Avy Amin’ny Mpamaky
Avy Amin’ny Mpamaky
Fampianarana Misaotra anareo aho noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe: “Fampianarana Manatsara ny Fiainana.” (8 Aprily 2001) Nampiseho tokoa izy io fa miezaka mampita hafatra amin’izay rehetra mahitsy fo i Jehovah, amin’ny alalan’ny fandaminany. Tohina ny foko rehefa namaky fa noresahin’ny televiziona sy gazety tany an-toerana ny fivoahan’ny Mifohaza! amin’ny fiteny samoan. Mampiseho izy io fa tanteraka ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8: “Ho vavolombeloko ... hatramin’ny faran’ny tany” ianareo.
J. D., Etazonia
Ray Mpandositra Adidy Ankizy 15 taona aho ary te hisaotra anareo amin’ny foko manontolo noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana no Nandao Anay i Dada?” (8 Desambra 2000) sy ilay hoe: “Ahoana no Iatrehako Izao Nandaozan’i Dada Anay Izao?” (8 Janoary 2001) Sady tezitra aho no nalahelo no diso fanantenana. Voalaza tao amin’ilay lahatsoratra fa tsy izaho irery no toy izany ary ara-dalàna ny fihetseham-poko. Manorata lahatsoratra mahafinaritra toy ireny foana.
S. L., Alemaina
Folo taona aho, ary toy ny hoe efa niandry ireo lahatsoratra ireo hatramin’izay niainako! Nalahelo mafy aho rehefa nandao anay i Dada. Tonga ara-potoana ireo lahatsoratra ireo.
M. D., Alemaina
Fanavotana Fanambadiana Misaotra anareo amin’ny foko manontolo aho noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! 8 Janoary 2001 hoe “Azo Avotana ve ny Fanambadianay?” Nanana olana ara-panambadiana izahay mivady, herintaona lasa izay. Samy notezaina tao amin’ny tokantrano nanjakan’ny fipoahan’ny fahatezerana izahay. Noho izany dia lasa nifanao teny mandratra izahay, ary nipoitra ny tsy fifanarahana. Nanomboka nampihatra ny toro lalana ara-baiboly anefa izahay, ka sambatra ankehitriny.
R. O., Etazonia
Iray amin’ireo zavatra sarotra indrindra atrehiko amin’ny maha anti-panahy ao amin’ny fiangonana ny fanampiana ireo mihevitra fa voafandrika ao anatin’ny fanambadiana tsy misy fitiavana. Maro be ny torohevitra araka ny Soratra Masina azo tamin’ny alalan’ireo boky sy gazety tao anatin’ireo taona maro lasa. Hitako, tamin’ny fijerena fotsiny ny fonon’ilay gazety anefa, fa ilay tena ilainay mba hanampiana mivantana ny olona toy izany izy io. Tsy nandiso fanantenana ahy mihitsy ireo lahatsoratra!
L. R., Etazonia