Ny Siligaoma Sady Maoderina no Tranainy

Ny Siligaoma Sady Maoderina no Tranainy

Ny Siligaoma Sady Maoderina no Tranainy

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

EFA HATRAMIN’NY ANDRO FAHAGOLA ny olona no tia nitsakotsako siligaoma. Ny Grika fahiny dia nitsako ditin-kazo avy tamin’ny hazo dity. Ny Azteka indray nitsako tzictli, na ranon-kazo fingotra avy tamin’ny hazo sapodilla. Ny Indianina avy any Nouvelle-Angleterre kosa nampianatra ny mpanjana-tany hitsako ditin-kazo avy amin’ny hazo kesika. Raha ny marina, dia vaingana dity avy tamin’ny hazo kesika no siligaoma namidy voalohany tany Etazonia, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1800. Tatỳ aoriana, dia nanjary be mpitia ny fitsakoana vaingana parafinina mamy.

Voalaza fa tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha-19 no nanomboka nisy ny siligaoma maoderina. Nitondra fingotra avy tany aminy i Santa Anna, prezidàn’i Meksika taloha, fony natao sesitany tany Etazonia, ary nisy nahita azy nitsako an’ilay izy. Takatry ny Amerikanina iray mpamoron-java-baovao fa ho tsara ilay fingotra raha atao mamy sy manimanitra, ka nampiditra fingotra tany Etazonia izy, mba hanamboarana siligaoma.

Ilay fingotra dia rononon-kazo avy amin’ny hazo sapodilla, izay hazo maitsoririnina antsoina koa hoe hazo siligaoma. Avy any Gran Petén no niaviany, dia ilay alan’ny tany mafana any Goatemalà Avaratra sy any Belize ary any amin’ny Saikinosin’i Yucatàn. Misy hazo 175 mahery isaky ny hektara any amin’ny toerana maro any. Amin’ny fahavaratra, dia manisy tataka miolikolika eo amin’ny vatan’ilay hazodia ireo chicleros, na mpanangona fingotra. Mikoriana tsimoramora ilay rononon-kazo ary tantazana eny ambany. Atambatra ilay izy avy eo, ary ampangotrahina mandra-pahatongany ho madity tsara, ka amboarina ho vaingan-tsiligaoma mba hamidy. Mbola ampiasaina ihany io fingotra io ao amin’ny orinasa mpanao siligaoma, indrindra fa ireo lazaina fa vita amin’ny zavamaniry. Nosoloana akora sentetika anefa izy io tany Etazonia, nanomboka tamin’ireo taona 1940.

Nahoana no tena be mpitia ny siligaoma? Maro no mitsako siligaoma mba hahamanimanitra ny vavany sy hanadiovana ny nifiny, raha tsy afaka miborosy nify izy rehefa avy nihinan-javatra. a Ny sasany kosa mahita fa mampitony sy manampy azy hifantoka ny siligaoma. Namatsy siligaoma ho an’ny tafiny ny Amerikanina nandritra ny Ady Lehibe Voalohany sy Faharoa, satria noheverina ho mampihena tebiteby sy mahatonga ny miaramila ho mailo kokoa izy io. Amin’ny mpamily sasany, dia mampifoha kokoa noho ny kafe ny siligaoma. Hitan’ireo olona te hiala amin’ny sigara fa manampy azy ny fitsakoana siligaoma. Tian’ny olona koa izy io, rehefa noana kely iny izy, satria latsaka ny folo kaloria ny singany iray.

Olona maro koa anefa no mihevitra fa tsy tsara ny mitsako siligaoma. Indraindray aza dia heverina ho tsy fahalalam-pomba izany. Tsy maintsy mahay mandanjalanja àry ianao, raha tia io fahazarana izay sady tranainy no maoderina io. b

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mahabe rora ny siligaoma, ka manamora ny fandevonana ny asidra mipetaka amin’ny nify, ary mahasalama ny ativava. Lazain’ny mpitsabo nify fa siligaoma tsy mamy no tsara ampiasaina amin’izany, mba tsy hanimbana ny nify.

b Tsy azo atelina ny siligaoma, fa manjary misakana ao amin’ny tsinay na ny lalankanina. Mampitombo ny volavelona mivoaka avy amin’ny fanafody nanentsenana nify koa ny fitsakoana siligaoma be loatra.