Ilay Andro Nianjeran’ireo Tranobe Kambana
Ilay Andro Nianjeran’ireo Tranobe Kambana
TSY ho afaka mandrakizay ao an-tsain’ny olona an-tapitrisa, raha tsy an’arivo tapitrisa mihitsy aza, ny zava-nitranga tamin’ny 11 Septambra 2001, teto New York sy tany Washington ary Pennsylvanie. Taiza ianao rehefa nahita na nandre fa nisy nanafika ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena (World Trade Center) eto New York sy ny Pentagone (foiben’ny fiarovana amerikanina) any Washington?
Nanjary lasa saina ny rehetra, rehefa nahita ny habetsahan’ny fananana simba sy ny ain’olona nafoy, tao anatin’ny fotoana fohy.
Inona no nianarantsika avy tamin’izany, momba ny zavatra ataontsika loha laharana sy ny safidy ataontsika eo amin’ny fiainana? Nahoana no lazaina fa nasongadin’iny loza nahatsiravina iny ireo toetra tsarantsika olombelona, dia ny fahafoizan-tena, ny fangoraham-po sy ny fiaretana ary ny fitiava-namana? Hiezaka hamaly io fanontaniana farany io ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka.
Mitantara ny nanjo azy ireo nieren-doza
Nakatona avy hatrany ny lalamby rehetra taorian’ilay loza teto New York, ka olona an’arivo no nandeha an-tongotra niala an’i Manhattan ambany, ary maro no niampita ireo tetezan’i Brooklyn sy Manhattan. Tazan’izy ireo tsara ireo trano misy ny birao sy orinasan’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia nisy nandositra nankany amin’ireo trano ireo.
Anisan’ireo tonga voalohany i Alisha (eo ankavanana), zanakavavin’ny Vavolombelona. Feno vovoka sy lavenona izy tamin’izay. a Nanazava toy izao izy: “Teny ambony masinina handeha hiasa aho no nahita setroka avy tamin’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena. Rehefa tonga teo amin’ny toerana nisehoan’ny loza aho, dia nahita fa feno potika fitaratra niparitaka tamin’ny tany, ary tsapako ilay hafanam-be. Nifanjevo sy nihazakazaka ny olona, ary nanasa ny olona hiala tamin’ilay toerana ny polisy. Toy ny faritra nisy ady ilay toerana.
Nihazakazaka aho nankany amin’ny trano iray tsy lavitra teo. Nandre zavatra nipoaka aho avy eo, rehefa nandona ilay tranobe atsimo ilay fiaramanidina faharoa. Tsy hita izay hilazana ilay izy fa rakotry ny setroka mainty daholo
izay jerena. Nasaina niala tamin’ilay faritra nampidi-doza izahay. Nalefa tamin’ny baka niampita ny ony East River, nankany Brooklyn aho. Nitraka aho rehefa tody terỳ ampita, ka nahita soratra lehibe manao hoe ‘TILIKAMBO FIAMBENANA.’ Io no foiben’ny fivavahan’ny reniko! Avy hatrany aho dia nankany amin’ny trano misy ireo birao. Fantatro fa tsy nisy toerana tsara noho io hikarakarana ahy. Tany aho no nisasa sy niantso ny ray aman-dreniko.”Mpiandry varavarana tao amin’ny Hotely Marriott, teo anelanelan’ireo tranobe roa, i Wendell (eo ankavanana). Hoy izy: “Niasa tao amin’ny fandraisana olona aho, rehefa nipoaka ilay tranobe voalohany. Nahita potipoti-javatra nianjera teny rehetra teny aho. Nitazana ny arabe aho, ary nahita lehilahy nirehitra nitsirara tamin’ny tany. Nendahako ny palitaoko sy ny lobako dia nihazakazaka aho namono ilay afo. Nanampy ahy teo koa ny olona iray sendra nandalo. May daholo izay teny an-koditr’ilay lehilahy, afa-tsy ny ba kirarony sy ny kirarony. Nentin’ny mpamonjy hain-trano izy avy eo mba hotsaboina.
Tsy ela taorian’izay, dia niantso tamin’ny telefaonina i Bryant Gumbel, mpanao gazetin’ny Tele CBS, mba hanontany olona mahita maso an’ilay fisehoan-javatra. Ren’ny fianakaviako tany amin’ny Nosy Vierges izany, ary nahita ahy tamin’ny tele izy ireo, ka fantany fa velona aho.”
Teo am-pitazanana ny Tranobe Kambana sy ny Hotely Marriott avy tao
an-tranony tany amin’ny rihana faha-31 i Donald, lehilahy matanjaka mirefy 1,95 metatra, mpiasan’ny World Financial Center (Foibe Ara-bola Iraisam-pirenena). Hoy izy: “Ankona aho sady nihoron-koditra noho ny zavatra hitako. Nianjera sy nitsambikina avy teny amin’ny varavarankelin’ilay tranobe avaratra ny olona. Toy ny adaladala kely aho nanao tongotra an-katoka nivoaka ny tranoko.”Diniho koa ny nanjo ny vehivavy iray 60 taona mahery atao hoe Janice sy ny zanany roa vavy 40 taona mahery avy, atao hoe Ruth sy Joni. Tao amin’ny hotely iray tsy lavitra ny Tranobe Kambana izy ireo. Mitantara toy izao i Ruth, mpitsabo mpanampy: “Teo am-pandroana aho tamin’izay. Nikiakiaka tampoka izy mianaka niantso ahy hivoaka tao. Tany amin’ny rihana faha-16 izahay ary nahita potipoti-javatra nianjera nandalo teo amin’ny varavarankely izy ireo. Nahita lehilahy iray nisidina, toy ny hoe natsipy, nandalo teo akaiky teo mihitsy aza i Neny.
Niakanjo haingana aho, ary nanomboka nidina ny tohatra izahay. Kiakiaka re izany! Tafavoaka teny amin’ny arabe izahay, ary nandre zavatra nipoaka sy nahita tselatr’afo. Nasaina nihazakazaka nianatsimo izahay, hamonjy ny Zaridainam-panjakana Battery. Any no misy ny baka mankany Staten Island. Tafasaraka taminay i Neny teny an-dalana. Ho tantiny ve anefa ilay setroka sy lavenona ary vovoka be, satria voan’ny sohika izy? Nitady azy nandritra ny antsasak’adiny izahay, nefa niala maina. Tsy nanahy loatra anefa izahay satria sady kinga saina izy no olona tony tsara foana.
Nasaina namonjy ny Tetezan’i Brooklyn sy niampita azy io izahay taorian’izay. Eritrereto ny hafalianay rehefa tafita ny Tetezan’i Brooklyn izahay, ka nahita ilay soratra lehibe hoe ‘TILIKAMBO FIAMBENANA’! Avotra amin’izay izahay!
Noraisina tsara izahay ary nomena efitrano ipetrahana sy akanjo, satria tsy nanana afa-tsy ny teny an-koditray. Fa mba aiza moa i Neny? Tsy nanao afa-tsy ny nitady azy tany amin’ny hopitaly maromaro izahay ny alina tontolo, nefa niala maina. Naharay hafatra izahay ny ampitso maraina tamin’ny 11 ora sy sasany teo ho eo. Hay efa tao amin’ny fandraisana olona tao ambany izy! Fa inona no nanjo azy?”
Manohy ny tantara toy izao i Janice renin’izy mirahavavy: “Nisy vehivavy efa zokinjokiny namanay izay, nampanahy ahy, satria tsy afaka nandositra ilay hotely niaraka taminay izy. Nikasa hiverina sy hibata azy aho, nefa nampidi-doza loatra izany. Nisahotaka be tamin’izay, ka tafasaraka tamin’izy mirahavavy aho. Tsy nanahy loatra anefa aho, satria mato-tsaina izy mirahavavy sady mpitsabo mpanampy mahay i Ruth.
Nila vonjy daholo ny olona rehetra nojereko, indrindra fa ny ankizy sy ny zazakely. Nanampy olona maro araka izay vitako aho. Nisy toerana nanasokajiana ny olona niharan-doza sy nitsaboana azy ireo, arakaraka ny ratra nahazo azy. Nankany aho, ary nanasa ny tanana sy ny tarehin’ny polisy sy ny mpamonjy hain-trano, satria tena feno lavenona sy vovoka izy
ireo. Nijanona hatramin’ny telo ora maraina ny ampitson’iny aho, vao nitaingina baka nankany Staten Island. Nihevitra aho fa mety ho nandositra tany ireo zanako vavy, nefa tsy hitako tany izy ireo.Nanenjika ny baka voalohany niverina tany Manhattan aho tamin’iny maraina iny, nefa tsy tafiditra, satria tsy anisan’ny mpamonjy voina. Nahatazana polisy iray nampiako aho avy eo, ka niantso hoe: ‘John! Mila miverina any Manhattan aho.’ Namaly izy hoe: ‘Araho fotsiny aho.’
Niverina tany amin’ny Hotely Marriott aho, rehefa tonga tany Manhattan. Nihevitra aho mantsy fa mbola afaka hamonjy ilay vehivavy efa zokinjokiny namako. Tsy nisy azo natao mihitsy anefa! Rava tanteraka ilay hotely. Haolo tanteraka ilay toerana, satria tsy nisy olona mihitsy. Polisy sy mpamonjy voina sisa no tao. Trotraka izy ireo ary hita teny amin’ny tarehiny fa nampalahelo azy mafy ilay loza.
Namonjy ny Tetezan’i Brooklyn aho, ary rehefa tody teny amin’ny faran’izy io, dia nahita ilay soratra fantatro tsara hoe ‘TILIKAMBO FIAMBENANA.’ Any angamba no hahitako ny zanako vavy. Inona tokoa fa nitsena ahy tao amin’ny fandraisana olona izy mirahavavy. Nifamihina mafy izahay sady niara-nitomany!
Nahagaga fa tsy nihetsika mihitsy ny sohikako, na dia betsaka aza ny setroka sy ny vovoka ary ny lavenona. Nivavaka foana aho, satria te hanampy, fa tsy hanahirana olona.”
“F’angaha moa atỳ misy toerana ipetrahany?”
Nilaza toy izao tamin’ny mpanoratra ny Mifohaza! i Rachel, vehivavy 20 taona mahery kely: “Handeha hody teny Manhattan ambany aho no nahare feona fiaramanidina. Nitabataba be ilay izy ka nampitraka ahy. Saika tsy nino aho nahita ilay fiaramanidina goavam-be nandeha nidina. Gaga aho hoe nahoana izy io no nanidina ambany be sy haingana be toy izany. F’angaha moa atỳ misy toerana ipetrahany? Tsy voafehin’ilay mpanamory intsony angamba ilay izy. Nisy vehivavy nikiakiaka nony avy eo, nilaza hoe: ‘Nidona tamin’ilay tranobe iny fiaramanidina iny!’ Nisy vaingan’afo nidedadeda nivoaka avy tamin’ilay tranobe avaratra. Nahita lavaka mainty goavana teo amin’ilay tranobe aho.
Mbola tsy nahita zavatra nahatsiravina toy izany aho hatramin’izay niainako. Tsy nampino ilay izy. Nidanàka teo fotsiny aho nijery an’ilay izy. Tsy ela taorian’izay dia nisy fiaramanidina hafa koa nandona ilay tranobe faharoa, ary samy nirodana ireo tranobe roa tamin’ny farany. Nanjary toy ny adaladala kely aho. Tsy tantiko intsony ilay izy!”
“Hilomano aho, raha tsy maintsy milomano”
Tovovavy 16 taona i Denise, ary vao tonga tany am-pianarana izy tamin’izay. Eo akaikin’ny Foiben’ny Fanakalozam-bola Amerikanina, eo atsimo kelin’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena no misy ny fianarany. “Taoriana kelin’ny tamin’ny sivy ora maraina ilay izy. Fantatro fa nisy zavatra nitranga, nefa tsy haiko hoe inona. Nianatra tantara tao amin’ny rihana faha-11 izahay. Raiki-tahotra ny iray kilasy. Saika mbola hanadina anay ihany ilay mpampianatra. Izahay anefa efa te hody.
Nihovitrovitra ilay trano fianaranay avy eo rehefa nandona ilay tranobe atsimo ilay fiaramanidina faharoa. Mbola tsy fantatray ihany anefa ny zava-nitranga. Reko tampoka tamin’ilay talkie-walkie an’ilay mpampianatra avy eo hoe: ‘Nisy fiaramanidina roa nandona ny Tranobe Kambana!’ Izao no tao an-tsaiko: ‘Tsy tokony hijanona ato izahay. Asan’ny mpampihorohoro izany, ka ny Foiben’ny Fanakalozam-bola no hasiany manaraka.’ Dia nivoaka izahay.
Nihazakazaka nidina nankany amin’ny Zaridainam-panjakana Battery izahay. Nitodika aho nijery izay nitranga, ka nahita ilay tranobe atsimo efa hirodana. Noheveriko fa handona ny trano avo rehetra teo akaikiny izy io, ka hirodana daholo izy rehetra. Tsy avy niaina aho, satria tsentsin’ny lavenona sy vovoka ny oroko sy ny tendako. Nihazakazaka aho namonjy ny ony East River, sady nieritreritra hoe ‘hilomano aho, raha tsy maintsy milomano.’ Sady nandositra aho no nivavaka tamin’i Jehovah mba hamonjy ahy.
Nalefa baka nankany New Jersey aho taorian’izay. Adiny dimy mahery vao nahita ahy ny reniko, nefa avotra aloha aho!”
“Dia ho faty androany ve aho?”
Nampianatra tany amin’ny rihana faha-40 tao amin’ilay tranobe avaratra i Joshua, 28 taona, avy any Princeton, any New Jersey, tamin’izay. Izao no tsaroany: “Tampotampoka teo dia toy ny nisy baomba nipoaka. Nihovotrovotra daholo ny zava-drehetra, ary nieritreritra aho hoe ‘horohoron-tany kosa izany.’ Notazaniko ny teny ivelany, ary tsy nampino ny zavatra hitako: Setroka sy potipoti-javatra fotsiny no nanodidina ilay trano. Izao no nolazaiko tamin’ny mpianatra: ‘Avelao daholo ny entanareo, dia ndao hivoaka!’
Nidina ny tohatra izahay, feno setroka ny lalanay ary nipitipitika ny rano avy tamin’ny fantsona famonoana afo. Nilamina tsara anefa ny rehetra. Tsy nitsahatra nivavaka aho mba tsy ho any amin’ny toerana misy afo no hiafaran’ilay tohatra.
Rehefa nihazakazaka nidina ny tohatra aho, dia nieritreritra hoe: ‘Dia ho faty anio ve aho?’ Tsy nitsahatra nivavaka tamin’i Jehovah aho, ary nahatsiaro ho tony tanteraka. Mbola tsy nahatsiaro ho tony toy izany mihitsy aho hatramin’izay, ary tsy hohadinoko mandrakizay izany.
Tafavoaka ihany izahay, ary nanasa ny olona rehetra hiala teo amin’ilay toerana ny polisy. Nitraka aho nijery ireo tranobe ary hitako fa samy nivava be izy ireo. Tsy nampino mihitsy ilay izy.
Nisy fahanginana hafahafa avy eo, toy ny hoe nijanona tsy niaina ny olona an’arivo, ary toy ny hoe ny tanànan’i New York mihitsy no tsy nihetsika intsony. Kiakiaka no nanaraka izany. Nirodana ny tranobe atsimo! Niparitaka toy ny tadio nankany aminay ny setroka sy lavenona ary vovoka be. Nitovy tamin’ireny sary amboamboarina amin’ny filma amin’ny tele ireny ilay izy, saingy tena izy. Sempotra izahay rehefa tratran’ilay rahon-tsetroka.
Tonga teny amin’ny Tetezan’i Manhattan ihany aho. Nitodika aho ka nahita ny nianjeran’ny tranobe avaratra sy ilay antenina tele goavana be teo amboniny. Tsy nitsahatra nivavaka aho teny ambony tetezana, mba ho tody tany amin’ny Betela, foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tsy faly toy izany mihitsy aho nahita an’io trano io. Hitako teo amin’ny rindrin’ny trano fanaovana pirinty ilay soratra lehibe hoe ‘Vakio Isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina’! Olona an’arivo no afaka mahita azy io isan’andro. Nieritreritra aho hoe: ‘Kely sisa dia tonga, fa tohizo.’
Rehefa misaintsaina ireny zava-nitranga ireny aho, dia nahatsapa tsara fa tena tokony hofaritako ny atao hoe zava-dehibe indrindra, ka izany no atao voalohany amin’ny fiainana.”
“Nahita olona nitsambikina avy tamin’ilay tranobe aho”
Nahita ny zava-nitranga i Jessica, 22 taona, rehefa nivoaka avy tao amin’ny gara iray tsy lavitra an’ireo Tranobe Kambana. “Nitraka aho ary nahita lavenona sy potipoti-javatra ary potika vy nilatsaka avy tany ambony. Nilahatra telefaonina ny olona, ary taitaitra be toy ny adaladala kely satria tsy maintsy niandry. Nivavaka aho mba ho tony. Nisy zavatra nipoaka indray avy eo, ary nisy potika vy sy fitaratra nirotsaka avy tany ambony tany. Nikiakiaka ny olona hoe: ‘Fiaramanidina hafa koa e!’
Zavatra nahatsiravina no hitako, rehefa nitraka aho: Olona nitsambikina avy tany amin’ny rihana ambony, misy afo midedadeda sy dona-tsetroka. Mbola tsaroako tsara ny zava-nitranga: Nisy lehilahy sy vehivavy nihazona tamin’ny varavarankely. Tsy maintsy navotsony anefa ny tanany, rehefa afaka kelikely, ka nianjera avy teny ambony be teny izy ireo. Tena nahatsiravina ny nijery izany.
Tody teny amin’ny Tetezan’i Brooklyn aho tamin’ny farany, ary nesoriko ny kiraroko, satria nanahirana ahy, ka nihazakazaka aho namonjy ny faran’ny tetezana akaikin’i Brooklyn. Niditra tao amin’ny trano misy ireo biraon’ny Tilikambo Fiambenana aho, ary avy hatrany dia nisy olona nanampy ahy ho tony.
Rehefa tany an-trano aho tamin’iny alina iny, dia namaky ireo lahatsoratra hoe ‘Reseo ny Tahotra Vokatry ny Zavatra Nanjo!’, ao amin’ny Mifohaza! 22 Aogositra 2001 [anglisy]. Tena nilaiko ny fanazavana tao!”
Nampihoron-koditra tokoa ilay loza, ka nentanin’ny fony ny olona mba hamonjy araka izay azony natao. Izany indray no hohazavain’ilay lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy ho voasoratra ato amin’ireto lahatsoratra fohy ireto daholo ny filazalazan’ireo olona maro nadinadinin’ny Mifohaza! Nanampy anay kosa izy ireo mba hameno sy hanamarina ireto fitantarana ireto.
[Kisary/Sary, pejy 8, 9]
(Jereo ny gazety)
RAVA
1 TRANOBE AVARATRA Foibe Ara-barotra Irais. 1
2 TRANOBE ATSIMO Foibe Ara-barotra Irais. 2
3 HOTELY MARRIOTT Foibe Ara-barotra Irais. 3
7 FOIBE ARA-BAROTRA IRAISAM-PIRENENA 7
SIMBA BE
4 FOIBE ARA-BAROTRA IRAISAM-PIRENENA 4
5 FOIBE ARA-BAROTRA IRAISAM-PIRENENA 5
L ONE LIBERTY PLAZA
D DEUTSCHE BANK 130 Liberty St.
6 CUSTOMS HOUSE Foibe Ara-barotra Irais. 6
Av At TETEZAN’NY MPANDEHA AN-TONGOTRA (ATSIMO SY AVARATRA)
NISY SIMBA
F2 FOIBE ARA-BOLA IRAISAM-PIRENENA 2
F3 FOIBE ARA-BOLA IRAISAM-PIRENENA 3
W ZARIDAINA WINTER
[Sary nahazoan-dalana]
4 Oktobra 2001 Kisarin’i Manhattan Ambany, nataon’ny Urban Data Solutions, Inc.
[Sary]
Farany ambony: Ilay tranobe atsimo no nirodana voalohany
Ambony: Nisy nandositra ilay loza, ka nankany amin’ny tranon’ny “Tilikambo Fiambenana”
Havanana: Mpamono afo sy mpamonjy voina an-jato no niasa mafy tsy nety reraka
[Sary nahazoan-dalana]
AP Photo/Jerry Torrens
Andrea Booher/FEMA News Photo
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
AP Photo/Marty Lederhandler
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
AP Photo/Suzanne Plunkett