Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Saka Lasa Mpirenireny

Ireo Saka Lasa Mpirenireny

Ireo Saka Lasa Mpirenireny

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

MIJOKOJOKO manatona ny rembiny ity biby mpihaza, sady tsy mitsahatra mibanjina azy io. Mamitsaka kely indray aloha izy. Efa vonona ireo hozatra ao ambanin’ny hodiny rakotra volo mivolombolamena. Toy ny tselatra avy eo ny fiantsampazany eny amin’ilay rembiny tsy nanampo na inona na inona. Rombahiny amin’ny tanany lava hoho ilay rembiny, ka ataony tsy afa-mikofoka.

Tsy any Afrika io ady mihatra aman’aina io no mitranga fa eto Aostralia. Ary tsy liona matanja-be koa ilay mpihaza kinga fa saka mpirenireny. Tombanana ho 12 tapitrisa eo ho eo izao ny saka mpirenireny atỳ Aostralia. Samy ahitana azy ireo na ny ala mafanan’ny tendrony avaratra, na ireo havoana mangatsiaka any atsimoatsinanana, na ny tany efitra mahamay any afovoan-tany.

Avy aiza ny saka mpirenireny?

Mitovy bika amin’ny saka fiompy an-trano ny saka mpirenireny, satria taranak’izy ireo ihany. Mitovy ny volony: mainty, fotsy, volondavenona, ary mavo na mena manopy volontany. Mitovy koa ny sorany: maro loko, tokam-bolo, na maramara. Somary be vozona kokoa anefa ny saka mpirenireny raha oharina amin’ny saka tsotra, ary matanjaka kokoa ny sorony. Milanja 3 ka hatramin’ny 6 kilao ny saka mpirenireny lahy, ary 2 ka hatramin’ny 4 kilao ny vavy. Tsy mba mila olona toy ny saka tsotra ny saka mpirenireny, fa mahavita tena tanteraka sady matahotra olona.

Ireo Eoropeanina nifindra tatỳ Aostralia no nitondra ny razamben’ireo saka mpirenireny ireo, tamin’ny taonjato faha-19. Rehefa niparitaka nanerana an’i Aostralia izy ireo tatỳ aoriana, dia nentin’izy ireo nanaraka azy koa ny sakany. Nandositra ny saka sasany ka lasa dia. Nitombo be ny isan’ireo bitro mpanimba kijana ka novotsorana ny saka sasany, tamin’ireo taona 1880, mba hisakanana izany. Tsy ela dia zatra niaina teo amin’ilay fonenany vaovao ireto saka ka lasa anisan’ny niely patrana indrindra, tamin’ireo karazam-biby nampidirina teto Aostralia. Hita manerana an’i Aostralia sy any amin’ireo nosy kely maro manodidina azy izao ny saka mpirenireny.

Mpiavy tena mahay mifanaraka amin’ny zava-misy

Maro anaka ny saka mpirenireny. Tsy ampy herintaona akory matetika ny saka vavy dia mety hiteraka saka kely fito eo ho eo na latsaka. Miteraka intelo isan-taona izy avy eo, ka efatra ka hatramin’ny fito no ataony indray miteraka. Dia toy izany foana no ataony mandritra ireo fito na valo taona iainany. Raha niteraka saka vavy telo sy saka lahy telo monja ny renin-tsaka iray, ary niteraka toy izany koa ny zanany vavy, dia hahatratra an’arivo maromaro ny taranak’ilay renin-tsaka rehefa afaka fito taona.

Tsy ampy fotsiny anefa ny fahaiza-manao tera-bitro, mba hahavelomana eo amin’ny toetany tena sarotra iainana eto Aostralia. Matetika ny saka no voatery mihaza amin’ny takariva mamirifiry na amin’ny vao mangiran-dratsy. Mialoka eny amin’ny vatan-kazo na ao anaty lava-bitro izy amin’ny antoandro, mba tsy ho main’ny hainandro. Hita any amin’ny tany efitra maina koa ny saka mpirenireny. Tsy voatery misotro rano mantsy izy ireo, satria ny hamandoana amin’ny henan’ny rembiny ihany dia efa ampy azy.

Tsy miavon-kanina koa ny saka mpirenireny. Na dia ny bitro aza no tena sakafo tian’ny saka, dia nilaza toy izao ny Sampan’asa Momba ny Bibidia sy ny Valam-pirenena, any Nouvelle-Galles du Sud: “Mahalany karazam-borona avy eto Aostralia tsy latsaka ny 100 ny saka, ary koa biby mampinono isan-karazany 50, sy biby mandady isan-karazany 50, ary sahona sy karazam-bibikely maro hafa.” Tena mazoto homana koa ry zareo. Mahalany sakafo latsaka kelin’ny ampahafolon’ny lanjany ny saka lahy iray, isan’andro. Ny saka vavy mitaiza indray dia mety hahalany hatramin’ny ampahadimin’ny lanjany. Nahalany bitro 56 000 sy voron-dranomasina 58 000 ireo saka mpirenireny 375 tany amin’ny nosy mitokana iray, tao anatin’ny herintaona monja.

Tsy afa-miaro tena amin’ny saka mpirenireny ny ankabeazan’ireo biby avy eto Aostralia. Araka ny gazety Ecos mantsy, dia mpihaza mahay ireny saka ireny, ka “tsy nahomby ilay fandaharana natao hamerenana ireo biby efa ho lany tamingana, tany amin’ny efitr’i Aostralia.”

Biby fiompy an-trano sa tsy misy ilana azy?

Efa nahazatra ny olona ny niompy saka, na dia tany Ejipta fahiny aza. Maherin’ny ampahatelon’ny tokantrano any Aostralia, no manana saka iray, fara fahakeliny. Tsy voavositra ny maro amin’ireny ka miteraka. Ariana eny amoron’ny ala àry indraindray ny zana-tsaka, ka mitombo sy manaranaka eny. Koa lasa mitombo isa àry ny saka mpirenireny noho izany.

Izao no torohevitry ny Sampan’asa Momba ny Valam-pirenena sy ny Bibidia any Aostralia, mba tsy ho lasa mpirenireny ny biby fiompy an-trano: Aza avela hivoaboaka ny sakanao, indrindra amin’ny alina. Omeo sakafo ampy izy, ary asio fehin-tenda na famantarana manokana hafa. Asio lakolosy kely ny fehin-tendany mba hitsoaka azy ireo biby mpirenireny rehefa manatona izy. Vosiro izy ary asio fefy ny tokotany mba tsy hahafahany hivoaka lavitra.

Mety handany vola sy fotoana ny fanarahana ireo torohevitra ireo. Tsy mampaninona an’ireo Aostralianina tia saka anefa izany.

[Sary, pejy 26]

Iray amin’ireo saka mpirenireny 12 tapitrisa eto Aostralia

[Sary nahazoan-dalana]

Joel Winter/NSW Sampan’asa Momba ny Valam-pirenena sy ny Bibidia, Aostralia

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Nahazoan-dalana tamin’ny Sampan’asa Momba ny Harena An-kibon’ny Tany