Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ny Ankizy Sariaka no Tena Tian’ny Olona

Hoy ny gazety alemà Psychologie Heute: “Tsy hoe izay manana pataloa jinina misy marika malaza sy fitaovana elektronika nivoaka farany akory no tian’ny olona. Ireo ankizy sariaka no tena tian’ny namany, fa tsy ireo manam-bola.” Nanao fanadihadiana tamin’ny ankizy 234, avy amin’ny kilasy taona fahatelo sy fahadimy tao amin’ny sekoly folo samy hafa i Judith Schrenk sy Christine Gürtler, psikology avy amin’ny Fikambanana Momba ny Fampandrosoana Max Planck, any Berlin. Hitan’izy ireo fa ny ankizy tia mifandray amin’ny hafa sy sariaka no tena tian’ny namany. Tsy tian’ny ankizy kosa ireo mpisetrasetra sy mpananihany. Hoy ilay tatitra: “Tsy zava-dehibe amin’ny mpiray kilasy ny hatsaran-tarehy na ny fananam-bola.”

Sarobidy ny Persily

Milaza ny gazety aostralianina Sunday Telegraph fa be vitaminina sy mineraly ny persily, na dia ampiasaina ho haingon-tsakafo fotsiny aza matetika. “Ny persily eran’ny kaopy, dia be vitaminina A noho ny karaoty lehibe iray, sy manana vitaminina C mitovitovy amin’ny voasary roa, ary be kalsioma noho ny ronono eran’ny kaopy. Be vy noho ny atin-kena mitovy lanja aminy koa ny persily, ary misy vitaminina B1 sy B2.” Nilaza koa ilay gazety fa mahasalama izy io, satria “mampipipỳ ka manala ny rano be loatra amin’ny vatantsika.” Mahatsara ny aty, ny sarakaty, ny vavony, ary ny taovam-pamaniana koa izy io. “Ny persily maitso koa no mora vidy indrindra amin’ny fanafody tsy mahamaimbo vava.” Mampitandrina ihany anefa ilay lahatsoratra fa “mety hampidi-doza ho an’ny olona sasany, toy ny vehivavy bevohoka, ohatra, ny fihinanana azy io . . . noho izy io misy hormonina.”

Tsy Lamaody Intsony ny Karatra Fampahafantarana ny Tena

Mpanolo-tsaina amin’ny fiarovana i Carl Paladini, ary hoy izy tao amin’ny gazety Exame, any Brezila: “Mitombo be ny fakana an-keriny eto Brezila, ka tsara amin’ny mpandraharaha ny tsy mampiasa karatra milazalaza momba ny asany sy ny toerany any am-piasana.” Ampiasain’ireo jiolahy mantsy ireny karatra ireny, hanombanana ny fananan’ilay tompon-karatra. I Vagner D’Angelo, tale ao amin’ny kompaniam-piarovana Kroll aza dia tonga hatramin’ny filazana fa “mety hanimba ny fiainanao ny fahafantaran’ny olona ny zavatra ao anaty kitaponao.” Nampirisihiny ireo mpandraharaha any amin’ny tany be fakana an-keriny mba tsy hanoratra momba ny asany sy ny toerany any am-piasana amin’ireny karatra ireny, ary koa “tsy hampiasa taratasy lafo vidy [sy] tsy hanisy tsipirian-javatra ao.” Mpandraharaha maro no matahotra sao ho fantatr’ireo jiolahy sahady io tetikady io, ka aleon’izy ireo mihitsy tsy mampiasa an’ireny karatra ireny.

Mihanaka ny SIDA any Antilles

Taterin’ny gazety The Miami Herald fa any Antilles no be voan’ny SIDA indrindra eran-tany, manarakaraka an’i Afrika. Milaza io gazety io fa “araka ny tatitra sasany, dia mitondra [tsimok’aretina VIH] ny 2,4 isan-jaton’ny olon-dehibe any Antilles”, ary 12 isan-jato aza izany any amin’ny tanàn-dehibe sasany. Milaza koa ny Herald fa “tsy ambara amin’ny besinimaro ny fiparitahan’io aretina io noho ireto antony ireto: tahotra, tsy fetezana hanaiky ny zava-misy, tsy fisian’ny fitsaboana, ary tsy fahampiam-pitaovana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Eritreretina ho 40 000 eo ho eo ny olon-dehibe sy ankizy matin’io aretina io tamin’ny 2001 fotsiny, tany Antilles.” Nilaza i Patricio Marquez, manam-pahaizana momba ny fahasalamana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena mikarakara an’i Antilles sy i Amerika Latinina, fa “mahavoa ny ankabeazan’ireo olon-dehibe afaka miasa ny SIDA . . . ary atahorana handripaka taranaka iray manontolo mihitsy.” I Haïti no be voany indrindra, satria mahatratra 6 isan-jato izany any. Hoy koa ilay gazety: “Milaza ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana sy ireo mpitondra, fa ireo firenena mahantra sy mivelona amin’ny fizahan-tany no tena atahorana ho potik’io aretina io.”

Mamirapiratra Rehefa Tarafina Amin’ny Ultraviolet

Efa ela no nino ny mpahay siansa maro, fa manampy ny karazam-borona sasany hahazo vady ny lokony mamiratra. Hitan’ireo manam-pahaizana momba ny zavamananaina, avy amin’ny Oniversite Queen any Kingston, Kanada, fa mandefa taratra ultraviolet ny volom-borona sasany rehefa tarafina. Hoy ny gazety Canadian Geographic: “Nampiasa fitaovana fandrefesana taratra mitovitovy bika amin’ny stylo ireo mpikaroka, ary hitan’izy ireo tamin’io ny zava-miafina momba ny loko matroky ny karazam-borona pic mainty loha.” Hita tamin’ilay fitaovana fa “mamiratra kokoa ny lahy raha oharina amin’ny vavy, ary mazava kokoa ny lokony. Ireo vorona lahy manana sanga sy faritra eo ambanin’ny vava, izay mandefa hazavana mamiratra indrindra (tsy hitan’ny mason’ny olona), no tena manintona ny vavy.” Miharihary àry, hoy ny Canadian Geographic, fa “mahita loko maro sy matsilo lavitra ny mason’ny vorona raha oharina amin’ny an’ny olombelona.”

Fipoahana Mahery Indrindra Teto Amin’ny Faritra Manodidina ny Masoandro

Taterin’ny gazety Science News “ny fipoaham-bolkano mahery indrindra fantatra, teto amin’ny faritra manodidina ny masoandro.” Nitranga tany amin’ny zanabolana voajanahary atao hoe Io, any akaikin’ny planeta Jupiter, izy io. “Mahamay sy be volkano i Io, satria mahery be ny fifampisintonany amin’i Jupiter. Indroa ambin’ny folo eo ho eo isan-taona no misy fipoahana toa an’io any.” Araka ny voalazan’io gazety io ihany dia “maharakotra velaran-tany 1 900 kilaometatra toradroa ny vaingan-javatra niparitaka avy tamin’io fipoahana goavana io. Tokotokony ho avo arivo heny izany raha oharina amin’ny an’ny Tendrombohitra Etna, any Italia, izay anisan’ny volkano mahery indrindra eran-tany.” Hitan’ny mpahay siansa tamin’ny teleskaopy matanjaka antsoina hoe Keck II io fipoahana io. Any Hawaii no misy an’io teleskaopy io, eo amin’ny volkano efa maty atao hoe Mauna Kea. Milaza koa ny Science News fa hita tsara io fipoahana io, satria tsara ny fitaovam-pitilian’ny Keck II. “Matanjaka be io teleskaopy io ka tsy olana aminy mihitsy ny fanembantsembanan’ny atmosferan’ny tany.”

Misy Akony Lalina ny Famoizan-janaka

Milaza ny The Times, any Londres, fa tsy oha-pitenenana fotsiny akory ny hoe “matin’ny alahelo.” Nisy mpikaroka avy amin’ny Oniversiten’i Århus, any Danemark, “nanara-maso ray aman-dreny 21 062, izay namoy zanaka latsaka ny 18 taona noho ny aretina, loza, vonoan’olona, na namono tena.” Nampitahaina tamin’ny ray aman-dreny 300 000 hafa tsy maty anaka izy ireo. “Ao anatin’ny telo taona manaraka ny nahafatesan-janany, dia avo efatra heny ny mety hahafatesan’ny reny noho ny famonoan-tena na loza. Mitombo 57 isan-jato kosa izany ho an’ilay ray.” Milaza ireo mpikaroka fa mety ho ny hakiviana no mahatonga izany.