin’ilay tompon’andraikitra tao. Niteny tamiko anefa izy rehefa tafahaona izahay, fa mbola tsy nisy asa azony nomena. Na izany aza, dia niverimberina tany aho mba hanontany raha afaka miasa ao, na tsy handray karama aza. Voaray aho tamin’ny farany, saingy tsy mpiasa raikitra. Nataoko tsara daholo izay asa nampanaovina ahy. Nahazo traikefa fanampiny àry aho, ka voaray ho mpiasa raikitra tamin’ny farany.”

Azonao atao koa ny mangataka amin’ny havana na namana na olon-kafa, mba hanampy anao hahita asa mbola tsy nanaovana filazana. Izany no nataon’i Jacobus atsy Afrika Atsimo, ka nahitany asa. Hoy izy: “Rehefa nikatona ny orinasa niasako, dia nilazako ny havako sy ny namako fa nitady asa aho. Sendra nahare vehivavy roa nifampiresaka ny namako, indray andro, tamin’izy nilahatra tao amin’ny fivarotana lehibe. Nanontany an’ilay niresaka taminy ilay vehivavy iray, sao dia nahalala olona nitady asa. Notapahin’ilay namako ny resak’izy ireo, ary nolazainy tamin’ilay vehivavy ny momba ahy. Natao ny fotoana, ary azoko ilay asa.”

Aza miavona asa

Tsy tokony hiavona asa ianao, raha te hahita asa. Hoy i Jaime, ilay noresahina tany aloha: “Tsy voatery hahita asa tena hahafa-po anao ianao. Tsy maintsy mianatra mianina amin’ny asa tsy dia tianao loatra ianao.”

Mila miezaka tsy hanambany ny karazan’asa sasany angamba ianao. Jereo, ohatra, i Ericka, any Meksika. Nianatra ho sekretera izy, nefa tsy nety nahita ny karazan’asa tiany, tamin’ny voalohany. Hoy izy: “Nataoko izay nitiavana ny asa rehetra azo natao. Niasa tamina fivarotana aho tamin’ny voalohany. Nivarotra nem teny amoron-dalana sy niasa an-trano koa aho. Nahita ilay asa tiako ihany aho tamin’ny farany.”

Nahatsapa koa i Mary, ilay noresahina tany aloha, fa tsy mety ny miavona asa. Mpiasa birao izy taloha. Hoy izy: “Tsy nieritreritra aho hoe tsy maintsy hahita asa nitovy tamin’iny. Nojereko daholo sao nisy azoko natao ny asa rehetra hitako, na dia ny asa mety hoheverin’ny olona sasany ho ambany aza. Nahita asa namelomana ny zanako roa àry aho.”

Omano tsara ny CV

Tsy maintsy manome taratasy milaza ny mombamomba azy sy ny zavatra hainy, ny olona maniry ho mpitantana orinasa. * Na inona na inona anefa asa angatahinao, dia tokony homaninao tsara foana io CV io, satria mety tena hahasoa anao. Hoy i Nigel, mpanolo-tsaina momba ny asa any Aostralia: ‘Tsy ny momba anao ihany no ho fantatry ny mpampiasa amin’ny CV, fa ny zavatra efa vitanao sy ny antony ilany anao koa.’

Inona àry no hosoratanao ao amin’izy io? Ataovy ao ny anaranao manontolo, adiresy, nomerao telefaonina, ary adiresy e-mail. Lazao ilay asa angatahinao. Tanisao ny fianarana nataonao, ary asongadino izay fiofanana sy fahaizanao mifandray amin’ilay asa. Lazao amin’ny an-tsipiriany ny asa nataonao taloha. Aza mijanona hatreo, fa tanisao koa ny tanjona efa tratranao sy ny soa noraisin’ny mpampiasa anao taminao. Asongadino koa izay zavatra nataonao tamin’ilay asanao taloha, ka mahatonga anao hahafeno fepetra ho amin’ilay asa vaovao. Lazao ny mombamomba anao, toy ny toetra tsara anananao sy ny zavatra mahaliana anao ary ny fialam-bolinao. Tsy mitovy ny zavatra ilain’ny orinasa tsirairay, ka tsy maintsy ampifanarahinao amin’izay asa angatahinao, ny zavatra soratanao ao amin’ilay CV.

Tokony hanao CV ve ianao, raha vao voalohany no hitady asa? Eny. Mety ho be dia be ny zavatra efa nataonao, ka azo lazaina hoe traikefa ilaina amin’ny asa. Inona, ohatra, no fialam-bolinao? Mandrafitra ve? Sa manamboatra fiara simba? Azo soratana ao izany. Efa nanao asa tsy nandraisan-karama ve ianao? Lazao hoe inona ilay izy, ary tanisao ny tanjona efa tratranao.—Jereo ilay efajoro hoe “CV Modely ho An’izay Mbola Tsy Niasa Mihitsy.”

Raha tsy afaka mihaona amin’ilay mpampiasa ianao, dia mametraha karta misy ny anaranao, adiresy, nomeraon-telefaonina, adiresy e-mail, ary filazana fohifohy ny zavatra hainao sy efa vitanao. Tsara raha 10 santimetatra ny sakany, ary 15 santimetatra ny halavany. Azonao asiana ny sarinao na ny sarinareo mianakavy mihitsy aza ao ambadik’ilay izy, raha mety. Zarao amin’izay rehetra mety hanampy anao hahita asa koa izy io. Iangavio izy ireo mba hanome azy io an’izay olona fantany fa manana ny karazan’asa tadiavinao. Rehefa mahita an’io karta io ny mpampiasa, dia mety hampiantso anao sy hanadinadina anao, ary mety hanome asa anao mihitsy aza!

Hanampy anao hatoky tena kokoa ny fanaovana CV. Izao no tenin’i Nigel, ilay noresahina tetsy aloha: ‘Manampy anao hahita tsara izay holazainao sy ny tanjonao, ny fanaovana CV. Lasa matoky tena ianao, ka ho vonona amin’izay fanontaniana mety hapetraka aminao mandritra ny fanadinadinana.’—Jereo ilay efajoro eo amin’ny pejy faha-7.

Miomàna tsara rehefa hoadinadinina

Inona avy no tokony hatao? Azonao atao ny miezaka hamantatra ilay orinasa tianao hiasana. Ho vonona kokoa ho amin’ilay fanadinadinana ianao, raha mahalala tsara an’ilay orinasa. Hanampy anao hahafantatra koa izany, raha tena misy an’ilay karazan’asa tadiavinao ao amin-dry zareo. Ho fantatrao raha mety aminao ny miasa ao na tsia.

Eritrereto avy eo ny akanjo hanaovanao amin’ilay fanadinadinana. Raha asa tanana ilay angatahinao, dia manaova akanjo mifanaraka amin’izany, nefa milamina sy madio. Ho hitan’ilay mpampiasa amin’izay fa manaja ny tenanao ianao, ka azo inoana fa hanaja ny asanao. Raha asa birao no angatahinao, dia manaova akanjo mifanentana amin’izany nefa maotina, arakaraka izay mety eo amin’ny faritra misy anao. Hoy i Nigel: “Fidio aloha be ny akanjo hanaovanao, mba tsy hirotoroto ianao alohan’ilay fanadinadinana, ka vao mainka hitebiteby.”

Manoro hevitra koa izy hoe tokony ho tonga fahefatr’adiny alohan’ilay fanadinadinana ianao. Tsy tsara ny tonga aloha loatra, nefa ny tara no tena ratsy. Milaza ny manam-pahaizana, fa ireo telo segondra voalohany amin’ilay fanadinadinana no zava-dehibe indrindra. Amin’io fotoana fohy io ilay mpanadinadina no mitsara ny fomba fitafinao sy ny taovolonao ary ny fihetsikao. Miankina be dia be amin’izany ny fiheverany anao. Raha tara ianao, dia hihevitra izy fa tsy mahafeno fepetra ianao. Tadidio anefa fa tsy hisy fomba azo anonerana izany intsony any aoriana.

Ataovy ao an-tsaina koa hoe tsy fahavalonao ilay mpanadinadina. Tsy maintsy ho efa teo amin’ny toeranao koa izy taloha, ka fantany tsara izay tsapanao. Matahotahotra mihitsy aza angamba izy, satria mety ho zara raha nianatra ny fanaovana fanadinadinana, na tsy nianatra izany mihitsy. Ary raha ilay mpampiasa mihitsy no manadinadina, dia mety hitandrina tsara izy, satria ho voa mafy izy raha mifidy olona tsy mahay an’ilay asa.

Mitsikitsikia eo am-boalohany, ary raiso tsara ny tanan’ilay mpanadinadina, raha izany no fomba fiarahabana eo an-toerana. Mety hisy vokany tsara izany. Mandritra ilay fanadinadinana, dia mifantoha amin’izay tadiavin’ilay mpampiasa aminao sy izay tokony homenao azy. Hoy i Nigel, momba izay tokony hatao: “Mipetraha mahitsy tsara, ary aza mikofokofoka. Ho hita fa matoky tena ianao, raha manao izany. Manehoa fanajana rehefa miresaka, ary aza be resaka loatra. Aza miteny ratsy mihitsy. Aza manaratsy ny mpampiasa anao sy ny mpiara-miasa taminao taloha. Raha manao izany ianao, dia mety hieritreritra ilay mpanadinadina fa hanaratsy ilay asa vaovao koa ianao.”

Ireto koa misy torohevitry ny manam-pahaizana, momba izay tokony holazaina sy ny fihetsika mandritra ny fanadinadinana: Jereo ilay mpanadinadina, aza amboamboarina ny fihetsika rehefa miteny, ary mitenena mazava tsara. Valio tsotra ny fanontaniana, ary milazà ny marina. Manontania momba an’ilay orinasa sy ilay asa. Raha mbola tianao ilay asa aorian’ilay fanadinadinana, dia lazao aminy. Ho hita amin’izay fa tena mazoto hanao an’ilay izy ianao.

Mety tsy ho ela ianao dia hahita asa, raha manaraka ireo torohevitra eo ambony ireo. Inona anefa no azonao atao, mba hampahateza anao amin’ny asanao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 CV na curriculum vitae no iantsoana an’io taratasy io. Soratana ao anaty taratasy hafa indraindray ny fanazavana sasany.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

CV Modely ho An’izay Mbola Tsy Niasa Mihitsy

Anarana:

Adiresy:

Nomeraon-telefaonina sy Adiresy E-mail:

Antony: Mitady asa tsy ilana traikefa firy.

Toerana Nianarana sy Diplaoma Azo: Nahazo diplaoma tany amin’ny Lise ..., tamin’ny taona ...

Zavatra Nianarana: Izay fiteny hainao, matematika, ordinatera, fandrafetana, na asa tanana hafa.

Zavatra Hay: Asa tanana. Mpikojakoja sy mpanamboatra ny fiaran’ny ao an-trano. Nahavita seza sy latabatra hazo. Tia mampihatra ny matematika nianarana rehefa manamboatra fanaka. Nirotsaka an-tsitrapo nanorina trano, ka nametaka tafo. Mahay mampiasa ny ankamaroan’ny karazana ordinatera, ary tia mianatra programa vaovao amin’ny ordinatera.

Mombamomba Ahy: Azo itokisana: roa andro ihany no tsy tonga nianatra tamin’ny taom-pianarana farany. Manao ny marina: namerina poketra very nisy vola. Tia manao asa soa: mpirotsaka an-tsitrapo amin’ny asa eo an-tanàna, sady tia manampy ny zokiolona. Fanatanjahan-tena: manao baskety. Fialam-boly: manamboatra fiara sy mandrafitra.

Olona Afaka Manamarina Ireo Voalaza Ireo: Efa misy vonona, raha ilaina. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 43 Mety ho mpampianatra mahalala anao tsara izany, na namana mitantana orinasa. Raha mangataka ny anaran’ireo olona ireo ilay mpampiasa, dia mety ho efa porofo izany fa te handray anao izy. Aza hadinoina anefa ny miera amin’ireo olona ireo, alohan’ny hanomezanao ny anarany.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Fanontaniana Mety Hapetraka Aminao Amin’ny Fanadinadinana

❑ Nahoana ianao no nangataka ity asa ity?

❑ Nahoana ianao no te hiasa ato amin’ity orinasa ity?

❑ Inona no fantatrao momba an’ity asa/orinasa/indostria ity?

❑ Efa nanao asa hoatran’ity ve ianao taloha?

❑ Inona avy no masinina hainao ampiasaina?

❑ Efa manana traikefa amin’ity karazan’asa ity ve ianao?

❑ Inona avy no zavatra hainao, ka mety hilaina amin’ity asa ity?

❑ Lazao amiko ny mombamomba anao.

❑ Manonòna teny dimy mahalaza tsara ny mombamomba anao.

❑ Afaka manao asa fanampiny ve ianao raha misy asa maika?

❑ Nahoana ianao no niala tamin’ilay asanao taloha?

❑ Nahoana ianao no tsy an’asa ela be?

❑ Ahoana no fahitan’ilay mpampiasa anao taloha anao?

❑ Impiry ianao no tsy niasa, tamin’ilay asanao taloha?

❑ Inona avy no zavatra tianao hatao amin’ny hoavy?

❑ Rahoviana ianao no afaka manomboka miasa?

❑ Inona avy no tena talentanao?

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Tsara ve ny Mitady Asa Amin’ny Alalan’ny Internet?

Misy sampan-draharaha lehibe manampy ny olona hahita asa, ao amin’ny Internet. Ahitana CV 17 tapitrisa ao amin’ny iray amin’izy ireo, any Etazonia, mba hovakin’izay mitady mpiasa. Misy tolotr’asa 800 000 eo ho eo koa ao, mba hojeren’izay mitady asa. Hita tamin’ny fanadihadiana natao, fa mitady asa amin’ny alalan’ny Internet ny 96 isan-jaton’ny olona any amin’ny tany sasany. Nanontaniana anefa ny mpiasa manana fahaizana manokana, avy amin’ny tany 40, ka hita fa ny 5 isan-jato monja amin’izy ireo no nahita asa tamin’izany fomba izany.

Marina fa maro kokoa ny mpampiasa hahalala hoe mitady asa ianao, rehefa mandefa CV ao amin’ny Internet. Mila mitandrina anefa ianao. Mety ho mora amin’ny olona ny hisoloky anao. Mba hiarovana anao amin’izany, dia ireto misy torohevitra avy amin’ny manam-pahaizana momba ny asa:

1. Alohan’ny handefasanao CV any amin’ilay sampan-draharaha, dia fantaro ny fepetra arahiny ho fiarovana ny mombamomba anao. Misy mantsy mivarotra izany amin’ny orinasa mpanao dokam-barotra na olon-kafa.

2. Sampan-draharaha vitsivitsy azo itokisana ihany no andefaso CV. Tokony harovanao tsara ny filazalazana momba anao, sao hampiasain’ny olona amin’ny fomba ratsy. Aza asiana fanazavana mety halain’ny mpangalatra anaran’olona, ao amin’ilay CV, satria ho very vola be amin’izany ianao. Raha manara-dalàna ilay mpampiasa, dia tsy ilainy ny nomeraon’ny kaontinao any amin’ny banky, na ny nomeraon’ny karatra fitrosanao, na ny daty marina nahaterahanao.

3. Mitandrema amin’ny tolotr’asa tsy mazava. Tsy azo antoka matetika ny tolotr’asa tsy mazava, hoy i Pam Dixon, mpikaroka miara-miasa amin’ny Fikambanana Miaro ny Fiainan’olona Manokana. Nilaza koa izy hoe: ‘Tokony ho mailo ianao rehefa mahita fehezanteny tsy mazava toy ny hoe: “Misy asa an’arivony ato aminay” na “Miara-miasa amin’ny orinasa lehibe maromaro izahay.” Mitandrema koa raha asaina mandefa CV fanindroany.’

Na dia tena azo itokisana aza ilay sampan-draharaha, dia tadidio fa tsy afaka miaro an’ilay CV intsony izy, raha vao lasan’ny mpampiasa na olon-kafa izany.

[Kisary/Sary, pejy 5]

ASA

Miomàna tsara rehefa hoadinadinina

Omano tsara ny CV

Aza miavona asa

Fantaro izay asa mbola tsy nanaovana filazana

Mahaiza mandamin-javatra

[Sary, pejy 7]

Mila manana fikirizana sy mitady tsara ianao, raha te hahita asa

[Sary, pejy 8]

Ho vonona amin’ilay fanadinadinana ianao raha miomana tsara