Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataonao Raha Mitomany Foana ny Zanakao?

Inona no Hataonao Raha Mitomany Foana ny Zanakao?

Inona no Hataonao Raha Mitomany Foana ny Zanakao?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY KANADA

NANKANY amin’ny dokotera ny reny iray. Nitombina ny ahiahiny fa voan’ny aretin-kibo mpahazo ny zazakely tokoa ny zanany. Milaza ny gazety Gilaoby sy Taratasy (anglisy) avy eto Kanada, fa “zaza iray ao anatin’ny efatra” no voan’izy io. Izao no amantarana io aretina io: Mitomany mandritra ny ora maro ilay zaza, ary intelo isan-kerinandro, fara fahakeliny. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao raha voan’izany ny zanany? Milaza ny dokoteran-jaza fa matetika no tsy maintsy miandry mandra-pijanon’ilay aretin-kibo izy sy ilay zaza. Hafiriana anefa?

Asehon’ny fanadihadiana natao teto Kanada, teo amin’ireo reny manan-janaka kely voan’io aretina io, fa maherin’ny 85 isan-jaton’ireny zaza ireny no tsy voan’ilay aretina intsony, rehefa feno telo volana. Nanao fikarohana koa ny Dr. Tammy Clifford. Izy no lehiben’ny toeram-pikarohana momba ny valan’aretina, ao amin’ny Hopitalin’ny Ankizy, An’ny Ivon-toeram-pikarohan’ny Faritra Atsinanan’i Ontario. Hita tamin’izany koa, fa tsy hisy vokany maharitra eo amin’ny fahasalamana ara-tsain’ny reny akory, raha voan’io aretin-kibo io ny zanany. Hoy ny Dr. Clifford: “Enim-bolana aorian’ny fiterahana, dia ho toy ny hoe tsy voan’ilay aretin-kibo akory ny zanany. Saika hadinony tanteraka izany, rehefa tsy mitomany foana intsony ny zanany.”

Milaza ny gazety Gilaoby fa io fikarohana vaovao navoakan’ny Dr. Clifford sy ny mpiara-miasa aminy io, dia “manampy tsipirian-javatra lehibe amin’izay efa fantatra momba ny aretin-kibo mpahazo ny zazakely. Hita tamin’ilay fikarohana mantsy fa misy karazany telo ny fisehon’ilay aretin-kibo eo amin’ny zazakely: Misy zazakely voan’io aretin-kibo io, hatreo amin’ny fahatelo volany. Misy kosa marary kibo foana ao anatin’ny volana maromaro, sady tsy mety mijanona mihitsy, ary misy indray voan’izy io atỳ aoriana kokoa, izany hoe volana vitsivitsy aorian’ny nahaterahany.” Nisy fanadihadiana iray hafa natao mba hijerena ny fizotran’ny fitombon’ny zazakely voan’io aretin-kibo io, ka ilay aretin-kibo karazany fahatelo no tena mahaliana indrindra.

Ninoana fa ny fitomaniana tsy an-kijanona no mahatonga ny ray aman-dreny hanetsiketsika ny zanany. Araka ny voalazan’ny gazety Gilaoby dia “tsy hampaninona ny zazakely raha ny fitomaniana fotsiny, fa ny fanetsiketsehana mafy azy, eny fa na dia mandritra ny fotoana fohy fotsiny aza, no mety hanimba ny atidohany, na hahafaty azy.”

Misy lafiny tsara ihany anefa ny fitomanian’ny zazakely tsy an-kijanona. Hoy ny gazety Gilaoby: “Asehon’ny fikarohana, fa mahazo tambitamby kokoa avy amin’ny mpitaiza azy ny zazakely mitomany be. Mahazo safosafo sy tsiky betsaka kokoa izy ireo, sady iresahana sy trotroina matetika kokoa.”