Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tambili—Ny Voaniho Tsara Indrindra

Tambili—Ny Voaniho Tsara Indrindra

Tambili—Ny Voaniho Tsara Indrindra

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY SRI LANKA

TAMBILI no anaran’ny voan’ny palmie aurantiaca, amin’ny teny cinghalais. Misy olona milaza fa io no tsara indrindra amin’ny voaniho. Mahafinaritra erỳ ny mijery ny palmie aurantiaca. Rehefa feno enina na valo taona izy io dia mamoa vondrona voaniho lehibe, miloko volondaoranjy marevaka, ary mamoa mandavantaona. Tokony ho 30 santimetatra eo ho eo ny halavan’ny voaniho tambili, ary milanja iray kilao sy sasany eo ho eo. Feno azy io eto Sri Lanka, nosy mafana. Raha ny marina, ny teny hoe tambili, amin’ny teny cinghalais, dia sady manondro an’ilay voaniho, no manondro ilay lokony volondaoranjy marevaka mampiavaka azy.

Ahoana anefa no hahazoanao ny ranona tambili? Otazana ny tambili raha mbola tanora. Esorina ny lohan’ny hodiny etỳ ivelany, ary lavahana ilay voaniho. Mety hahatratra iray litatra ny ranona tambili madio mangalahala ho azonao. Matsiro sy mamy izy io, ary mahavelona. Anisan’ny zavatra aroson’ny mponina eto Sri Lanka ho an’ireo vahiny reraka sy mangetaheta ny ranona tambili, matetika.

Rehefa mandehandeha eto Sri Lanka ianao, dia ho hitanao, fa feno talantalana ivarotana tambili eny amoron-dalana, ary mora be ny vidiny. Efa hain’ny mpivarotra erỳ ny manapaka ny lohan’ilay voaniho, manatsofoka pipety, dia izay! Afaka mahazo zava-pisotro madio sy mamelombelona ary mahasalama ianao. Raha mpitsidika sahisahy ianao, dia mety haniry hanandrana ny fanaon’ny tompon-tany, ka hiandrandra ary hisotro ny ranona tambili avy amin’ilay voaniho mivantana. Ho very anefa ny antsasany mahery raha tsy mahay ianao!

Fantatry ny mponina rehetra eto Sri Lanka fa mahasalama ny tambili. Voalaza fa mampangatsiatsiaka ny vatana ny ranona tambili ary manamora ny fandevonan-kanina. Ahitana mineraly sy gliosida vitsivitsy ao amin’io ranony io. Ao koa ny menaka, kalsioma, vitaminina C, faosifaoro, vy ary proteinina kely. Noho izany dia tena tsara hosotroin’ny olona lanaky ny hafanana, na marary kibo sy mandoa, na voan’ny kôlerà izy io, satria mampody ny rano very. Tsy ho azo antoka foana ny fiavian’ny rano fisotro, fa ny tambili kosa dia rano fisotro voajanahary, azo antoka, madio tanteraka, ary mahasalama.

Raha mitsidika ny morontsiraka maitson’i Sri Lanka ianao, dia azonay antoka fa ho tianao ny hijery ny palmie tambili. Mandravaka zaridaina maro, na torapasika mivolom-bolamena mantsy ny lokony marevaka. Azonay antoka koa fa hankafizinao ilay ranony mamelombelona.