Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampisehoana Ataon’ny Vorona Iray Mareva-doko

Fampisehoana Ataon’ny Vorona Iray Mareva-doko

Fampisehoana Ataon’ny Vorona Iray Mareva-doko

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

MISEHO voalohany eo ambony sehatra toy ny mpilalao teatra malaza, eo anoloan’ny ridao mareva-doko ny vorombola lahy. Mitsangana avy eo andamosiny izato volony lava be, izay avo dimy heny noho ny halavan’ny vatany, ary mamirapiratra rehefa tarafin’ny masoandro.

Manao io fampisehoana mahatalanjona io izy isaky ny mitady vady. Manomboka mihetsiketsika sy mamoaka feo mikasaosaoka ny volony rehefa mivelatra tanteraka, ka anisan’ny mahatonga ilay fampisehoana hahomby izany. Rehefa mahita fampisehoana faran’izay mahavariana toy izany ny vorombola vavy dia tsy mahagaga raha voasarik’izany izy.

Ho an’ny mpitazana ihany koa anefa no hanaovan’ny vorombola lahy an’ilay fampisehoana, fa tsy ho an’ny vorombola vavy fotsiny. Hoy ilay boky Zava-mahatalanjona Momba ny Vorombola: “Nohamafisin’ireo mpandinika ny zavaboary, fa eo anoloan’ny olona no anaovan’ny vorombola lahy fampisehoana matetika kokoa sy maharitra kokoa, noho ny eo anoloan’ny vorombola vavy.” Angamba io fitiavany hampidera ny hatsaran-tarehiny io no nahatonga ilay fitenenana hoe mieboebo toy ny vorombola.

Inona kosa moa no maha ratsy an’izany? Mahafinaritra ange ny mijery ny fampisehoany e! Miravaka maso manjelanjelatra be dia be ireo volon-drambony. Tsy mitovy halava izy ireny ka lasa toy ny fikopaka boribory tsara. Miovaova arakaraka ny fiantefan’ny tara-masoandro eo aminy ny lokon’ny volony: Indraindray izy toy ny lokon’ny varahina, halimo, volamena, ary indraindray maitso manopy manga na volomparasy.

Mety hihevitra ny olona any amin’ny tany tandrefana fa ny fampideran’ny vorombola ny hatsaran-tarehiny no hany ilana azy. Kanefa sarobidy amin’ny mponina any Inde, izay tany niaviany ny vorombola, satria mamono zanaka kôbrà sy bibilava hafa misy poizina izy. Any Azia, ny vorombola dia heverina ho toy ny andriamanitra sy mampiseho ny tsy fahafatesana, satria toa tsy mahafaty azy mantsy ny poizin’ny kôbrà.

Tena sarobidy ny vorombola tany Moyen-Orient, tokony ho 3 000 taona lasa izay, ka nohafaran’i Solomona Mpanjaka niaraka tamin’ny entana sarobidy hafa toy ny ‘volamena sy volafotsy ary ivory.’ (1 Mpanjaka 10:22) Hoy ny boky Ny Tantaran’ny Zavamaniry sy Biby ao Amin’ny Baiboly: “Ny fanafarana vorombola nataon’i Solomona angamba no nahatonga an’io karazam-borona io tany amin’ireo faritr’i Mediterane.” Tena nahavariana an’i Aleksandra Lehibe koa ny vorombola, taonjato vitsivitsy tatỳ aoriana, hany ka tsy navelany hamono azy ireny ny miaramilany.

Na amin’izao fotoana izao aza, dia mbola maro no mankafy ny fampisehoana miavaka ataon’ny vorombola. Tsy azontsika odian-tsy hita koa anefa ilay Mpamolavola an’io fampisehoana io. Hita eo amin’ny zava-bitany, ohatra, ny fahaizan’ny mpanakanto. Toy izany koa fa tena miharihary eo amin’io zavaboariny io, izay sady tsara tarehy no mahatalanjona, ny fahaizana tsy manan-tsahala ananan’ilay Mpamorona antsika.

[Sary, pejy 31]

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Cortesía del Zoo de la Casa de Campo, Madrid